Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 22h10
 

Malagasy

Mihetsika ny CRN

Any Vohemara i Zafy Albert sy ny tariny

jeudi 12 juin 2008 | Naivo kely |  723 visites 

Tsy mijanona hatreo ny tolona. Lasa nitsidika vahoaka any Vohemara indray ny Profesora Zafy Albert, miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny CRN. Fijerena ifony ny fahoriam-bahoaka no anton’izao fitetezam-paritra izao. Efa nandalo tany Sambava ihany koa ry zareo araky ny voalazan’ny mpikambana ao amin’ity CRN ity.

Ankoatry io, dia mametraka amin’ny vahoaka izay lalovany izy ireo, ny tokony hirantsika ao anatin’ny fampihavanam-pirenena sy ny rafitra tetezamita. Heno hatrany ny filazan’izy ireo, fa fitondrana jadona no misy eto, ka tsy mijery ny tena fahasahiranam-bahoaka misy ankehitriny, ka tsy ho gaga hoy izy ireo, raha izao sisa no toerana misy an’i Madagasikara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}