Mbola mitohy ihany ny fanatsafana sy kabary tsy valiana manodidina ny fanafoanana ny fandaharana « Morning Show » sy
« Ny Marina » ary ny famakafakana mialoha ny vaovao niandraiketan’i Lalatiana Rakotondrazafy. Ity mpanao gazety ity moa dia nihanona fotsiny tamin’ny filazana mivantana fa fanapahankevitry ny Filankevi-pitantanana ireo.
Inona no tena marina ? Raha toa nisy faneriterena na tsindry haloka ka nahatonga ny sasany hilaza fa hoe kanosa ny Radio Antsiva na ny tompony dia mampieritreritra ihany. Raha ny fahafantarana io tambatra orinasa Prey io dia tsy karazan’ireny izy io. Asa aloha izay tena dikan’ny resaka hoe « politika » fa raha fiariana sy famoronana asa na fitsinjarana ny tombontsoa na ny vokatry ny orinasa dia azo lazaina fa manana ny toerany tokoa ity tambatra orinasa Prey ity.
Fomba fijery ihany ireo fa azo antoka fa tsy maintsy hanazava ny dikan’izao fiovana maha be resaka izao ny tompondraikitra vaovao na ny solontenan’ny Filankevi-pitantanana.