Inona indray ity ? Io no fanontaniana mipetraka amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpianatra ao Mahajanga, raha nahita karazana laza adina BEPC sahady nipariotaka tany antoerana ny alatsinainy sy talata lasa teo. Tsy hay mazava, na laza adiny avy aiza izy io na avy aiza, fa dia roboka nijery sy naka sopapa tamin’io ny ankamaroan’ny ankizy hanala fanadinana BEPC 2008. Dia ho sanatria ve hoy ny mpitazana, dia hisy mpamosavy malemy hamotika ny ho avin’ny ankizy toy ny hita taona vitsy lasa izay ? Miantso ny tompon’andraikitra isan-karazany ny mponina mba hijery haingana izao tarehin-javatra izao, satria ny ho avin’ny ankizy mihitsy no potika amin’ity lazana adina tsy fatam-piavina niparitaka tany Mahajanga ity. Mahavoan’ny sazy lamandy sy fampidirana antranomaizina ny famoahana laza adina mialohan’ny fotoana. Raha ohatra indray, ka laza adina avy amin’ny sekoly isan-karazany, izay hanaovan’ny mpianatra cours dia hafa izay. Tsy vitsy no mamoaka laza adiny ireny mpianatra ireny, izay fikarohana manokana ataon’ny mpampianatra ao aminy. Tsy vitsy no nahazo tombontsoa tamin’izany, indrindra fa ny mpianatra. Maro ny mpanabe nahiditra am-ponja voakatry ny famarotana laza adina tamin’ny mpianatra iny taona lasa iny, ary ny hirariana dia ny tsy hiverenan’ny toe-javatra mampalahelo tahaka ireny, satria ar 500 monja no nidirana am-ponja, vidin’ny laza adina iray.
Mahajanga • Fanadinana BEPC 2008
Misy laza adina miparitaka sahady
jeudi 12 juin 2008 |
| 559 visites