Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 10 mai 2024
Antananarivo | 18h41
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Vakansy hafahafa

    samedi 26 mai 2007 | Naivo kely |  143 visites
    Tsy vitan’ny fampihavanana tao anatin’ny famonoana omby intsony ny raharaha eo amin’ny olan’ny mpianatra amin’ny oniversite any amin’ny faritany, ka zary nandao ny toerana fandratoany fahaizana avokoa ny rehetra. Zary maka endrika tanàna haolo ny oniversite ao Fianarantsoa, Toliara ary Antsiranana. Mandry tsy lavo loha ireo hafa mbola ahitana mpianatra mianatra, ary ireo sisa tavela toy ny tao Fianarantsoa aza andro vitsy monja izay dia lasa nandao ny fianarany nody ny zanaky ny faritra (...)
  • Vaky ny FFKM

    vendredi 25 mai 2007 | Naivo kely |  240 visites
    Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka tokoa ny rehetra ka na ilay firaisan-kina hatramin’izay aza toa very tao anatin’n’ny fotoana fohy. Iza tokoa no ahalala fa izao no hiafaran’ny tantara eo amin’ny fiainan’ny finoana kristianina ? Raha nandre ny tenin’ny filohan’ny FFKM Lala Rasendrahasina ny maro izay milaza fa tsy andraikitry ny FFKM ny raharahan’ny katolika sy ny fanjakana, dia lasa ihany ny saina manoloana ireo, satria raharaha goavana eto amin’ny tanana no voakitikitika. Hanao ahoana ny (...)
  • Sasatry ny miarina

    jeudi 24 mai 2007 | Naivo kely |  140 visites
    Ny vavan’ny Eveka ao amin’ny EKAR no nandrasan’ny rehetra dia lasa izao, hoy ny fomba fiteny izay. Toa hery lehibe ho an’ireo aty amin’ny herin’ny fanoherana ny fanambarana nivoaka tamin’ny haino aman-jery maro teto amintsika ny alatsinainy teo sy ny omaly talata, ka nivondrona indray ny hery ho an’ny aty amin’ny fanoherana. Anio dia hisy dinika hataon’ny ireo lohan-dohan’ny mpisorona rehetra ho fanohizana ny tolona efa nataon’izy ireo ho fanatsikafonana ny fomba fiasa tsy mifanaraka amin’ny fomba (...)
  • Mpanohitra ve ny katolika ?

    mercredi 23 mai 2007 | Naivo kely |  221 visites
    Io ary ilay efa nampoizina. Miankina amin’ny fanazavan’ny fanjakana, ny mety hampitohy na tsy ny fiaraha-miasan’ny katolika amin’ny fanjakana, io no namaranan’ny fikambanan’i Eveka eto Madagasikara ny fanambarany nandritra ny fehin-kevitra nataony taorian’ny fivoriany ny alatsinainy faha 24 mai lasa teo. Niditra sy namakafaka lalina momba ny fiainam-pirenena ankehitriny ireto Eveka ireto, ka isan’io ny nampitombina ny taratasy nalefan’izy ireo ny momban’ ny tsy fankasitrahana ny hanaovana ny (...)
  • Hafa ny anio sy ny omaly

    mardi 22 mai 2007 | Naivo kely |  161 visites
    Dia tapaka tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly fa novaina tao anatin’ny fotoana fohy ny ora hiasan’ny mpiasam-panjakana izay heverina fa hampitombo bebe kokoa ny asa sahanina ao an-tokan-tranon’ny tsirairay. Maro ny faly tamin’io noho ny fiheverana fa tsy hisy intsony ny firotorotoana hifoha maraina hanenjika ny sakafo marainan’ny ankizy handeha hianatra sy ny raharaha ao an-tokantrano. Ny ora iasana kosa anefa tsy miova satria raha vao miova io dia mety tsy ho tafatsangana amin’ity (...)
  • Antoko miala aina

    lundi 21 mai 2007 | Naivo kely |  129 visites
    Anjakan'ny zarazarao hanjakana tanteraka ny antoko Arema ankehitriny, ka ireo misora-tena ho mpitarika ankehitriny, no zary mamafy ny poizina hahafaty ity antoko nanana ny lazany tany aloha ity. Nankalazaina ny faha 31 taonan’ ny antoko ny sabotsy lasa teo, ka ny iray teny amin'ny foibeny eny Soanieranana no nankalaizana azy, ary ny ankilany kosa tetsy amin'ny akany « Lovasoa » 67ha no natao. Ny hevitra dia saika nitovitovy, izay mitaky ny amoahana ireo mpanao politika nogadraina tsy misy (...)
  • Minia mikipy

    samedi 19 mai 2007 | Naivo kely |  159 visites
    Mitsimbadika ny rasa, tsy ho ela intsony ny atao fakan-tahaka sy filamatra. Izany angaha no « mondialisation », ka izay mitaredretra dia eo ny tranony. I Frantsa nanjanaka, fatao ohatra nandritra ny taona maro no indro manao « révolution » amin'izao fotoana ho fanatsarana ny rafi-pitantanana any aminy. Any Frantsa, vao fantatra ny vokatra mbola tsy ofisialy, niarahaba ny mpandresy ny resy. Eto amintsika, toherina hatrany ny vokatra ofisialy. Any Frantsa, misy hatrany ny fifamidram-pahefana. (...)
  • Manjavozavo

    vendredi 18 mai 2007 | Naivo kely |  137 visites
    Vita iny ny fanitsiana ny lalàm-panorenana ka ny antsasaky ny Malagasy rehetra no nandany azy, raha ny vokatra navoakan'ny HCC no jerena. Maika ihany koa ny fampandrosoana ka mila mametraka rafitra maty paika mifanahaka amin'ny lalàm-panorenana ny fanjakana mba ahafahana manatanteraka izany. Mandeha ny ora sy ny fotoana toa mbola ny lalàm-panorenana teo aloha ihany no manjaka, raha tsy hilaza ny mbola hipetrahan'ny PDS amin'ny toerany. Ny daty hanaovana ny fifidianana isan'ambaratongany (...)
  • Tsy matotra

    mercredi 16 mai 2007 | Naivo kely |  158 visites
    Gaga ihany ny rehetra raha nahita ny birao eo anivon’ny FFKM nandray ny antoko mpanohitra omaly teny Ivohipiraisana Ambohijatovo ambony omaly ; fa nankaiza no tsy hita nandray azy ireo ny filoham-piangonana efatra mirahalahy mpitarika ity fikambanana ity. Raharaha goavana tahaka izao mitranga eto amin’ny firenena izao ve dia mbola solontena tsy mahatapaka ahitra no alefa hiara midinika ? Io no fanontaniana napetraky ny rehetra raha nahita ireto pasitera sy mompera nandray ny mpanohitra. (...)
  • Milamina anaty korontana

    lundi 14 mai 2007 | Naivo kely |  154 visites
    Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka tokoa ny rehetra ka ny mpitazana sisa no mitsara na marina ilay fiarovan-tena na tsia. Eo amin'ny manam-pahefana maro isan-karazany eto amintsika sy ny mpanohitra no tiana hambara, izay niainga tamin'ny hetsiky ny mpianatra manerana ny faritra maro, ka nidiran'ny mpanao politika isan-karazany. Velona ny fisamborana, ary tao ny nampidirina am-ponja, ka tsy nasiana fanavahana na olom-boafidy io na mpianatra na ihany koa olon-tsotra manararaotra mandroba (...)
  • Vay tsy vaky

    samedi 12 mai 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Roahina ny frantsay fa ampidirina ny Alemaina, io no maresaka teny ambavan’ny maro omaly raha nahita tamin’ny haino aman-jery fa noroahina hiala ao anatin’ny 48 ora ilay pretra niasa teto nandritra ny 36 taona. Dia ahoana koa hoy ny Katolika manoloana io izay efa hita ihany fa vay tsy vaky eo amin’ny fanjakana sy ity antokom-pivavahana ity, izay hita fa misy fanoherana matetika teo amin’ny roa tonta toy ny kiana momba ny firosoana tamin’ny lalampanorenana farany teo, ary koa nanameloka ny (...)
  • Fa inona marina e ?

    vendredi 11 mai 2007 | RAW |  205 visites
    Voaroaka amin’ny fomba mihaja i môpera Urfer raha tsorina ny resaka. Lazaina fa ara-dalàna ny fandroahana azy. Asa moa fa anjaran’ny mpahay lalàna ny mijery an’izany. Fa ho an’ny olon-tsotra, izay ekena fa tokony hahafantatra ny lalàna, dia tsy rariny izao ary tsy tokony ho amin’izao fotoan-tsarotra izao mihitsy no tokony manangana fahavalo hafa koa ity fitondrana ity. Asa raha matoky tena toa inona ny mpitondra fa mampiahiahy be ihany izy ity. Etsy an-daniny ny fihetsiketsehana etsy sy eroa vokatry (...)
  • Iray tokoa ve isika ?

    jeudi 10 mai 2007 | Naivo kely |  142 visites
    Nandritra ny fanehoan-kevitr’Atoa Herizo Razafimahaleo teo amin’ny fahita lavitra iray eto an-drenivohitra tamin’ity herinandro ity dia « fanimbana ny tantara sy ny saim-bahoaka ny filazana matetika fa iray ihany isika Malagasy ». Naneho ihany koa ity Kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo iny fa ny fanaovana politika teto Madagasikara hatrizay mihitsy no mahatonga ny olona tsy mahafantatra marina ny hevitry ny politika. Rehefa misy ihany koa hoy izy, olona na antokon’olona mila (...)
  • Fitondrana Tetezamita ?

    mercredi 9 mai 2007 | Naivo kely |  423 visites
    Taona 2005, nitaky ny hananganana fitondrana Tetezamita ny fikaonan-doham-pirenena nomanin’ny 3FN tetsy Andoharanofotsy. Very an-javony teny ny fitakiana. Niroso hatrany ny mpitondra, koa dingana roa lehibe izao no vitany tao anatin’ny 4 volana monja. Desambra 2006, vita ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Aprily 2007, vita ny fitsapan-kevi-bahoaka hoentina nanovana andininy maro teo amin’ny lalam-panorenana. 28 andro tao aorian’io, lany tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 75% ny vato (...)
  • Semban-drahona !

    mardi 8 mai 2007 | Naivo kely |  162 visites
    Lany tamin'ny 53% ny vato manan-kery ho filoha frantsay mandritra ny 5 taona, Atoa Nicolas Sarkozy izay kandidan'ny antoko ankavanana UMP. Vao nivoaka ny isam-bato voalohany tamin'ny 8 ora alina (ora any Frantsa) dia tsy niandry ela akory Rtoa Ségolène Royal, kandidan'ny antoko sosialista, hery ankavia, niarahaba ny vahoaka frantsay sy ny mpifaninana taminy. Midika tsotra izany fa nanaiky ny voka-pifidianana avy hatrany ny tenany. Nanjaka ny demokrasia. Seho efa mety mahazatra izany any (...)
  • Ampiharo ny lalàna

    lundi 7 mai 2007 | Naivo kely |  259 visites
    Vita iny ny fitsapan-kevi-bahoaka, izay nambara fa lany tamin'ny isam-bato mavesatra raha mitaha amin'ny TSIA mpifaninana amin'ny ENY. Raha vao mivoaka amin'ny haino aman-jery izy ity dia manan-kery avy hatrany fa tsy miandry izay avoakan'ny gazetim-panjakana toy ny mahazatra hatramin'izay. Hatreto anefa dia toa misy ny azo hampiharina miaraka amin’ny vava sy ny tsy azo atao. Isan'io hoy ny mpanohitra ny fisamborana ireo depiote tsy ao anatin'ny fotoam-pivoriana toy ny tany Toliary ka (...)
  • Aiza ny FFKM ?

    samedi 5 mai 2007 | Naivo kely |  271 visites
    Io no fanontaniana mipetraka ao ambavan’ny maro raha mahita ny hetsiky ny vahoaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara, satria toa tsy misy ray aman-dreny mpiahy intsony ny mety ho fisaraham-bazana eo amin’ny samy Malagasy. Ny poizina handripaka ny mpiray tanindrazana no efa manomboka miparitaka, dia io adim-poko io nefa na manao izay ho afany aza ny mpitondra fanjakana izay ray aman-dreny mpiahy ny Malagasy tsy ankanavaka, dia io hiarahana mahita io ny vokany. Manomboka miakatra any (...)
  • 1995 - 1996 - 1997 no tena nisy ny fahalalahana

    vendredi 4 mai 2007 | Naivo kely |  219 visites
    17 taona tokoa izay, no nankalazaina ny andron’ny 3 may, andro iraisam-pirenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eran-tany, ary tsy vao ela isika eto Madagasikara no nanamarika izany indrindra moa ireo mpanao gazety Zokiolona, izay mihetsiketsika fatratra tokoa manao izay ho afany amin’izany fankalazana izany manaitra ihany koa ny tompon’andraiki-panjakana amin’ny fahitan’izy ireo ny fihemoran’iny fahalalahan’ny mpanao gazety Malagasy. Nandritra ny fankalazana omaly tetsy amin’ny (...)
  • Mipoitra ny nafenina

    jeudi 3 mai 2007 | Naivo kely |  204 visites
    Raha tsorina dia ny resaka JIRAMA no fototr’olana eo amin’ireo fihetsiketsehana tarihin’ny mpianatra any amin’ny renivohi-paritra vitsivitsy eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Efa nanambara moa ny tompon’andraiki-panjakana efa an-taona maro fa sarotra tokoa ny nanarina ity orin’asa JIRAMA ity vokatry ny atan-drevaka nandritra ny taona maro tamin’ny fitantanana ity orinasa ity. Ekena tokoa izany saingy tokony hasongadina ny fahaiza-manao ankehitriny eo amin’ireo mpitondra fanjakana fa voafehy (...)
  • Very fihinanana

    mercredi 2 mai 2007 | Naivo kely |  243 visites
    Nahavariana ny maro ny nahita ireto depiote avy amin'ny lafy valon'ny Nosy tonga maro be teny Tsimbazaza omaly niatrika ny fotoam-pivoriana voalohany tamin'ity taona ity. Nahagaga hoy izahay satria toerana babangoana hatrany no hita hatramin'izay nandritra ny fotoam-pivoriana tao an-dapa, ka velona ny fanontaniana hoe fa nisy inona no namaly ny antso avokoa ny rehetra ? Tsotra ny valiny, satria ity no fotoana farany hiakaran'ireo depiote ao amin'io lapa io, noho ny fahataperan'ny fotoana (...)

0 | ... | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | 420 | 440 | 460 | 480 | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS