Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h47
 

Teny zato, kabary arivo

Manjavozavo

vendredi 18 mai 2007 |  137 visites  | Naivo kely

Vita iny ny fanitsiana ny lalàm-panorenana ka ny antsasaky ny Malagasy rehetra no nandany azy, raha ny vokatra navoakan’ny HCC no jerena. Maika ihany koa ny fampandrosoana ka mila mametraka rafitra maty paika mifanahaka amin’ny lalàm-panorenana ny fanjakana mba ahafahana manatanteraka izany.

Mandeha ny ora sy ny fotoana toa mbola ny lalàm-panorenana teo aloha ihany no manjaka, raha tsy hilaza ny mbola hipetrahan’ny PDS amin’ny toerany. Ny daty hanaovana ny fifidianana isan’ambaratongany ihany koa tsy mbola fantatra mazava, satria iarahana mahalala fa loholona efa lany daty no mbola miasa etsy Anosikely hatramin’izao. Ny filan-kevitry ny minisitra no manapaka io, saingy toa ny fanambazana volabe ho an’izay mahasambotra an’i Pety indray no nivoaka mialoha. Manjavozavo hatrany ireo daty iatrehan-tsika ny fifidianana, ary na ny fanovana ny lalàm-pifidianana izay takian’ny maro, toa tsy misy resaka kanefa na ny vondrona Eropeanina aza nitaky ny hanovana io. Koa raha izao no mitranga inona fotsiny no nihazakazahana nanao ny fanovana ny lalàm-panorenana ? Toa mbola ilay lalàm-panorenana teo aloha ihany no miasa, sa ny taloha sarotra afohy, ary ny vaovao mampikavihavia ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS