Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 23h06
 

Teny zato, kabary arivo

Hafa ny anio sy ny omaly

mardi 22 mai 2007 |  161 visites  | Naivo kely

Dia tapaka tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly fa novaina tao anatin’ny fotoana fohy ny ora hiasan’ny mpiasam-panjakana izay heverina fa hampitombo bebe kokoa ny asa sahanina ao an-tokan-tranon’ny tsirairay. Maro ny faly tamin’io noho ny fiheverana fa tsy hisy intsony ny firotorotoana hifoha maraina hanenjika ny sakafo marainan’ny ankizy handeha hianatra sy ny raharaha ao an-tokantrano. Ny ora iasana kosa anefa tsy miova satria raha vao miova io dia mety tsy ho tafatsangana amin’ity dimy taona manaraka ity ny rindrina sy ny tafo.

Fa ny saina tia karokaroka hono dia mamosavy tena hoe fandaharam-potoana tafiditra tao anatin’ny MAP ve ny toy izao, sa tetik’asa sendra niserana raha nandalo firenena matanjaka ka mila hampiharina aty amin’ny tany andàlam-pandrosoana ? Teo aloha mantsy dia nisy mihitsy ny fepetra amin’ny fandraisana ny lisitry ny mpiasa tsy tonga amin’ny valo ora, saingy hay azo atao tampoka indray ny manemotra ny ora iasan’ny mpiasa Malagasy. Tsy izay ve no ilaina ilay progaman’asa maty paika mba hialana amin’ity handrakandrana lava ity, toy ny natao tamin’ny « detaxation » ? Mpitondra mahay anefa no eto ka mino isika fa tsy arakaraky ny voasoratra ny aingam-panahy tonga ao an-tsain’ny mpanapaka. Hafa tokoa ny anio sy ny omaly amin’ny fitondrana ny fiainam-pirenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS