Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 23h06
 

Teny zato, kabary arivo

Vakansy hafahafa

samedi 26 mai 2007 |  143 visites  | Naivo kely

Tsy vitan’ny fampihavanana tao anatin’ny famonoana omby intsony ny raharaha eo amin’ny olan’ny mpianatra amin’ny oniversite any amin’ny faritany, ka zary nandao ny toerana fandratoany fahaizana avokoa ny rehetra. Zary maka endrika tanàna haolo ny oniversite ao Fianarantsoa, Toliara ary Antsiranana. Mandry tsy lavo loha ireo hafa mbola ahitana mpianatra mianatra, ary ireo sisa tavela toy ny tao Fianarantsoa aza andro vitsy monja izay dia lasa nandao ny fianarany nody ny zanaky ny faritra Atsimo-andrefana. Ho taona fotsy sa ahoana ity taom-pianarana ity ? Fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ny maro io, sa kosa efa efa tafiditra ao anatin’ny fialan-tsasatra ny mpianatra ? Raha izay tokoa dia azo adika ho vakansy hafahafa no mitranga eto, ary azo antoka fa faty antoka ho an’ny mpianatra sy ny fanjakana ny tahaka izao. Toa tsy voavahan’ny tompon’andraikitra isan-jokajiny any amin’ny faritany ny olana, ka ny tahaka izao angamba no tena hitsarana ny rehetra amin’ny fahaizana mamono afo, fa tsy sanatria ho lany andro amin’ny resa-be ambony latabatra fotsiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS