Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 20h25
 

Teny zato, kabary arivo

Minia mikipy

samedi 19 mai 2007 |  159 visites  | Naivo kely

Mitsimbadika ny rasa, tsy ho ela intsony ny atao fakan-tahaka sy filamatra. Izany angaha no « mondialisation », ka izay mitaredretra dia eo ny tranony. I Frantsa nanjanaka, fatao ohatra nandritra ny taona maro no indro manao « révolution » amin’izao fotoana ho fanatsarana ny rafi-pitantanana any aminy.

Any Frantsa, vao fantatra ny vokatra mbola tsy ofisialy, niarahaba ny mpandresy ny resy. Eto amintsika, toherina hatrany ny vokatra ofisialy. Any Frantsa, misy hatrany ny fifamidram-pahefana. Eto amintsika, mbola tsy tsaroako hoe : oviana no nisy izany. Any Frantsa, ahena ny isan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Eto amintsika, toa mitombo (ho 22 araka ny filaza) ary mbola asiana minisitra lefitra. Any Frantsa, vita ny fifidianana ka miara-miasa ao anaty governemanta ny mpifanandrina omaly. Tsapa ny fivelarana sy fisokafana. Eto amintsika, toa valifaty sy fifanenjehana vokatry ny halako bika tsy tiako tarehy no hita sy nampiarina hatrizay. Fifanenjehina no misy. Any Frantsa, fanarenana ny lesoka no hihazakazahan’ireo antoko tsy nahomby aorian’ny fifidianana. Eto amintsika, fahanginana sy faharavan’ny antoko tsy nahomby no mahazatra. Any Frantsa, fifampidinihana no hamahana ny olana ara-tsosialy. Eto amintsika, herisetra, fandrobana, fisamborana no fahita raha misy tsy fitovian-kevitra. Any Frantsa, misy ny olana sosialy sy ekonomika. Eto amintsika misy ny olana sosialy sy ekonomika. Any Frantsa, na misy aza, ny olana manjaka ny demokrasia ho fitadiavana vahaolana. Eto amintsika, aok’izay… !! Fa hay moa tsy fakan-tahaka i Frantsa, fa samy manana ny paika politikany ny firenena tsirairay satria samy manana ny fahaleovantenany.

Tsy mpamatsy vola mandidy no ilaina fa mpiara-miombon’antoka hoy isika izay, koa raha tiana ny hahamaro ireo mpiara-miombon’antoka tsy tsara ny minia mikipy manoloana ny fivoaran’ny tantara. Hafa ny omaly, tsy ho toy ny ampitso. Sahia manova toe-tsaina e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS