Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 14 juillet 2026
Antananarivo | 13h47
 

Répondre à un commentaire

14 juillet à 12:31 | Vohitra (#7654)

Mbola mitohy sy mifanjohy hatrany amin’ny sosonkevitra efa natsidika mikasika ny fikaonan-dohampirenena tamin’ny 28 jona 2026 teto amin’ny Madagascar Tribune...

Ny Fokonolona no tena kitro hifaharana sy fototra ho an’ny fanorenana ifotony ny Firenena Malagasy. Ary heverina fa ny Fokonolona no vondrombahoaka fitsinjarampahefana ifotony antoka amin’ny fivoarana sy ny fandrosoana.

Eny anivon’ny Fokonolona no tokony manomboka ny fikaonan-dohampirenena.

Avy eo anivon’ny Fokonolona no miainga ny hevitra fanorenana rehetra.

Avy eo amin’ny Fokonolona no miampita mankeo amin’ny Kaominina, ary ny hevitra voavory sy voavolavola isaky ny Kaominina no havondrona eo anivon’ny Faritra tsirairay.

Ny tambankevitra sy fonjankevitra mirindra isamparitra no harafitra sy havoitra amin’ny fikaonan-dohampirenena.

Eny anivon’ny Fokonolona misy ny tsirairay isambatanolona izany no tena miainga ny fikaonan-dohampirenena...

Ny solontena eny anivon’ny Fokonolona no mitondra ny volavolankevitra mankeo amin’ny Kaominina...

Ary ny solontena isaky ny Kaominina no mitondra ny hevitra mankeo anivon’ny Faritra tsirairay.

Ary ny solontena isamparitra no mamonjy manatrika ny fikaonan-dohampirenena farany handrafetana ho lalampanorenana ny fanovana rafitra eto amin’ny Firenena.

Ary ny FFKM no efa nekena ho mpandrindra sy mpitarika ny fisoloantena rehetra miainga avy eo amin’ny Fokonolona.

Tsy azo ekena ny hevi-petsy sy tetika maizina mety hampiditra olonkafa hilalao ny fikaonan-dohampirenena toy izay nitranga tamin’ny forum national 2010 izay nokarakarain’ny CCC tamin 2010...

Fantatrao moa hoe iza no président an’ity CCC na Comité Consultatif Constitutionnel ity fahizany ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}