Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 21h56
 

Tribune libre

Komity liam-pivoarana manohana ny Tsia (KLMT)

jeudi 21 octobre 2010

Voninahitra sy fifaliana ho anay no mampita aminareo Mpampahalala Vaovao sy ny MALAGASY rehetra ny antony tokony hifidianana ny TSIA amin’ny fifidianana na ny fitsapa-kevi-bahoaka ny 17 novambra 2010 ho avy izao.

Tafatsangana sady efa nitsangana ara-panjakana àry ny Kômity Liam-pivoarana Manohana ny TSIA ( KLMT) nandritra ny fivoriana natao tao Andravoahangy tamin’ny 27 septambra 2010 teo, izay efa nanomboka sahady ny fifampizarana sy ny fanazavana ny maha-famitaham-bahoaka an’io volavolan-dalàm-panorenana teren-ko masaka io.

Koa hohitanareo etsy ambany ny ampahany sahady amin’ireo andininy hita mibaribary na an-kolaka fa famitaham-bahoaka io volavolan-dalàm-panorenana io

Ny taotrano anefa tsy efan’ny irery koa raisinay am-pitiavana sy am-pifaliana ny tolo-kevitrareo, ny fandraisanao anjara amin’ny fanelezana sy ny fampahalalàna ny vahoka Malagasy rehetra na eto an-toerana na any ivelany ny antony ampandaniana ny TSIA, koa izany no antony ifampizarana aminareo izao mailaka izao. Aparitaho àry izany ho fantatry ny vahoaka MALAGASY REHETRA, zarao amin’ny namana rehetra !

Marihina koa fa misy ny fivoriana isan’andro, manomboka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 7 ora hariva ao Andravoahangy ambony ( apetraka etsy ambany ny adiresy mazava), izay anasànay sy iantsoanay ireo namana ho tonga, hitondra ny anjara birikiny sy hanatevina ireo fonjan-kevitra ireo hampandresena ny TSIA.

Misaotra indrindra, Tompoko.

Masina ny Tanindrazana !

Ny Mpandrindra
Kômity Liam-pivoarana Manohana ny TSIA

6, lalana Paul Rafiringa
Andravoahangy Ambony
101 Antananarivo
Tél. 033 12 905 95 - 033 29 293 87 - 034 60 588 62 - 032 40 262 81


Manameloka an’ireo rehetra izay namolavola sy manohana an’io Lalampanorenana io ny Komity Liam-pivoarana Manohana ny TSIA satria :

I. Hevi-dehibe :

Tsy marina ny filazan’ny sasany fa io no hamaha ny fahantran’ny Malagasy na hamaly ny hetahetan’ny Vahoaka Malagasy liam-panovana. Manamarina izany fa maherin’ny 90 isan-jaton’io Lalàmpanorenana feno fitaka io dia mitovy tamin’ny Lalampanorenana nataon’Atoa Ratsiraka sy Atoa Ravalomanana izay samy miaiky isika rehetra fa tsy nitera-bokatsoa ho an’ny firenena mihitsy. Nasiana fanovana amin’ny hevitra tena am-pitaka ny andininy sasantsasany ary vao mainka zava-doza no vokany tahaka ny hohazavaina aminareo etsy amin‘ny lohateny II etsy ambany. Tsy mamaly ny hetahetan’ny vahoaka nitaky fanovana tamin’ny fihetseham-bahoaka andalambe 2009 teny amin’ny Kianjan’ny 13 May manerana an’i Madagasikara io ka hiaraka isika HIFIDY ny TSIA.

II. Ireo fahadisoana lehibe misongadina amin’io Lalampanorenana io :

1. Ny andininy 1  : « Tsy azo amidy na atakalo ny tanim-pirenena. Ny fomba sy fepetra fivarotana sy fampanofana tany ho an’ny vahiny dia voafaritry ny lalàna »

Misy fifanoherana izany ary fitahina ny vahoaka (satria nampiana ilay fepetra ho an’ny vahiny izay tsy nisy tamin’ny Lalampanorenana Ratsiraka 1998 na Ravalomanana 2007) satria ireo namolavola an’io Lalampanorenana io miaraka amin’ny fitondrana dia miomana ny hivarotra Tanindrazana izay tsy azo ekena fa fady amin’ny Malagasy. Noho izany HIFIDY ny TSIA isika rehetra, raha tsy izay dia miomàna fa hamidin’ny ireo izay mihevitra ny hitondra arak’io Lalampanorenana io ny taninareo sy ny tanintsika rehetra.

2. Ny andininy 3 : dia mampiseho ny famerenana ny Faritany izay rafitra nolovaina tamin’ny mpanjana-tany, rafitra nentina nampizarazara antsika Malagasy. Hitantsika fa tamin’ny fihetseham-bahoaka tamin’ny 2002 dia nampiasain’Atoa Ratsiraka izany hampisaraham-bazana ny Malagasy ka natsangany ny Faritany mizaka-tena (Toamasina, Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa sy Toliara) ary nataony ho renivohi-paritany i Toamasina : izany no atao hoe « fisintahana » amin’ny Fanjakana foibe. Zava-doza ho an’ny firenena izany ary heloka bevava ho an’izay mpitondra nanatanteraka an’izany ka tokony ho toherintsika amin’ny herintsika rehetra amin’ny FANDROTSAHANA ny TSIA. Ireo izay momba an’io Lalampanorenana io dia hamerina ny Malagasy ho eo ambanin’ny vahohon’ny mpanjanaka amin’ny endriny vaovao indray. Koa handeha hiaraka HIFIDY ny TSIA isika.

3. Ny andininy 4  : « Ny teny malagasy no tenim-pirenena. Ny teny malagasy sy frantsay no teny ofisialy » : ahitana fifanoherana koa izany dia ny fanehoana ny teny frantsay ho teny ofisialy. Mitovy amin’ny Lalampanorenana 2007 io, nesorina fotsiny ny teny anglisy : efa notoroina hevitra anefa Atoa Ravalomanana tamin’ny 2007 fa ny teny malagasy irery ihany no teny ofisialy, tsy nanontany ny hevitr’ireo manampahaizana koa ny mpamolavola an’ity Lalampanorenana 2010 ity fa manao di-doha mikiry amin’ny hevitra diso : fantaro fa ny 97%-’ny Malagasy dia miteny malagasy rano iray ary tsy miteny frantsay : ny fampidirana ny teny frantsay ho teny ofisialy dia famonoana ny taranaka sy famonoana ny hasin’ny firenena manontolo, tsy ahita tombontsoa amin’izany teny frantsay izany ianareo eny amin’ny faritra iva na ianareo rehetra any ambany ravinkazo manerana an’i Madagasikara, fanimbazimbana ny Fiandrianam-pirenena izany raha ny Fanjakana no terena hiteny frantsay ho an’ny fifandraisany amin’ny samy malagasy. Raha tena hihevitra ny fanovana tian’ny Vahoaka Malagasy dia tokony ho ny teny Malagasy irery ihany no teny ofisialy, tenim-panjakana. Koa andao hiaraka HANAO ny TSIA ho fanoherana an’izany.

4. Ny andininy 19 : « . . . ka ny maha maimaimpoana ny fahasalamana dia avy amin’ny fahafaha-manao ny firaisankinam-pirenena ». Fitahina ny vahoaka fa tsy te ho tompon’andraikitra ny fanjakana izay hampiasa an’io Lalampanorenana io satria tokony ho ambara mazava fa maimaim-poana ny fitsaboana ho an’ny Malagasy ka tsy asiana fepetra. Toherintsika izany amin’ny FANAOVANA TSIA.

5. Ny andininy 23  : « Ny fanjakana dia mandray ho adidy ny fampivoarana ny fanofanana arak’asa  ». Hevitry ny mpamatsy vola ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fanofanana arak’asa. Tsy tenenina ary tsy omena lanja ny fampianarana teknika ao amin’ny Ambaratonga faharoa, tsy tenenina koa ny fampianarana Ambony

6. (Universite sy Sekoly Ambony), tsy homena lanja ny fikarohana eto Madagasikara izay fanoitra ho amin’ny fampandrosoana ny firenena iray tahaka ny voaporofo eran’izao tontolo izao. Fanapotehina ny fanabeazana sy ny ho avin’ny zanaka Malagasy izany rehetra izany. Tsy azo ekena izany. Ry Ray aman-dreny, ry Tanora Malagasy, hiaraka isika hanohitra an’izany fa fanetriben’ny firenena io Lalampanorenana io. HIFIDY ny TSIA isika rehetra.

7. Ny andininy 46 : « Izay olona rehetra milatsaka hofidina ho Filohan’ny Repoblika dia . . . monina eto amin’ny tanin’ny Repoblika enim-bolana farafahakeliny mialohan’ny vaninandro farany ferana amin’ny fametrahana ny filatsahan-kofidina ». Zava-doza ho an’ny firenena io andininy io satria azo avela hilatsaka ho filoham-pirenena ireo vahiny izay mizaka ny zom-pirenena Malagasy ary mipetraka eto Madagasikara enim-bolana fara-fahakeliny mialoha ny fifidianana. Tsy ekena izany fa tokony ho toherintsika hatramin’ny farany. TSIA ihany oah !

8. Ny andininy 56 : « Ny Filankevitra Ambony momba ny fiarovam-pirenena eo ambany fahefan’ny Filohan’ny Repoblika dia miandraikitra indrindra ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny fandrindrana ny asa nankinin’ny Foloalindahy aminy mba hitandroana ny fandriampahalemana eo amin’ny fiaraha-monina ». Io andininy io dia manome alalana ny mpitondra hampiasa ny Foloalindahy atao herim-pamoretana ny vahoaka malagasy rehefa ilainy. Tamin’ny andron’Atoa Ratsiraka sy Atoa Ravalomanana dia pvoasoratra tao amin’ny Lalampanorenana aza. Amin’ity Lalampanorenana ity dia tsara ho fantantsika fa afaka mampiasa ny foloalindahy hatao herim-pamoretana izany ny Fitondram-panjakana ka ho afaka mamono antsika raha ilainy. Tsy ekena izany, tsy maintsy toherintsika miaraka amin’ny FANDROTSAHANA ny TSIA.

8. Ny andininy 107 : « Ny Filohan’ny Repoblika no miantoka ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Amin’izany dia ampian’ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara izay izy no Filohany ». Mampiahiahy ny ahazoana ny fahaleovantenan’ny fitsarana raha ny Filohan’ny Repoblika no Filohan’ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara, fantatra ireo kolikoly goavana tao amin’io tontolo io teto amin’ny firenena. Tsy ankasitrahana izany ka ndao hotoherina, ndao HIFIDY ny TSIA.

9 Ny andininy 131 sy 133 : « Momba ny Fitsarana Avo  ». Misy sarangan’olona 2 tsy mitovy eto Madagasikara manoloana ny fitsaràna : ny Filohan’ny Repoblika, Filohan’ny Antenimiera, ny Praiministra, ny mpikambana hafa ao amin’ny Governemanta ary ny Filohan’nyFitsarana Avo momba ny Lalampanorenana dia tsaraina mitokana ao amin’io Fitsarana Avo io, ny sarambaben’ny vahoaka malagasy dia tsaraina amin’nyFitsarana tsotra na Fitsarana Ady heloka. Loharanon’ny « Tsy maty manota » teto amin’ity firenena ity izany Fitsarana Avo fanahiniana tsy atsangana izany : tsy ekena izany fa tokony hotsaraina mitovy ny mponina malagasy rehetra, ny heloka no tsaraina fa tsy ny andraikitra maha lehibe na maha kely no tsaraina. Sahia mijoro isika hanohitra an’izany ary HIFIDY ny TSIA.

10. Ny andininy 143 : « Ny Kaominina, ny Faritra ary ny Faritany no Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana eto amin’ny Repoblika ». Efa nolazaina tery aloha fa mifanipaka ny famerenana ny antanan-tohatra misy Faritany fa ny tena fahadisoana lehibe dia ny tsy filazàna ny Fokontany honenan’ny Fokonolona ho Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ; ny tena fitakiana natao teto Madagasikara nanomboka tamin’ny andron’ny fanjanahantany ary nitohy tamin’ny fihetseham-bahoaka rehetra 1971, 1972, 1991, 2002 ary 2009 dia ny tokony hanomezana hasina sy fahefana ny Fokonolona. Tsy ampy ny filazàna eo amin’ny And. 152 ny fanomezana andraikitra ny Fokonolona, tsy voalaza hentitra ny maha Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana azy, ary tsy azo ekena izany. Taomina àry isika Fokonolona rehetra eran’ny Nosy hitsipaka io Lalampanorenana io ary HANDATSAKA ny vato TSIA.

Mahereza àry, sahia ry Vahoaka malagasy manerana ny Nosy maneho ny hevitrao ka raha hitanao ny maha marim-pototra ireo fitakiana nataonao na efa nataon’ireo zoky sy ray aman-dreny teo aloha nefa tsy tanteraka dia aza misalasala :

Sahia isika MIFIDY ny TSIA.

Masina ny Tanindrazana

4 commentaires

Vos commentaires

  • 21 octobre 2010 à 12:14 | RAVELO (#802)

    Raha bangoina ny « argument »-ny KLMT dia tsy manisy valera an’io constitution io ry zareo ;itovizana amin’ny rehetra manan-tsaina iny.

    Mahafantatra tsara koa angamba ny KLMT fa ny « eny » no handresy betsaka raha hisy io fifidianana io.

    Izany hoe,mankasitraka ny mpikarakara io fifidianana io izany ny KMLT matoa manaiky izany.

    Ny ahiahiko izany dia izao:sao dia manohana ambadika ny FAT ihany hianareo ireo amin’ny fifidianana « tsia » ,satria mba hevero ange ity vinavina ity e !
    - ny « eny » moa efa fantatra fa handresy betsaka
    - tsy nisy nifidy « tsia »

    Dia mba ahoana no paozin’ny FAT mianakavy ?

    Amiko dia ny fifidianana na « tsia » na « abstention » dia filazana ho fanohanana ny FAT.

    TSY TOKONY HISY HIFIDY NY MALAGASY

  • 21 octobre 2010 à 14:20 | ludo (#2633)

    Fa iza na fikambanana inona no momba an’izany KLMT ?tsisy mpanao sonia .

  • 21 octobre 2010 à 14:24 | sissi (#3685)

    Fa iza marina no ambadik’io KLMT io afa tsa ry Otrikafo sy ny forongony ihany e. Satria oaina be raha toa ka tsy misy komitinny TSIA fa ireo ENY ihany no mitonatonana samy irery. Sissi

  • 22 octobre 2010 à 10:33 | Basile RAMAHEFARISOA (#417)

    Un certain Monsieur RAJAONA ANDRIANJAKA du KLMT dit :

    « En cas de victoire du NON, »ils« prendront la direction du Pays ».

    Bravo !!!

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS