Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 19h26
 

Répondre à un commentaire

30 juillet 2020 à 09:05 | lysnorine (#9752)

Re arsonist 29 juillet 21h 39, 22h 28 & 22h 30 répond à lysnorine
« ny anton-dian’ny Jeneraly de Gaulle tany Brazza-ville sy ilay kabary nataony tany tamin’izany »
« .Inona ary no takalo nampantenain’ny Jeneraly de Gaulle ho an’ireo zana-tany tamin’izany kabary nataony tany Brazza-ville izany ?
« « Le discours de Brazza-ville » no fiantson’ny namana Afrikana io kabary io . »

Kabary oviana moa izy io ? Inona no antony ? Teo anatrehan’iza ?
Ny antony mahatonga anay mangataka ny antsipiriany manko dia nisy kabarin’ny prezidà teo aloha Rajaonarimampianina tao amin’ny Akademia Malagasy tamin’ny fanokafana « Colloque Scientifique International » nitondra ny loha hevitra hoe « 1947-2017 : LXXème Anniversaire du 29 Mars 1947-Pour l’État Malgache : Libre et Indépendant nanisy teny kely toy izao momba ny « Conférence de Brazzaville » (tsy misy daty) :

1. « L’aspiration à l’indépendance pour avoir un État Malagasy digne de ce nom n’a jamais été aussi forte qu’à cette époque de sortie de la deuxième guerre mondiale. Les PROTAGONISTES, et particulièrement les partis politiques, s’étaient accordés sur le thème général de l’indépendance . »
Tsara ho marihina aloha eto fa
. i) Tsy fantany angamba fa taorianan’ny 19 Mey 1929 dia ny FIVERENAN’NY NAHA-FANJAKANA MAHALEO TENA an’i Madagasikara nanana ny fiandrianany - fa tsy hoe izany fahaleovantena izany fotsiny - no tarigetran’ireo mpanohitra ny FANANDEVOZANA ara-panjanahan-tany fampiharin’i Frantsa teto Madagasikara sy tany amin’ny zanataniny hafa koa. Zahao ny voalazanay ao amin’ny « lysnorine 21 juillet 2020 à 09:04 », « Re Shalom 20 juillet à 22:09, « Quelques remarques d’ordre historique » » ao amin’ny « 5 491 cas à Analamanga, 19 régions touchées » https://www.madagascar-tribune.com/5-491-cas-a-Analamanga-19-regions-touchees.html]

. ii) Tsy nisy izany antoko pôlitika malagasy izany tamin’io fotoana resahiny io. Ny hany antoko pôlitika niasa teto dia SAMPAN’’ny antoko pôlitika frantsay tany an-dafy nitsangana araka ny Lalàna frantsay mifehy ny fikambanana na ny « Loi du 1er juillet 1901 sur les associations » na koa « Loi Waldeck-Rousseau ». Tsy nampiharina tany amin’ny zanatan’i Frantsa io lalàna io raha tsy noho ny fitakian’ny depiote avy any amin’ny zanatany tamin’ny « 1ère Constituante » (Nôvambra 1945-Aprily 1946) :
« Décret n°46-432 du 13 mars 1946 rendant applicables à l’Afrique Equatoriale française, à l’Afrique Occidentale trançaise, à Madagascar et Dépendances, à la Côte française des Somalis, aux Etablissements français de l’Inde et de l’Océanie, à la Guyane, à la Nouvelle-Calédonie et Dépendances, au Togo et au Cameroun, les titres Ier et II de la loi du 1er juillet 1901. » izay nampahalalaka ny fananganana fikambanana tahaka ny antoko pôlitika izany. Didin’ny gôverinôra jeneraly vonjy maika tamin’ny 12 APRILY 1946 no nampan-kery io décret io teto Madagasikara : Arrêté du gouverneur général p.i. de Madagascar (Robert Boudry, communiste) en date du 12 avril 1946 promulguant le décret n° 46-432 du 13 mars 1946 (Journal Officiel de Madagascar et Dépendances du 20 Avril 1946).
Ny tianay hisongadina eto dia tsy marina velively ny haverimberin’ny Malagasy mpanoratra tantara fa tamin’ny Janoary 1946, hono, no niorina ny P.D.M. na ny Parti Démocratique Malgache, antokon’ny pasitera Ravelojaona sy Razafindralambo Gabriel, directeran’ny gazety Fandrosoam-baovao, izany hoe talohan’ny M.D.R.M. Ny M.D.R.M. dia tamin’ny 13 (telo ambin’ny folo) Febroary 1946 no naorin’ny depiote Ravoahangy sy Raseta tany Paris, tao amin’ny trano fonenany tao Neuilly, notronin’ny « gasin’an-dafy » nanolo-tena ny hanampy azy, araka ilay lalàna tamin’ny 1 Jolay 1901, koa avy hatrany dia afaka nitsangana ny SAMPANY teto Madagasikara, dia ny kômity nampandany azy tamin’ny fifidianana tamin’ny Nôvambra 1945 eran’i Madagasikara no nasainy nanetsiketsika izany. Tsy mazava koa iza avy no tian’Ingahy Rajaonarimampianina tondroina amin’ny hoe « protagonistes » mitady fahaleovantena

2. « Les MILITANTS se référaient d’une part à la promesse du général De Gaulle lors de CONFÉRENCE DE BRAZZAVILLE d’accorder leur indépendance aux colonies qui l’aideraient à gagner la 2ème Guerre Mondiale ».. Tsy voatonona mazava ihany eto hoe OVIANA izany kabary izany ? Inona no antony ? Teo anatrehan’iza ?

Rehefa miresaka hoe « Conférence de Brazzaville » manko dia ilay fivoriana tamin’ny 30 Janoary ka hatramin’ny 8 Febroary 1944 niantsoan’ny jeneraly de Gaulle, « président du Comité de la Libération Nationale » ny gôverinôra jeneraly tamin’ny zanatany frantsay tsy teo am-pelatanan’ny governemantan’ny marosaly PÉTAIN tany Vichy intsony. Handinika izay mety hanamboarana ny firafitry ny FANJAKANA FANJANAHAN’i Frantsa na ny « EMPIRE FRANÇAIS » no antony ary mazava ho azy fa tsy nisy hoe solontenan’ny mponina voazanaka na iray aza nasaina nanatrika izany. Ny kabary nanokafan’ny jeneraly de Gaulle ny fivoriana tamin’ny 30 Janoary 1944 no tenenina matetika ny amin’izany ary TSY MISY RESAKA IZANY HOE FAHALEOVANTENA HO AN’NY ZANATANIN’IFRANTSA MIHITSY IZANY NA TAPIKANY AZA AO ANATINY. Ny hanamafisana ny fanjakazakan’i Frantsa sy ny fiandrianany amin’ny zanataniny no voatoatiny fa dia tafiana akanjo vaovao fotsiny , ka anisan’izany ny mba ahazoany mifidy solontena vitsivitsy ho any amin’ny Antenimieram-pirenena any Frantsa eo ankilan’ny depioten’ny colonialistes.

(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS