Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Un jour férié en réponse à la psychose - Zanamachin les hommes de sa famille se sont jamais battus pour la liberté (…)
canal baobab 13 - Un jour férié en réponse à la psychose - Let’s just agree to disagree
No big deal
spliff - Un jour férié en réponse à la psychose - Ils réfutent les termes « ... philes », « ...phobes », trop réducteur, il (…)
zanadralambo - Disparitions : 30 dossiers devant la justice, 20 autres toujours en enquête - Personnellement aucune idée Bekily, et j’espère mon hypothèse totalement (…)
spliff - Le patriotisme se porte-t-il ? - Bonsoir Vohitra,
Vous soulignez une similitude entre Monseigneur et le « (…)
kartell
{#URL_PAGE{archives}}





Tsiahy ny lasa...
Samy mbola mahatsiaro angamba isika ny raharaha « Remenabila », izay tsy fantatra mihintsy mandraky ny androany hoe « iza » tokoa moa izy, ary « taiza » no tena nanaovany ny asa ratsy vitany sy ny toerana fonenany...
Toy izay ihany koa, vao vita ny tetezamihitatra 2009-2013, dia nitranga ny resaka « bois rond », maty misy namono ilay olona nefa ny vola sy finday dia tsy very fa ratra no hita eo amin’ny faty...
Ny tiana asiana tsindrimpeo eto dia izao :
Matetika ny tranga sy raharaha miteraka savorovoro ao anaty fiarahamonina ary mitondra ahiahy maro sy tebiteby lalina dia tsy misy fanazavana mahafapo sy tsy misy vokatry ny fanadihadiana mazava, ary toa lasa vitavita ho azy eny saron’ny fotoana eny fotsiny...
Toy izany koa ny resaka « vaky fasana » miaro « halatra taolambalo ».
Dia mandeha daholo ny resabe etsy sy eroa, ao ny mitanisa ny resaka misy ambadika politika, ao ny manambara resaka « sorona » amin’ny fitrandrahana harena...
Fa nahoana ary no efa 90 mahery no olona nisy naka ankeriny tao anaty fotoana fohy, ny hita dia lasa very saina na maty mitondra ratra, 47 eo ho eo no mbola tsy hita, ary misy manjavona Isanandro, dia tsy misy vokatry ny fanadihadiana mihintsy ve hatreto ?
Diniho ary ny tantara avy amin’ny lasa...
Ny fitondrana misy rà latsaka tsy misy fanazavana marimpototra dia tena ratsy fiafarana avokoa sy misedra fotoantsarotra tanteraka amin’ny vanimpotoana hialana...
Hitranga ve ny famantarana nomena ny Ombalahibemaso fony izy nitaratra tandindona sy dindo amin’ny rano fahiny ka hitranga ny nambaran’ Andriamandrosoanio an’i Nampoina ?