Articles écrits par « Naivo kely »
-
Hen’omby
Voafehy ny fijerena ifotony ny aretin’omby. Fanambaran’ny minisitera ny faran’ny herinandro teo io. Nisy araky izany ny toro-marika isan-karazany izay natao hiarovana ny omby Malagasy.
Heno ihany koa fa hanondrana ity hena ity any ivelany isika.
Ny tsapa anefa, dia manomboka mandositra ny fihinanan-kena ny maro. Raha nanao fanadihadiana tamin’ireo mpivaron-kena izahay, dia saika any amin’ny hena kisoa no hifandrombahana. Ny vidin’ireo hena omby sy kisoa rahateo tsy dia mifanalavitra, (…)
-
Fivorian’ny mpanohitra
Tsy maintsy tratra ny tanjona. Io ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin’ny fivorian’ny mpanohitra farany teo. Ny rafitra tetezamita no tian’izy ireo hajoro. Anio dia fantatra fa mbola hitohy ny fihaonana, ary miha-henjana ny fitakiana. Fantatra fa ny antoko tsirairay izay mivondrona ao amin’ny fanoherana, dia hamoaka fanambarana tsirairay, ary hisy ny atambatra avy eo ny fitakiana itambaram-be. Heno ihany koa fa misy mangataka an’ingahy Rajemison Rakotomaharo hitarika io rafitra io. (…)
-
Mariboninahitra
Maty vao Ramalala. Tsy izay intsony no tanjona eo amin’ny sehatry ny zava-kanto, fa tsy maintsy omena voninahitra ny velona. Mpanakanto 23 mianadahy no notolorana mariboninahitra tetsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahantena ny zoma lasa teo. Isan’ny nosalorana izany voninahitra izany i Salomon ao amin’ny « Kintana telo », nahazo ny laharam-boninahitry ny « Grand Officier », sy Lisiarimanana mpanao majika.
Ny mpaka sary sy ny mpitendry ary ny mpihira no nahazo izao (…)
-
Misokatra ny varavarana. Feo efa fandre hatry ny ela io. Mbola naverin’ny filoha Ravalomanana io nandritra ny fotoam-pivavahana natao tetsy Analakely ny sabotsy lasa teo. Fankalazana ny datin’ny 29 Martsa io.
Raha misokatra ny varavarana, dia midika io fa tsy misy tokony ahilika eo amin’ny asa fanarenana an’i Madagasikara. Misy tsiahy tiana hapetraka anefa momba ireo olona heverina fa tokony hifanome tànana amin’izao asa fampandrosoana tiana hapetraka izao. Toa iniana nampanginina tanteraka (…)
-
Fitantanana ny renivohitra
Henjana ny raharaha eto an-drenivohitra. «Tsy handefitra manana ny rariny aho», hoy i Andry Rajoelina, mpitarika ny TGV, manoloana ny fanendrena sefom-pokontany ho ataon'ny « Préfet de Police ».
« Tsy afaka mibaiko ireto sefom-pokontany ireto intsony aho, satria olon'antoko izy ireo, ary fantatra fa nanohana kandida nandritra ny fifidianana ben'ny tanàna farany teo. Misy vola Ar 400.000 miditra amin'ny fokontany iray, nefa tsy misy miditra any amin'ny kaominina io. Maika ny (…)
-
Mandeha ny fisamborana manamboninahitra. Tsy vao izao fa efa ela, hoy ny mpandinika, ary maro no efa nahiditra am-ponja. Fikenokenonana hanongam-panjakana no fototry ny fisamborana.
Andraikitra lehibe ho an'ny firenena ny fitandroana ny filaminana, indrindra ny maha-iray tsy mivaky ny firenena. Ezaka lehibe heverina fa tsy azo hamaivanina ny fepetra henjana ho an'ireo minia te-handrava ny filaminana eto.
Mipoitra indray ity fanonganam-panjakana ity tao ho ao. Tsy ny mpanao politika (…)
-
Faniriana ny an’ny mpanohitra fa ny lahatra an’ny mpitondra fanjakana. Tsy mitsahatra indray ny fangatahana ny rafitra teteza-mita ataon’ny mpanohitra tao ho ao. Isan’ny mangataka io ny Profesora Zafy Albert sy ny namany.
Handamina ny faritra anatin’ny firenena no tanjona, saingy tsy hangataka toerana velively izahay mpanohitra fa mila rafitra miova. Ny mpanohitra manontolo no mitaky io, ary mbola fitakiana ihany koa ny momba ny fampihavanam-pirenena. Re anefa tao anatin’ny andro vitsy (…)
-
Fidangan’ny kojakoja fanaovan-trano
Tranoben’Antananarivo, izay vita aloha no manenina. Toa mifanohitra amin’io fomba fiteny io indray no hita ankehitriny. Izay nahavitamialoha no mitango hofa-trano.
Ny endriky ny trano no mety miova fa ny hamafiny sy ny fomba nentin-drazana kosa dia vidiana lafo ankehitriny.
Ny ho enti-manana dia miakatra andro aman’alina, nefa ny fahefa-mividin’ny mponina io hiarahana mahita io. Ny biriky iray, dia mananika ny 60 ariary ny iray ny simenitra kosa dia mahatratra 23.500 ariary ny iray. Ny (…)
-
Fifidianana loholona
Tsy misy manaiky ho gisitra eo, sao ny toerana no manefa. Io no tsinjo amin’ny zava-misy hiainana ankehitriny. Tsy mbola manomboka ny fampielezan-kevitra dia efa lasa ny an’ny sasany.
Isan’io ny nanambaran’ny fikambanan’ny ben’ny tanànan’i Marovatana fa hanohana an-dRajemison Rakotomaharo ry zareo. Ny fifidianana mpanolontsaim-paritra amin’io mbola tsy vita.
Mandeha sahady indray ny famoriana ben’ny tanàna ataon’ny minisitra sasany any amin’ny faritry SAVA.
Io dia midika zavatra hafa (…)
-
Mandeha ny fotoana, miandry fiovana ny vahoaka. Vanim-potoana nambara ho taonan'ny asa ity taona 2008 ity. Mihazakazaka toy ny segaondra ny fametrahana ireo rafitra isan-karazany, na io fidiana mivantana, na tendrena ihany koa. Izay mahasoa ataon'ny mpitondra, hoy ny hafa.
Telo volana sahady izay no lasa nandritra ity taona vaovao ity. Toa tsy mbola hita taratra ny fiovana nandrasan'ny vahoaka. Na ilay asa heverina fa tsy maintsy atao aza toa mbola tsy nitsiry.
Ny vidim-pianana (…)
-
Fifidianana loholona
Aleo loholona toy izay mpanolontsaim-paritra. Ho avy tsy ho ela ny fifidianana izay ho loholona eto Madagasikara ka mpividy vaventy no handray anjara amin'io. Ny ben'ny tanàna sy ireo mpanolontsaim-paritra vao lany teo no hanefa izany adidy masina izany, ary io hiarahana mahita io ny isan'ny olon'antoko mandrafitra izany.
Fantatra izao fa tsy vitsy ireo kandida avy amin'ny antoko mpanohitra no hisedra ny safidin'ireo mpifidy vaventy ireto. Isan'io ireo loholona mbola amperin'asa (…)
-
Vita ny fety, afa-boly ny rehetra. Samy niaina tao anatin’ny fety ny vahoaka malagasy rehetra, ary samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay.
Nahavory vahoaka ny fialam-boly rehetra, ary hita fa tena nifaly ny isam-batan’olona. Midika io fa mila miala voly ny rehetra rehefa reraky ny adin-tsaina isan’andro vaky izao. Lany ny vola ho an’ireo nandray vola mialoha, satria ny fety tsy azo atao ambanin-javatra. Ny sakafo ihany koa tsy atao latsa-danja. Vita iny ny fety fa hanao ahoana indray ny (…)
-
Tetezana mitsingevana
Teraka indray ny fanararaotana fa tonga ny fety. Tany Toamasina ny sabotsy lasa teo no nahitana izany teo amin’ny faritra mihazo any Ambodiatafana.
Raha mbola nizotra antsakany sy andavany ny fandehanana ny tetezana mitsingevana io maraina ny Sabotsy, dia potika tampoka izany ny antoandro.
Vokany dia niakatra avo telo heny ny vola nalaina tamin’ireo fiara mandalo eo ambonin’io tetezana io. Ny fiara vaventy sy ny fiara madinika dia saika tratran’io avokoa. Ny miampita lakana ihany koa dia (…)
-
Feno ny vokatra, nioty izay nafafy ny kandida tsirairay. Vita iny ny fifidianana izay ho mpanolontsaim-paritra ary manomboka ny fandraisana andraikitra ho an’itony olom-boafidy itony.
Mety ho mahafaly ny mpitondra ny nandre ny salam-pahavitrian’ny mpifidy, sy ny vato azon’ny antokony, saingy misy afo tsy maty mety handoro ny firenena mila dinihana haingana ao. Ny tarehi-marika mitoetra, fa ny hitan’ny mason’ny vahoaka tsy azo kosehana.
Tsy vitan’ny fandresena tamin’ny latsa-bato ny fiai (…)
-
Tsy vitan’ny fambolena ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Firy taona izay nefa toa mbola izao ihany ny mahazo ny tantsaha malagasy ? Miakatra ny vidin’ny solika, ary hanaraka azy io ny fiakatry ny vidim-piainana.
Manoloana ny tenin’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta milaza fa tokony hilofo amin’ny fambolena isika, mba hialana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, dia gaga ny maro mandre izany. Toa tsy misy salotraina mba hiarovana ny fiainan’ny mponina intsony. Ny saran-dàlana (…)
-
Gisele Rabesahala
« Diso ny filazana fa fanapotehana ny MDRM sy ny tia tanindrazana ny 29 martsa 1947. Nahoana no hiniana disoina ny tantara, ka ahilika tsy hipetraka ho tia ny tanindrazana ireo mpitolona tamin’izany?
Tsy anjarantsika taranaka aty aoriana no mandiso ireo ray aman-dreny namoy ny ainy nandritra izany tolona izany. Ny Fifanampiana malagasy izay tarihiko», hoy ramatoa Gisele Rabesahala, « dia mampatsiahy ny 29 martsa fa andro natokana ahatsiarovana ireo namoy ny ainy nandritra ireny ady (…)
-
Praiminisitra Rabemananjara
Ny vokatry ny latsa-bato 94% no efa azo. Nilamina sy nanjaka ny fahendren’ny vahoaka Malagasy, ary mendrim-piderana izay fahendrena izay.
Io ny fisaorana nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta omaly raha nitatitra tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy izy omaly. Tsy manao tatitra fotsiny ny fanjakana fa hiasa, ary isan’ny tsy maintsy himasoana ny resaka fandriam-pahalemana. Isan’ny fositra lehibe tsy mampahomby ny fampandrosoana io. ny asa anefa tsy maintsy hirosoana. Raha ny momba ny (…)
-
Feno tanteraka ny fahefana eo ampelan-tanan’ny antoko matanjaka dia ny TIM izany. Rakotra azy avokoa ny ambaratongam-pahefana rehetra, eny fa na eny anivon’ny fokontany sy ny fiangonana aza.
Inona intsony ny sakana mbola tsy afahana miroso mametraka ny rafitra hampandeha ny MAP? Miandry ny fifidianana izay ho loholona sisa dia feno ny fepetra rehetra, ary atomboy ny asa isaky ny faritra fa miandry ny vahoaka. Manjaka tokana ny TIM. Resy ny mpanohitra noho ny tsy fahitana azy ireo intsony (…)
-
Niakatra indray e. Ny inona ? Na efa mamokatra solika aza isika tsy maintsy manaraka ny tsena iraisam-pirenena, ny sondro-bidy any amin’ny vahoaka.
Tsy ny fiakaran’ny vidin’ny solika omaly alina no nahataitra ny maro, fa ny mety ho fiantraikany any amin’ny fiainana andavan’andro. Mahatratra 160 ariary ny sondro-bidy hita teo amin’ny lasantsy tsotra sy ny misy firaka, raha 190 ariary kosa teo amin’ny Gas Oil. Ny fiara lehibe mpitatitra olona sy entana no tena niantraikan’ny sondro-bidy (…)
-
Antoko TIM
Afapo tamin’ny vokatra ny TIM. Toerana maro no lasany. Na dia mbola tsy vokatra ofisialy aza no hita, dia efa manana toky ny antoko Tiako I Madagasikara fa hibata ny amboara maro nandritra ny fifidianana farany teo. Omaly hariva dia nihaona tetsy Ankorondrano ireo birao politikan’ny TIM, izay nandinika ny vokatry ny latsa-bato nataon’ny Malagasy ny alahady teo. Nandritra io ihany koa ny nisaoran’ny mpitarika ity antoko ity ny vahoaka Malagasy nanefa ampilaminana ny safidiny. Vita iny ny (…)