Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h17
 

Teny zato, kabary arivo

« Ento miakatra ity solika ity »

mercredi 19 mars 2008 |  514 visites  | Naivo kely

Niakatra indray e. Ny inona ? Na efa mamokatra solika aza isika tsy maintsy manaraka ny tsena iraisam-pirenena, ny sondro-bidy any amin’ny vahoaka.

Tsy ny fiakaran’ny vidin’ny solika omaly alina no nahataitra ny maro, fa ny mety ho fiantraikany any amin’ny fiainana andavan’andro. Mahatratra 160 ariary ny sondro-bidy hita teo amin’ny lasantsy tsotra sy ny misy firaka, raha 190 ariary kosa teo amin’ny Gas Oil. Ny fiara lehibe mpitatitra olona sy entana no tena niantraikan’ny sondro-bidy betsaka tamin’ity indray mitoraka ity. Mazava fa hisy fiantraikany any amin’ny tontolom-piainana isan-tokantrano io.

Mahatratra 110 dolara ny barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, andro maro lasa izay, ary raha ny fantatra dia mbola hisy fiakarany io ny volana jiona izao. Ny volana Janoary 2008 no nahitana fiakarana farany, ary dia io iarahana mahita io indray ny fiakarany omaly.

Manomboka ny fitrandrahana solika eto Madagasikara, izay 65 barila isan’andro aloha hatreto ny vokatra miakatra. Ho ezahina hatratra 100 barila isan’andro io atsy ho atsy.

Afaka mamaha olana eto amin’ny tanàna ve ny fahazoana io solika any Tsimiroro io, sa tsy maintsy ampanarahana ny tsena iraisam-pirenena ny vidiny ? Mino ny rehetra fa tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy, fa hatreto aloha ny rivotra hiainana, dia mbola ilay fomba fiteny hatramin’izay hoe « ento miakatra ity solika ity » no hita.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS