Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Razakarimanana Ferdinand

    Aza laniana andro ny vahoaka

    mardi 18 mars 2008 | Naivo kely |  456 visites
    Apetraho mazava ny tena andraikitry ny fokonolona hampandrosoany ny faritra misy azy. Hatreto dia tsy hita taratra io, ka tsy ho gaga isika raha malaina mifidy ny vahoaka. Aza laniana andro amin'io ny olona fa ny asa mivaingana no handrasan'ny vahoaka. « Mahagaga ihany, hoy ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand no nanafoanana ny faritany mizaka tena, nefa ao anatin'io ny resaka faritra. Fokonolona no fototry ny fampandrosoana, ary ilay fametrahana ny tena (…)
  • Miteny ny hitan’ny maso

    mardi 18 mars 2008 | Naivo kely |  494 visites
    Vita iny ny dingana voalohany amin'ny fametrahana ny faritra tamin'ity taona ity. Nahay naka lesona avokoa ny rehetra, satria hita fototra izao, fa tsy naharesy lahatra ny maro ny dingana natao. Tsy hametraka isika fa ny fametrahana ny faritra no tsy tian'ny olona, fa misy sehatra tokony halalahana bebe kokoa afahan'ny rehetra mifanakalo hevitra ao. Ny antoko nifaninana vitsy, ary nanaraka izany ny tsy dia faharisihan'ny maro, nefa mbola nanjaka tamin'ny faritra maro ny vato fotsy. Tsy (…)
  • Hazakazaka arahin-tosika

    lundi 17 mars 2008 | Naivo kely |  511 visites
    Efa raikitra sahady ny fampielezan-kevitra ho amin'ny toeran'ny antenimieran-doholona. Raha mbola tsy nanomboka akory ny fifidianana ho izay mpanolon-tsaim-paritra omaly, dia ny faran'ny herinandro teo no hita fa miroso amin'ny propagandy izay ho loholona ny mpanao politika sasany. Teny amin'ny trano fanaovana lanonana iray etsy Ambohitradimo no nilazan'ireo ben'ny tanàna mivondrona ao Marovatana fa hanohana an'ingahy Rajemison Rakotomaharo izy ireo ? Fifanohanana tsy maninona, fa angaha (…)
  • Fifidianana

    « Aza terena ny vahoaka », hoy i Moxe

    samedi 15 mars 2008 | Naivo kely |  491 visites
    Hifidy sa hitokona ny vahoaka ? Io fanontaniana io no mampisavoritaka ny maro, indrindra fa ny mpanao politika. Misy ny tahotra eo amin'ny tompon'andraikitra samy hafa raha toa ka vitsy ny manefa ny adidiny rahampitso. Mety hiteraka olana eo amin'ny asany izany, hoy ny mpitazana, satria tsy nahay nandresy lahatra ny mpifidy ny tao amin'ny faritra iadidiany. Ny Teza, tarihan'ingahy Moxe Ramandimbilahatra, dia nanamafy omaly fa zon'ny tsirairay ny mifidy, ary zony feno ho an'ny vahoaka ny tsy (…)
  • Matsilo

    Nalevina ny CRTIM

    samedi 15 mars 2008 | Naivo kely |  521 visites
    «Tonga ny fotoana hivoahanay amin'ny fahanginana. Tsy avelanay handalo ny tantara.» Andro maro izay no tafajoro ny MATSILO, fikambanana izay niainga tao amin'ny CRTIM teo aloha. Niova endrika sy famindra izy ireo ankehitriny, satria tsy nankatoavin'ny ambaratongam-pitondrana tao amin'ny fanjakana ny soson-kevitra nentin'izy ireo. Fanatsarana an'i Madagasikara anefa no notadiavina. « Hiatrika fifidianana isika ankehitriny, zon'ny tsirairay ny hifidy, na tsy hifidy. Ambara ho tany (…)
  • Solika mandoro

    samedi 15 mars 2008 | Naivo kely |  968 visites
    Manankarena ny firenena, roso ny fitrandrahana. Faly sahirana ny maro raha nandre fa manomboka mioty ny vokatry ny fitrandrahana ny solika ao Tsimiroro isika. 46 barila isan’andro no vokatra azo amin’izao fanombohana izao, ary andrasana hananika ny 100 barila isan’andro atsy ho atsy. Sahiran-tsaina ihany anefa ny maro raha mahita ny zava-doza mitranga any amin’ireo firenena mpamokatra azy ity. Hita io toy ny atsy Iran sy Iraka izay nifamono nandritra ny taona maro, ary mbola mizaka ny (…)
  • Tsy mihena fa mitombo

    vendredi 14 mars 2008 | Naivo kely |  549 visites
    Vidian-dafo ny ady amin'ny fahafinaretana. Aretina tsy ahitam-panafana hatramin'izao ny SIDA nefa mbola maro no be andrakandrana. Asa na ny filan'ny nofo no mahery, fa mbola maro ny roboka tsy ampiheverena na dia efa maro aza ny fanentanana natao hiadiana amin'io aretina io. Raha ady no atrehina dia mitobaka ny vola. Isan'io ny ady amin'ny SIDA. Vita ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny firenena matanjaka. Mirohotra miditra antsehatra ny fikambanana isan-karazany. Mipoapoaka ny (…)
  • Fanamparam-pahefana

    Tsindry hazo lena ?

    vendredi 14 mars 2008 | Naivo kely |  564 visites
    Aza manao kely tsy mba mamindro. Endrika iray hisehoan'ny fanaparam-pahefana isaky ny faritra io mandritra izao fampielezan-kevitra izao. Tsy misy izay tsy mitaraina ny kandida isan-karazany manoloana ny fihetsiky ireo olona nomena fahefana amin'ny faritra sasany. Ny kandida eny Avaradrano, dia nanamafy io, izay milaza fa nangataka kianja malalaka hanaovana ny fampilezan-kevitra saingy narirarira hatramin'ny farany, ka naleony nitety isam-baravarana. Ny Tanoran’ Atsimondrano Vonona raha (…)
  • Aoka tsy hihoam-pefy

    jeudi 13 mars 2008 | Naivo kely |  437 visites
    Aoka hiavaka ny vary sy ny tsiparifary. Tsy tokony ho entanim-po isika rehetra manoloana ny fifidianana izay hatrehana ny alahady ho avy izao. Fifidianana izay hitarafana ny fahombiazan'ny mpitantana isan'isany. Samy manao izay ho afany ny rehetra, satria manana andraikitra goavana amin'io ny sehatra maro, izay miainga any amin'ny sefom-pokontany, miakatra any amin'ny ben'ny tanàna, ary tonga hatrany amin'ny lehiben'ny faritra. Aoka tsy hihoam-pefy hoy ny mpitazana, ka mba hiavaka tsara ny (…)
  • Fampielezan-kevitra

    Manomboka liana ny olona

    jeudi 13 mars 2008 | Naivo kely |  307 visites
    Tsy rototra nefa manongilan-tsofina. Io no hita amin'ny fampielezan-kevitra eto amin'ny tanàna. Asa na leon'ny fampanantenana isan-karazany fanaon'ny kandida ny vahoaka no tsy maha-rototra azy manatrika ny propagandy, ka zary mangadihady hatrany ny famoriam-bahoaka ataon'ny kandidà. Ny hita anefa dia liana amin'ny tena andraikitry ny mpanolon-tsaim-paritra ny maro. Hita io amin'ny resaka eny an-tsena rehetra eny. Manomboka mifantoka any amin'ny fifidianana amin'ny alahady ihany koa ny (…)
  • Manjavozavo ny marina

    mercredi 12 mars 2008 | Naivo kely |  575 visites
    Tsy maintsy milamina ny tany. Fanamby goavana napetraky ny tompon'andraikitry ny filaminana io. Misy ny ezaka goavana ataon'izy ireo, ary ireny efa niarahana nahita ireny ny vokatra raha tsy hilaza afa-tsy ny olona mpanao ratsy voasambotra. Ny resaka halatra taolam-paty dia maro ireo efa eo ampelan-tànana'ny mpitandro ny filaminana, ary tsy vitsy no efa any am-ponja. Manjavozavo ihany anefa ny tena fahitana ny marina. Tsy mbola fantatra ny tena ati-doha mikotrika azy itony, na dia efa (…)
  • Aorian’ny 16 Martsa

    Ady hevitra vaovao no hipetraka

    mercredi 12 mars 2008 | Naivo kely |  385 visites
    Any amin'ny mpifidy ny baolina. Na ho toy inona ny fanazavan-kevitra entin'ny fanjakana sy ny kandida tohanany, ary toy izany ny mpanohitra, dia ny mpifidy no tompon'ny teny farany. Hiainga ny alatsinainy ho avy izao ny fanehoan-kevitra politika maro samy hafa. Raha vitsy ny mpifidy handeha handatsa-bato, dia toa midika faharesena ho an'ny mpitondra io. Faheresena satria tsy maharesy lahatra ny olona ny tetika entiny hampandrosoana ny faritra. Miainga eny anivon'ny faritra anefa ny tetika (…)
  • Fampihavanam-pirenena

    mardi 11 mars 2008 | Naivo kely |  537 visites
    Miha-mahazo vahana eo amin’ny fanehoan-kevitra politika eto amintsika indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Ny Monima, CRN, Arema, Akfm dia samy nanambara ireo avokoa. Hatreto dia tsy nipirina any ambata io fitakiana lasa nataon’ny hery politika maro samy hafa teto amin’ny firenena, dimy taona lasa. Inona no sakana tsy ahatongavana amin’izany ? Raha vao niakatra teo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002 dia nanambara tany Antsiranana fa ilaina io . Velom-bolo ny rehetra. (…)
  • Fandrombaham-pahefana

    Fifidianana no fomba mahomby, hoy ny ALDR

    mardi 11 mars 2008 | Naivo kely |  336 visites
    « Sahia misedra safidim-bahoaka ». « Na vitsy aza ny toerana nandrotsahanay olona ho fidiana ho mpanolotsaim-paritra dia sahy hisedra ny safidim-bahoaka ny ALDR. Rafitra iray misy ny antoko MFM ny ALDR. Ny MFM dia efa ela no nitaky ny hipetrahan’ny faritra 28, saingy 22 no tafapetraka. Midika io fa tafita ny hevitry ny antoko, ary rariny izahay raha miroso amin’ny fampandehanana ny faritra ». Io no nambaran’i Rakotomamonjy Pierre, izay kandida milatsaka eny amin’ny faritra Atsimondrano. Ny (…)
  • Otrikafo

    Mbola omena ny vahiny ve ny tany ?

    mardi 11 mars 2008 | Naivo kely |  457 visites
    Tsy ankasitrahan’ny « Otrikafo » tarihan’ingahy Rajaonah ny fanomezana tany ho an’ny vahiny. Manoloana ny fifanarahana ny hanomezana tany hambolen’ny vahiny vary sy voamaina any amin’iny tapany atsinanan’ny nosy iny nanehoan’ny Otriakfo ny heviny indray. Nahoana no mbola vahiny no omena sehatra hamokatra eto ? Firy ny Malagasy nangataka tany ho volena nefa toa voarirariana hatrany ? «Hita fa mbola miakin-doha amin’ny vahiny isika », hoy ny Otrikafo, « ka tsy azo ekena ny toy (…)
  • Noravana ny federasion’ny baolina kitra

    lundi 10 mars 2008 | Naivo kely |  596 visites
    Rehefa tsy mahomby tsy maintsy ravana. Fanampahan-kevitra hentitra no noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahan-tena, Patrick Ramiaramanana omaly tamin’ny fandravana federasiona roa dia ny baolina kitra sy ny taranja lomano. Ho an’ny baolina kitra manokana, dia efa ela no nilana fanamboarana, saingy tsy nisy ny fandraisana andraikitra. Resy lava, tsy misy fivoarana raha ity sehatra ity no jerena. « Fitiavana ny baolina kitra no ataoko, fa tsy fanimbana », hoy ny minisitra Ramiaramanana. Manao (…)
  • Antoko TIM

    Miroso amin’ny fifanakalozan-kevitra

    lundi 10 mars 2008 | Naivo kely |  269 visites
    Tsy ny TIM no matahotra ady hevitra fa misy fotoana ny zava-drehetra. Fifanankalozan-kevitra amin’ny mpianatra, ny mpandraharaha sy ny vehivavy ary ny mpanao fanatanjahan-tena. Ireo no hita ho fihetsika nataon’ny antoko TIM nandritra izay fampielezan-kevitra izay. Midika fa vonona ny hifanakalo hevitra amin’ny hery rehetra ity antoko ity hoy ireo kandida raha niroso tamin’io fampielezan-kevitra io ry zareo ny faran’ny herinandro teo. Tetsy amin’ny Galerie Kamoula Analakely ny sabotsy hariva (…)
  • Fifanarahana miafina

    samedi 8 mars 2008 | Naivo kely |  1029 visites
    Taitra tamin'ny torimasony ingahy Ratsiraka ka ny zaza nobeaziny no voakapoka. Fa inona no heloka vitan'ireto sahy mitsikera ny fianam-pirenena ankehitriny no ireo manaiky lembenana indray no nomeny rariny ? Gaga tamin'iny fihetsiky ny amiraly Ratsiraka iny ny maro, nandre ny filazany ny tsy fahafantarany an'i Pierre Houlder sy ny namany izay nikasa hanao ilay kongresy rahampitso eto Antananarivo. Fa angaha tsy mpanohitra ity antoko ity no dia nasiaka fatratra ny amiraly ? Sa lasa Arema (…)
  • Profesora Zafy Albert

    Mila miala ny mpitondra

    samedi 8 mars 2008 | Naivo kely |  728 visites
    "Ampy izay ny fahanginana. Tsy azo ekena intsony izao fahoriam-bahoaka izao, ary tsy maintsy miala ny fanjakana mpampahory vahoaka". Io no fanehoan-kevitra nataon'ny Profesora Zafy Albert raha nanokatra ny fivorian'ny CRN izy omaly. "Na dia nangina aza ny tenako, dia ny antoko politika rehetra kosa tsy nitsahatra naneho ny heviny momba ny tsy fahombiazan'ny mpitondra ankehitriny. Eny fa na ireo namany ao amin'ny TIM aza dia ireny niarahana nahita ireny fa nivadika taminy. Fomba ahoana ny (…)
  • Fikambanana « Tanora Sahy »

    Tsy maintsy hambara ny marina

    samedi 8 mars 2008 | Naivo kely |  640 visites
    Tsy hiemotra amin'ny filazana ny marina aho. Io no nambaran'ny Mamonjisoa zanaky ny filohan'ny fikambanana "Tanora sahy vonona", izay mpiara-miasa akaiky amin'ny olom-boafidy amin'ny andrim-panjakana iray. "Naato tamin'ny asako rehefa tsy nitovy ny fomba fijery politika, ary potehina hatramin'ny fiainako manontolo", hoy ny filohan'ny FTS. Niainga tamin'ireny fifidianana izay ho ben'ny tanàna ireny ny raharaha, nanohana kandida hafa aho. Teraka avy hatrany ny disadisa satria lany ho ben'ny (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}