Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 9 août 2022
Antananarivo | 04h22
 

Médias

Toliara

Une manifestation montée en épingle

lundi 30 août 2010

Si une certaine animation a régné à Toliara vendredi 27 août, les conséquences de la dispersion d’une manifestation interdite conduite par le Professeur Elimberaza Mandridake, un enseignant chercheur qui a exprimé son mécontentement contre les autorités actuelles semblent avoir été exagérées.

Auparavant, les dirigeants de la manifestation avaient pu dénoncer la continuelle prolongation de la transition, soulever ce qui avait été dit dans les « dinika santatra » et évoquer la question du fédéralisme. Les forces de l’ordre ont été amenées à utiliser des grenades lacrymogènes pour disperser l’attroupement, certains manifestants ayant incendié des pneus pour les empêcher d’approcher.

Selon l’antenne locale de la Radio Nationale, Radio Soa Talily, un groupe de manifestants aurait alors forcé l’entrée de cette station et saccagé des ordinateurs et des matériels audio-visuels. Malgré le ton alarmiste de ces informations, il convient de ramener les choses à une plus juste proportion, car aucune personne n’a été blessée et la station n’a jamais cessé d’émettre.

Recueilli par Yann

4 commentaires

Vos commentaires

  • 30 août 2010 à 11:47 | kakilay (#2022)

    Etrange !

    Etrange, dites-vous ?

    Oui, étrange cette volonté de mesurer l’ampleur d’une manifestation par le nombre de mort ou des détructions réussies...

    Etrange cette idée de promouvoir en référence historique, insidieusement, le 7 Février (car des morts, il y en avait) et la destruction des stations radios et télévisions (MBS et RNM-TVM) !

    Etrange aussi cette manière de laver Ra8, car tout compte fait, vous nous suggérer, par votre article, la question " à qui profiter ces crimes " ? : au jour d’aujourd’hui, certainement pas à Ra8...

    Du coup, on ne peut se taire, car vous êtes en train de vulgariser une norme dont on taira cependant la marque de fabrique...

    Et de répéter : plus jamais ça !

    • 30 août 2010 à 22:30 | Rivohanitra (#142) répond à kakilay

      Ce commentaire permet de souligner l’esprit partisan qui anime les malgaches en ce moment.

      On est pro X ou pro Y et on finit par développer une logique purement partisane.

      Merci à celui qui a commenté.

  • 31 août 2010 à 01:09 | nadia_chris (#2079)

    toujour les (NOUS AVONS) qui font de bordel dans ma ville natale, je viendrai bientot pour faire de nettoyage, croix moi.............

  • 1er septembre 2010 à 16:37 | Limby (#4641)

    RAHARAHA ELIMBERAZA MANDRIDAKE

    Ampitahao ireto tranga roa ireto :

    1) Iza no nitarika ny vahoaka hankeny amin’ny tribonaly Antananarivo ny 26 janoary 2009 ?
    Iza ireo nandroba ary nandoro mihitsy ny radio nasionaly sy ny televisiona nasionaly tamin’io andro io ?
    Ahoana ny halehiben’ny fahasimbana vita ?
    Iza no voasambotra hatramin’izao ?

    2) Iza no nitarika ny vahoaka hankeo amin’ny kianjan’ny demokrasia ao Toliara tamin’ny 27 aogositra 2010 ?
    Iza ireo nandroba ireo fananan’i radio Soatalily tamin’io andro io ?
    Ahoana ny halehiben’ny fahasimbana vita ?
    Firy ny voasambotra hatramin’izao ?

    Valiny :
    Niaraha-nahita fa ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita amin’izao fotoana izao, Atoa Andry Nirina Rajoelina, no nitarika ireo vahoaka teny amin’ny tribonaly tamin’ny 26 janoary 2009.
    Tsy fantatsika ireo nandroba ny fananan’ny radio RNM sy ny TVM tamin’io andro io. Ataontsika hoe Mpanararaotra ? Ataontsika hoe ny ekipany ihany, tsy hitsara isika na iza na iza. Fa ny fantatra dia ny hoe : tsy voafehiny ireo mpitolona tamin’io andro io ka nahatonga ireny fandrobana mahatsiravina ireny. Fantatsika fa tsy nahazo alalana tami’ny prefet de police izy hanao ireny fihetsiketsehana ireny.
    Vakoka iray manontolo no potika ary tsy mbola voarina ny fananampanjakana hatramin’izao. Raha amin’ny maso sy fo tsy mingatra, dia tokony ho izay nitarika ny vahoaka teny no manolo izay simba noho ny fitarihambahoaka nataony.
    Iza anefa no nosamborina sy nampidirina am-ponja hatramin’izao ?

    Fanelezana vaovao tsy marina
    Novoizina tamin’ny haino aman-jery, indrindra ireo mpomba ny fitondrana, tamin’ny asabotsy 28 aogositra teo ka hatramin’ny androany, fa hono “Nisy nandoro ny radio Soatalily tao Toliara ny zoma faha 28 aogositra teo noho ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpanohitra ny tetezamita. Ity fihetsiketsehana ity dia tsy nahazoana alalana. Fantatra ny mpitarika izany dia i Profesora Elimberaza Mandridake”

    Tsy omena tsiny ny mpanao gazety raha mivoy vaovao diso satria zavatra diso no nomena azy. Adidinay namana akaiky an’i Profesora Elimberaza Mandridake, izay fantatra amin’ny anarana hoe “LIMBY” no mampahafantra ny vaovao marina mba tsy hamahanan-dalitra ny vahoaka malagasy.

    Ny marina dia izao :
    Nangataka alalana tamin’i Chef de district ao Toliara i professora Elimberaza Mandidake ary nahazo izany alohan’ny hanehoany hevitra ny zoma lasa teo : Voamarina ara-taratasy io. Nangataka alalana tamin’i ben’ny tanana ihany koa izy ary nahazo, fa saingy antelefaonina no nanomezan’i Ben’ny tanana an’izany.

    Nahagaga anefa fa mpitandro ny filaminana no nitsena azy tao amin’ny kianjan’ny Demokrasia tao Toliara. Grenade no natsipy teo anoloany vantany vao handray fitenenana izy. Izany no nahatezitra ny olona niaraka taminy ka nidirany tao amin’ny radio Soatalily ary namotehan’izy ireo fitaovana vitsivitsy. Marihina etoana anefa fa tsisy trano may tao Toliara tamin’io andro io, kanefa novoizina fa nodoran’ny mpomba an’i Limby hono ny radio. Afaka nihaino tsara ny RNM ny olona tao tamin’io andro io ary afaka nijery TVM tsara ihany koa eny fa hatramin’izao aza.

    Toy ny tsy nahafehezan’i Atoa Andry Rajoelina ny vahoakany tamin’ireny 26 janvier ireny ihany koa ny tsy nahafehezan’I Limby ireo nanara-dia azy tao Toliara. Araka ny renseignement henonay anefa dia olona nirahina hanimbana ny fanehoan-kevitra nataon’I Limby io. Ampitahao anefa ny fahasimbana nisy. Olona 7 ao amin’ny foko Tanalana anefa no voasambotra ary nampidirina amponja daholo izy fito ireo alin’ny ny talata 31 aogositra 2010. Marihina etoana fa nalaina an-keriny tao antranony ao Ambalanomby Camoën Toliara koa I Limby ny asabotsy 28 aogositra tokony ho teo amin’ny 12 alina teo ary tsy fantatry ny fianakaviany ny nitondrana azy na aiza na aiza. Tsy fantatra ny momba azy izao na maty na velona. Moa tsy manan-jo hahafantatra izay nitondrana azy ve ny fianakaviany ?

    Ny marina dia olona mifampihinana ny manta sy ny masaka ny Praiminisitra ankehitriny Camille Vital sy i Limby. Eny fa na ny mariazin’ny zanak’Atoa Camille Vital aza dia i Limby no niantoka azy tamin’ny taona 2009 teo tany Paris. Marihina etoana fa i Limby ihany koa no namatsy ara-bola ny fitetezam-paritra nataon’i Atoa Camille Vital tamin’izy mbola tsy voatendry ho Praiminisitra. Kanefa ny Praiministra Camille Vital izao mihitsy no naniraka ireo miaramila hisambotra azy.

    Ny zava-misy faharoa dia ity : Ny minisitry ny fiompiana ankehitriny Maharante Jean de Dieu dia olona akaiky an’I Limby ihany koa. Porofo velona. Raha nandositra tany Frantsa Atoa Maharante Jean de Dieu tamin’ny raharaha 2002, dia i limby no nampiantrano azy tao ami’ny Villa-ny ao Frantsa noho ny fiaviana iray ihany, noho ny fitiavana ny mpiray tanindrazana. I Limby no nanome sakafo azy mianakavy satria tsy misy havany any. Kanefa Atoa Maharante Jean de Dieu mihitsy no manenjika azy amin’izao fotoana izao.

    Fa maninona no enjehina i Limby ?
    Satria matahotra ireo olona voatonona anarana ireo fa hangalatra ny toerany Atoa Elimberaza Mandridake.

    Tsy toerana no tadiavin’i Limby.

    Efa notendren’Atoa Ratsiraka ho minisitra izy tamin’ny fotoan’androny fa tsy nanaiky. Efa saika notendrena Praiminisitra koa izy tamin’ny andron’i Profesora Mangalaza fa tsy nanaiky ary efa saika nasolon’ny Filohan’ny tetezamita ny minisitry ny Paositra teo aloha Iharizaka Rahaingoson, izay mbola tsisy solony hatramin’izao fa tsy nanaiky. Porofo izany fa tsy toerana no ilain’i Limby fa fanehoan-kevitra.

    Koa mangataka ny hamoahana azy sy ireo olona nampidirina amponja izahay namana akaiky an’i Limby ary avelao izy haneho malalaka ny heviny.

    Toliara, alarobia faha 01 septambra 2010

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS