Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 14h59
 

Tribune libre

Tsingolobatita sy tsongon-drenikely (*)

mercredi 7 avril 2010 |  2096 visites 

Igagana ny fahakingan’ny FITONDRANA AMBONY AMIN’NY TETEZAMITA (FAT), zary tetezana lavabe tsy mampita mankaiza fa mihodina sy manodikodina tsy lasa lavitra, hatramin’ny nampiharana ny sazy iraisam-pirenena tamin’ny 17 marsa 2010 ; sazy mety mbola hohamafisin’i ACP-UE (Vondrona Afrique, Caraïbes, Pacifique et Union européenne).

Lasa tsingolobatita goavana ny raharaham-pirenena : tsy mandeha amin’ny tongony fa amin’ny tanany ; izany hoe lasa ambany ny lohany (fa tsy mivadika atidoha), ary ny tongony no lasa ambony (fa tsy ny dian-tanany no arahan’ny tongony) ; raha tsorina dia tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny intsony.

Mifamadika sy mifandipatra ny zava-drehetra : ny voasazy zary lasa mpanasazy ; ny tsy an-dalàna no manao ny lalànany (absence d’Etat de droit) ; ny Fanjakana tsy ara-dalam-panorenana dia miziriziry hamoaka ny lalàm-panorenana vaovao araka ny didy jadona sy fanjakan’olon-tokana (de façon unilatérale) ; tsy misy mpanohintohina, tsy misy mpanohitra, tsy misy mpanara-maso satria tapaka ny fifandraisana amin’ny firenen-kafa, ary foana tsikelikely ny Masoivoho (interdiction d’accréditation). Afaka manao ny nahim-pony sy ny danin’ny kibony ny Fanjakan-tsy zaray (non consensuel), na manao kitandranetaka sy kitanitanina (bricolage institutionnel). Malaza ho nanofana olona manam-pahaizana ara-dalàna sy mpitantana tsara ofana anefa ny Fanjakana Malagasy (grands juristes et administrateurs ; sans oublier des éminents économistes constituant la « CREM »), nefa dia izao no niafarany ; ny gisitra sy ny farahidiny no manao ny Tany sy ny Fanjakana toy « ny tantely afa-drakotra » (« Les cancres mènent la danse ! ») ; raha mba ovaina amin’izay ny mozika é, fa tsy dia ho dridran’Ingilo lalandava ! (tournez le disque chers amis DJ).

Ampahafirin’ny harena miafina any ivelany moa ireo zavatra voakasikin’ny sazy ; tsy ho voakasika na oviana na oviana ny fanan’ireo any ivelany satria misoratra amin’ny anaran’olon-kafa mpiray mihinana (société-écran ou en commandite).

Ny fahazoan-dalana mivoaka dia tsy misy ilany azy, satria teo aloha dia nandà hatrany ny fanasana tany ivelany izy ireo (MAPUTO III, ADDIS-ABEBA de la dernière chance) ; raha mba sendra nivoaka izy ireo dia tsy nahazo nandray fitenena, ka zary lasa « Rafotsibe leom-boanana » ; rahefa te hitsangatsangana any ivelany izy ireo, dia eo ireo fanjakana vahiny mpisolelaka sy mpiray tsikombakomba tsy valahary miara-mandroba aminy ny harem-pirenena, vonona ny handray azy ireo mandrakariva.

Ary marina dia marina tokoa ny voalazany hoe « afaka miaritra amin’ny ananany i Madagasikara sy ny Malagasy… ». Fa iza marina moa ity « Madagasikara » sy « Malagasy » tiana ho lazaina ity ?

Zary fomba fiteny fanalana alahelo koa ny hoe : « Izay mamono biby tsy mahafaty dia hifoteran’ny rambony ! » (« ce qui ne tue pas rend fort ») ; tandremo anefa fa tsy rambony fotsiny io fa misy tandrony !

Fomba fiteny ny hoe « fitandrovana ny tombotsoam-pirenena ambony indrindra ». Dia mbola mampanontany tena ihany koa izany hoe : iza marina moa ity « Firenena » ity ? Tsy hiverenana intsony ny fanararaotan’olom-bitsy manabotry firenena. Raha tena mitsinjo ny tombon-tsoam-pirenena ambony ny FAT dia tokony hanomboka amin’ny fikarakarana haingana ireo voakasiky ny fanafoanana ny AGOA sy ireo tsy an’asa rehetra. Tokony hihaino ny vahoaka ihany koa izy fa tsy ny « vahoabahoaka » famoriny matetika sy ifanaovany dina sy « Teny ifampierana ». Na dia ny mpiray tetika sasany aza dia loa-bava hoe toa « natao tompon-trano mihono » (CENI). Fa iza marina no mitondra ny Tany sy ny Fanjakana ? (« Y a-t-il un vrai pilote dans l’avion ? », Ou sommes-nous en pilotage automatique ? Et télécommandé par qui ? Qui tient vraiment la manette ? Attention l’atterrisage sera forcé ! et le réveil très dur !).

Ny zavatra tena masaka ankehitriny dia ny hoe « izay tsy momba ahy, dia mpanohitra ahy » ; raha tsorina dia izay Malagasy momba ny FAT no tena Malagasy, fa ny sisa dia « FATiFATin’olona sy faikampaikany » ka azo vingavingaina, sy atao tsinontsinona.

Ny Filoha Mpiara-Mitantana (Co-Présidents) sy ny Filohan’ny Andry-m-Pirenena rehetra (Présidents des Institutions) voatendry ara-dalàna sy nankatoavina tamin’ny sonia aza vingavingain’i FAT, ka amin’ny fomba ahoana no hanajany ny vahoaka Malagasy madinika, tsy mandady harona. « Tohatra fiakarana ny vahoaka madinika, ary toy ny fia-pary ka rahefa lany tsiro atsipy ».

« Gisalahy homan-ketsa ny FAT », ka izy indray no avo feo na voasazy aza. Tsy mahalala afa-tsy ny mpiara-mihinana aminy ny FAT ka raha sazina izy dia afaka hanasazy ny mpanohitra : « Raha ho faty aho matesa rahavana » ; vao mainka fa ny mpanohitra ! Ary tsy maninona na dia ho « FATy » daholo aza ny Malagasy rehetra, zary ho mahery fo hitondrana voninkazo rehefa tonga ny « sarintsarim-pahatsiarovana » : ramalala, ramalala, maherifonay arahan-kehy, fa matimaty foana amin’ny tsinontsinona !

Toy ny taizan-dRenikely ny an’i FAT ka izay mihetsika maty tsongo daholo, na lasa irakiraka toy ny botokely : « Taizan-dRenikely, raha tsy maty noana, maty tsongo ». Mahantra, noana, tsy an’asa… ny vahoaka Malagasy ; ka anjaran’ny tsirairay ny mitsara amin’ny maso tsy miangatra.

VERY ZO TANTERAKA NY VAHOAKA MALAGASY

VOAHITSAKIATSAKA NY ZO MAHA OLOMBELONA AZY

MANGETAHETA AMBONY LAKANA EO AMBONY HARENA AMBANIN’NY TANY MIAVOSA

MAHARI-PERY NY VAHOAKA MALAGASY

NEFA TSY TOKONY HO ZARY FAHALEMEN-TSAINA IZANY

HERINTAONA IZAO NO KAMBOTY SY MAHONENA NY MALAGASY

BE FANDEFERANA LOATRA NY VAHOAKA MALAGASY

« NY TSIHY NO FOLA-MANDEFITRA FA NY OLONA TSY MBA FOLA-MANDEFITRA »

Fahendrena lalina dia lalina izany fa tsy tokony « handihizan’ny adala rehetra, na FAT, na HAT, na FIS, na MOUVANCES… VANCES…VASA ! »

Hisy farany ny zava-drehetra na tsara na ratsy. Tsy maintsy hirongatra sy ho tonga saina ny vahoaka madinika, tsy mandady harona : izay BE NO BASY, ary tsy hisy fotony eo anatrehan’izany ny Hery Famoretana sy ny BASY MAROVAVA rehetra (Les fusils finiront par se taire ; on ne bâillonne pas indéfiniment un peuple !) ; hirohotra toy ny RANO VELONA (EAU VIVE=AOVIV) tsy azo tohaina ny vahoaka ka handio sy hifaoka izay rehetra mety manembatsembana azy.

Vahoaka no nitondra an-dRaZafy Albert (1991), mbola vahoaka ihany koa no nitondra an’i Dada Marc (2002), ary mbola « vahoaka antsoiny matetika fa tsy henoiny » no nitondra an’i Andry TGV (2009)…ary mbola vahoka no hiloloha an-DRAHOAVY (OAVIV 201X) toy ny « RANO MAHERY ».

« Ny ririnin-dasa tsy tsaroana fa ny fizotran’ny tantara tsy azo ovaina » (Les dirigeants malgaches sont réputés avoir la mémoire courte : on ne change jamais le cours de l’histoire).

FAMPITANDREMANA FARANY : NY VAHOAKA IHANY NA HO ELA NA HO HAINGANA NO TOMPON’NY TANTARA. RAHEFA HIDITRA AN-TSEHATRA NY VAHOAKA DIA VITA HATREO NY TANTARA. (MENALAMBA, VVS, MDRM… clin d’œil à nos martyrs du 29 mars 1947)

« RANO VELONA, RANO MAHERY, RANO TSY AZO TOHAINA » (AOVIV)

Professeur RABEMAHARO Jacques (TOULOUSE)
Nouvelle force « AOVIV »

(*) Rétorsion et tentation répressive

7 commentaires

Vos commentaires

  • 7 avril 2010 à 11:38 | RAVELO (#802)

    Tsy maintsy hirodana araky ny teninao io fitondrana io,kanefa ny mba iriana dia ny aha faran’izay kely indrindra ny « dégats collatéraux » aterak’izany ;tsy hanaiky ny hiala moramora eo mantsy ry zareo,ao ny miaro ny azony,ao ny matahotra ny atezeran’ny vahoaka.Ary marina fa raha ny amiko manokana dia tsy tokony avela fotsiny amin’izao ireo olona rehetra ireo satria hono isika « tia fihavanana »,tsia tompoko,ny lisitrin’ny anaran’izireo efa vita,tsy mila fikaroana hafa intsony,koa raha vao mihongana eo ireo dia aroso avy hatrany ny « FITSARANA » azireo,tsy azo ekena ny hanadinoana ny HELOKA vitany tamin’ny TANINDRAZANA.

  • 7 avril 2010 à 12:23 | Mandimbisoa (#2104)

    Misaotra anao amin’ity lahatsoratra ity,atao daholo ny mety rehetra hanainga ny Malagasy ho tonga saina fa dia asa loatra...hoy aho hoe :"tokony tsy ho fatra-pandefitra INTSONY ny Malagasy,ka hanao toy ny mpivaro-tantely ; isika tompony indray no milela-tanana*(tsy mihinana fa izay miraikitra eo* no lelafina mba angalana ny tsiron’izany atao hoe:tantely)...

    Ry zareo indray ;araky ny filazanao hoe ny tanany no mandeha fa ny tongony no ety ambony,ka ahoana moa no hampandeha ny firenena raha toa izany ny mpitondra,ary tsy izany ihany fa ny fomba fitondrany dia toy ny :"tari-baton’kibobo:ny anjombona dia betsaka,fa ny handray kofehy no tsy misy

    firy ny antoko kely niforona,hatramin’izay nitondrany izay ;ireo ataoko hoe« sous-marques »ny HAT...

    inona anefa no tanjona ?tsy misy eritreritra na programa ho an’ny Malagasy sy ny firenena fa ny famenona paosy sy ny fomba ahatongavana ho « sefo » na « prezidà » no tetika atao...

  • 7 avril 2010 à 15:47 | Zozohery (#2657)

    Andao amin’izay ary e.
    Orafeto ny drafitra.
    Mpitarika no andrasanay.
    Raha manana basy marovava izy, isika manana vahoaka maro.
    Izaho manokana efa nanamboatra « flèche » fingotra miaraka amin’ny bala vy iray harona (raha tsy mahay manamboatra ianao dia asaivo ampianarin’ny zanakao lahy 10 taona) , raha olona 2tapitrisa no samy manana toy izany « CAPSAT inona no tsy ho rava eo » Ny ahy ny voamason’i Andry no pehako voalohany, angaha iny voasakan’ny akanjo fiaro bala, sady kely tsy hita maso no tsy mipoaka, FA MAHOMBY ; 29 MARS FAHA2 E !!!!!!!
    Malagasy Vonona na ho FATy aza, FA TSY tANORA gASY vENDRANA OHATRAN-DRY ANDRY tgv MPILOKA TAO BESARETY ; tsy aleo ve maty toy izay mijaly toy izao, ny taranaka tsy misy antoka ny ho avy.
    Raha tezitra amin’izany izy sy ny mpomba azy dia ny tenanareo aloha tezerana voalohany. MPAMADIKA TANINDRAZANA. TSY MENATRA. TSY VALAHARA.

  • 8 avril 2010 à 08:34 | ANATOL (#593)

    MBOLA TSY BETSAKA NOHO NY HALATRA NATAONDRA8 NY DETOURNEMENT NATAON’IREO HAT IREO FA AZ MIREDIREDY RY KELY SAINA.
    ANARANY MBA PROFESORA FA MBOLA VEREZIN’ BAC +4
    MBOLA VÔ 1/100.000 FOTSINY ANGAMBA RAHA MISY.

    ZAO FOTSINY E, AZA ADINO FA RA8 ANIE KA PLUS QUE MILLIARDAIRE E,
    LALAOVINY AMIN’NY VOLANY ISIKA DIA EO IHANY. NY AMERIKANA SY NY SADC AZA MANAIKY AZY.
    KA AZA ADINO FA MISY ANTONY NY TOLOM-BAHOAKA MATOA NATAO.

    RAHA OHATRA KA MISY TSY METY @ HAT AO DIA ALEO VITAINA NY ELECTION DIA IZAY LANIM-BAHOAKA NO MITONDRA.

    NY ZAVATRA TOKONY EXIGE-NA DIA NY HOE IZAY AO ANATY FITONDRANA TSY MAHAZO MILATSAKA.
    ARY ATAO FARAN’IZAY MANGARAHARA NY FIFIDIANANA.

    NY AMERIKANA SY NY SADC NDRA8 IREO ANGE AFAKA MANKATY MANARARAMASO NY FIFIDIANANA E.

    NY PROBLEME KOA DIA IZAO EFA ZATRA NAGALA-BATO I RA8 DIA TSY MAHATOKY OLONA INTSONY.
    HEVERINY HANAO NY TOY NATAONY NY OLONA EO IZAO.

    RAHA IZAHO ALOHA TSY MILA NA RA8 NA NY HAT

    OK BAINA DIA MBA MISAINA A !

    • 8 avril 2010 à 11:17 | Mandimbisoa (#2104) répond à ANATOL

      Miarahaba,

      Ho an’i anatol,

      Indraindray dia aleo tsy manoratra toa izay mirediredy,fa amiko ianao no tena tsy misaina...

      raha eto an-toerana ianao no mipetraka ,jereo ny zavatra ataon’ireo mpitondra ireo:ny aotomobila,ny trano ataony ho azy ireo eran’ny nosy fa tsy eto andrenivohitra ihany sy ny fizestiavana isan-karazany...

      aza manirikiry rangahy ty a !FIRY no very asa hatramin’ny janvier 2009 ka hatramin’izao ?mieritreritra ireny olona ireny ve ny fitondrana FATinao io ? tsy azo ampitoviana ny olona manome asa sy ny olona manao izay hanapotehina fotsiny....mba mandinihy oa ary AVADIO impito ny saina vao manoratra !

    • 8 avril 2010 à 11:22 | ikoto (#4096) répond à ANATOL

      RAHA MBOLA FITSIKERANA NA FAHANKALANA NO ERITRERETINA HIVOAHANTSIKA AMIN’IZAO KRIZY IAINANTSIKA IZAO DIA HO SASAM-POANA
      ISIKA, NA HIOVA REPOBLIKA IMPIRY AZA DIA TSY HISY ZAVA-BANONA
      ETO. ANJARAN’ NY TSIRAIRAY NO MANDINIKA SY MIERITRERITRA.

    • 9 avril 2010 à 07:05 | alada (#4074) répond à ANATOL

      « C’est encore pire que ce qui a prévalu durant le régime précédent ! Car en à peine un an... » (traduction libre) le Colonel Noël Rakotonandrasana, lors de sa première conf de presse d’après-limogeage

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS