Ce mercredi 5 janvier 2010, le Doyen des juges d’instruction a satisfait aux demandes des officiers détenus dans l’affaire de la BANI Ivato ; les généraux Raoelina, Noël Rakotonandrasana ainsi que le lieutenant-colonel Charles Andrianasoavina ont été entendus au palais de la justice en même temps que le Chef d’État-major général des armées malgaches ou CEMGAM. Tour à tour, chacun des trois inculpés a été confronté au CEMGAM, le général André Ndriarijaona. Ce dernier a eu un long entretien devant le juge avec son ancien ministre, le général Noël Rakotonandrasana qui était apparemment le président de Comité miliaire de salut public ou CMSP, s’étant réfugié ou essayant de se révolter au camp BANI à Ivato.
En tout cas, rien n’a filtré de ces confrontations qui ont duré deux heures de temps, mais entretemps, le lieutenant-colonel Charles Randrianasoavina avait échappé à la vigilance de ses gardiens et en a profité pour faire des déclarations à la presse.
Les autres prévenus ne se sont pas exprimés en public. Il en est de même pour le général André Ndriarijaona qui n’a fait aucune déclaration à la presse.
Vos commentaires
Atananarivo, anio faha-6 Janoary 2011.
Andriamatoa TaleJeneralin’ny « Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly » (BIANCO),
Voninahita lehibe ho ahy no mandefa ity taratasy ity aty aminao mba handray izao fanamarihana sy fitarainana manaraka izao :
Hitam-poko, hitam-pirenena no sady ren-tany, ren-danitra ny fanambarana nataon’ny Lietnà-Kolonely Andrianasoavina Charles teny Ivato omaly faha-5 Janoary 2011 ! Nambaray mazava fa « nadray vola » izy sy ireo namany « niketrika sady nanatanteraa fanonganam-panakana » tamin’ny Martsa 2009.
Tsy ny « fiketerhana sy ny fanatanterahana fanonganam-panjakana » no itarainana aty amin’ny BIANCO fa ny « kolikoly » nampiasana vola, na ariary io na an’arivo tapitrisa, nanabazana ireo olona ireo nanatanteraka izany ! Anteriko fa tsy ny hoe tanteraka na tsy tanteraka no olana eto fa ny fisian’ny « kolikoly » ! Koa amin’ny mahamahaleotena ny BIANCO tsy mifidy tany avo avaratra sy tsy mzaha tavan’olona, sahy handray andraikitra ary ve ianareo ao ?
Hamaly, agamba, ianareo fa antony sy raharaha « politika »izany ka tsy hidira’ny BIANCO ! Raha ho izany tooa, tsy azo kasikasihina izany ny mpanao politika « matihanina » na inona a inona ataony ? Tsy hiresaka ny fandrobana sy doro fananana tamin’ny faha-7 Janoary 2009 aho satria mety ho nisy « kolikoly » nividianana olona sy handrisihana olona aza tao ambadimbadika tao dia efa « tsy azo faizina » izay nanao ireny satria noho ny antony « politik », matoa ny Fitsarana « mahaleotena » ankehitriny tsy manetsika ny fanadihadiana y nahatonga ireny, tsia fa ny « klikoly manana antony politika » izany dia malalka sy tsy mampaninona fa odian-tsy hita ka atao « tono vomanga vory vahoaka » ?
Andriamatoa Tale Jeneralin’ny BIANCO,
Sa tsy manam-bola ny BIANCO ka tsy afaka handray andraikitra momba izao raharaha efa kiahina eny an-tafontrano izao ?
Dia manantena anao handray ny andraikitrao a hanazava ny fandraisan’ny « Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly » (BIANCO) izao raharaha izao.
Raiso, Andriamatoa Tale Jeneraly, ny fanajana ambony atolotro anao !
Ikoto.
alefaso email any amin’ny bianco ny taratasy, satria email, na taratasy ihany no raisin’ny ao fa tsy resaka an-gazety. ireto ny adiresy :
DG : bianco@moov.mg
Département Investigation : bianco.di@moov.mg
na olona 100 aza mandefa any vao maika tsara sao tsy hitany !
Fa iza moa no milaza fa tsy nandray vola koa ny BIANCO ?
Dia mbola misy mino ihany ve isika fa tena manao ny asany ny BIANCO eto Madagasikara nefa ny risoriso sy ny kolikoly aza dia mitombo isan’andro !!
Sa dia mbola domelon’ny « Minoa fotsiny ihany » hatr@ izao ??
Natsangana hatao famoretana izay te hanohitra ny fitondrana ny BIANCO fa tsy hiady @ kolikoly akory !!!
Mazotoa eh !
Tsy misy vaovao intsony ireny zava-nambaran’i Charles ireny. Ny aza hitako aza mahita ahy dia mety hisy hifofo ny ain’i lery satria lasa be resaka loatra. Ny zavatra ilaina fotsiny dia asa na efa mba nokajiana an-taratasy sy @ vidéo ary natao dika maromaro ny zava-tian-kambarany talohan’ny naha bôro an’ilery ireny.
Raha ny fitsarana indray dia asa raha ho raisin’Ingahy Doyen des Juges (pris en considération, tsy haiko loatra ny mahalaza azy @ teny malagasy) ny zava-nambaran’ity manamboan’ahitra ity. Ny vola koa aloha mbola mety mandeha ihany ê ! Ny mampalahelo dia tsy mba manana site web ny gazety Telonohorefy fa mba vakio kely izay manana tahiry ny Laharana 2226 nivoaka t@ zoma 17 jolay 2009. Misy resaka mahafinaritra sy mahagaga amin’ny Pejy farany (Faha 4).
Nisy post nalefa ho an’Ingahy Lehiben’ny BIANCO androany teto @ Tribune. Tsara ho vakian’Ingahy Lehiben’ny BIANCO koa io Lahatsoratra ao @ Telonohorefy io. Ramatoa Rabary Michelle mipetraka ao @ Lot III B 02 Ambohibao Bongatsara no nanoratra azy.
Misaotra Tompoko !
ALEFA !!!nahazo asa gros lot n’y BIANCO s’y n’y FITSARANA manomboka iny filazana nataoni Charles iny. Ho hita eo zay tsy mandray andraikiny.resaka kolikoly no resahina eto.n’y coup d’ état mbola mangony fotsiny.tsy n’y asa no tsy misy ry BIANCO SY FITSARANA ka ampisehoy hoe tena ilaina ve nareo sa tsia ?
Il faut bien un bouc emissaire, et dans ce cas, autant éclabousser tout le monde en jettant le premier pavé dans la marre,à moins que la raison se rallie à la majorité
on ne sait jamais .
Marina tokoa ny an’i Mahagaga !
Mbola Jeneraly anie ny Tale Jeneraly BIANCO koa ahoana moa no inoana fa tsy tambiny t@ asa natao io toerana io ?
Tokony mamaly eto izy ahitana izay tena marina e !
Mangataka am-panajana anao izahay Andriamatoa Tale Jeneraly mba hamaly ity fanontaniana ity : Nandray vola sy nandray anjara t@ ny Fanonganam-panjakana t@ 17 Marsa 2009 io ve ianao ? Porofoy aminay !
Misaotra tompoko
Raha hoahy manokana dia isaorana ny Kly Charles nanambara ny marina izay azo lazaina fa efa fampitandremana hoantsika amin’ny manaraka.
Tongava foana mi-grevy eny @ 13 mai na Ambohijatovo fa ny fotoananao lany, ny volanao lany fa rizalahy mahazo vola be any ambadimbadika any.
Filma efa nitranga daholo na ny vola nozaraina na ny fitondrana olona hovonoina eny @ zone rouge, ny tsy famelana haino aman-jery hanambara izay zava-nisy marina sy hitany any ambadimbadika any sns... koa mba asaivo mijery fika hafa indray ny mpanao politika te-hanongam-panjakana. Raha isika mantsy mbola tsy mahatanty ny tena fifandimbiasam-pahefana marina ary tsy mieritreritra fa ny nandresy tamin’ny alalan’ny fifidianana ihany no tokony hitondra mandritra ny fotoana voafaritra ary fifidianana ihany koa no hahafahana manolo mpitondra. Izao koa vao maika nampidinina ny taonan’ny....
Ny tokony himasoana dia ny fanarenana ny fiainantsika izay potika tanteraka @ izao fotoana izao. Ny an-drizareo any andafy any ny fiainana sy ny fifaninanana ara-barotra mandeha ihany fa ny antsika mbola laozana miady sy mifanazava hoe iza no marina, iza no diso dia ny harenantsika alaindrizareo mankany ivelany tsimoramora.