Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 14h30
 

Société

Méteo

Des écoles fermées suite aux intempéries

jeudi 23 janvier 2020 | Fano Rasolo

Après la grève des enseignants, cette fois-ci, ce sont les précipitations causées par les intempéries des derniers jours qui perturbent l’enseignement dans les établissements publics. Ainsi, de nombreuses écoles ont fermé leurs portes pour éviter les dangers qui pourraient être engendrés par les intempéries.

« Depuis lundi, beaucoup d’écoles, de collèges et de lycées tant publics que privés dépendants de la Direction régionale de l’Education nationale et de l’enseignement technique et professionnel (DRENTP) de Boeny, Melaky, Betsiboka, et Sofia ont dû cesser les cours », explique Feno Richard Andrianiriana, un responsable au niveau du ministère de l’Education nationale et de l’enseignement technique et professionnel (MENETP), hier.

Il a en outre souligné que les responsables au niveau des DRENTP et des Circonscriptions scolaires (CISCO) doivent nécessairement prendre une décision de fermer les établissements dès menace grave d’inondation, de glissement de terrain, ou d’éboulement.

Dans la région Analamanga, le mauvais temps a augmenté le taux d’absentéisme scolaire, certains parents ayant décidé de ne pas envoyer leur enfants en classe.

« J’ai choisi de garder mes enfants à la maison à cause du mauvais temps, pour éviter leur contamination par diverses maladies à l’école et aussi les dangers en cours de route. Et comme ils ne vont pas en classe tous les mercredis après-midi, je les ai retenus toute la journée ce mercredi. Je les renverrai à l’école demain, si le temps est sec  », selon Nantenaina Randrianantenaina, mère de famille à Tanjombato.

« Peu nombreux sont les élèves qui se se rendus au lycée hier, certainement suite au mauvais temps, j’ai observé de nombreuses places vides », affirme un professeur de Mathématiques au Lycée d’Andohalo.

Pour rappel, la réforme du calendrier scolaire, établie par l’ancien ministre de l’Éducation nationale, Paul Rabary et son équipe a été abandonnée. Cette réforme qui entrait dans le cadre du Plan Sectoriel de l’Éducation (PSE) envisageait que les vacances scolaires soient programmés durant la saison des pluies et des cyclones pour permettre. En effet, ce sont les élèves dans les régions qui en subissent surtout les conséquences, étant contraints de s’absenter à chaque mauvais temps. Souvent, les établissements publics doivent également servir de centre d’hébergement pour les sinistrés, ce qui signifie, suspension des cours.

26 commentaires

Vos commentaires

  • 23 janvier 2020 à 09:52 | Hery Rak (#10294)

    Tsy vahaolana zany fanovana ny calendrier scolaire izany. Ny ankamaroan’ireo mpitondra teto amin’ny firenena dia nahavita fianarana tamin’izao calendrier izao avokoa, Dikany azo arahina tsara io. Ny fananganana foto-drafitrasa misahana ny maha olona eny anivon’ny kaominina no tena olana.

    Tsy diso mihintsy ny fitondrana tany aloha tany raha nanangana ny atao hoe Tranompokonolona mba handraisana ireo Tra-boina rehefa tonga ny andron’ny fahavaratra tahaka izao.

    Voalohany avereno sy atsangano ny tranompokonolona fa tsy natao trano hivavahana akory ireny toy ny etsy isotry.

    Faharoa, Tokony vitaina ao anatin’ny herin’andro faharoa ny volana Jolay ny fanadinana BAC mba ahazahoana 2 herinandro hanampiana ny telovolana voalohany.

    Fahatelo, Araho tsara ny fandaharampianarana satria misy ireo sekoly no manitatra izany mba hampisongadina ny mpianatra ao aminy.

    Ary ny farany dia tsy fitsinjovana ny mpianatra sy ny maha olona ihiany ny fialantsaratra amin’ny andro fahavaratra. Tsy hisy intsony ny mpiala-sasatra raha ovaina io. Iza ny olona handeha hamonjy ranomasina amin’ny andro avy orana ? iza ny olona hanao « Voyage » amin’ny andro fahavaratra.

    Diniho sy saintsaino ihiany aloha fa ny minisitra sy ny fianakaviana ka handeha « avion » hoany andafy avokoa hilalao rano mandry.

    • 23 janvier 2020 à 10:49 | Vohitra (#7654) répond à Hery Rak

      Olona efa mirediredy tsy ampy fiheverana ianao rangahy ity a !

      Ny rano miakatra, ny voay masiaka, ny ankizy tsy ampy sakafo, ny efitrano fianarana dobo rano, ny andro maintso ahitra, dia avela ho potika ve ny ho avin’ny ankizy any ambanivohitra ?

      Tsy mahagaga raha mangozohozo sy mivaralila ny fitondrana mijoro, olona maivandoha toa anao izao ny manohana azy !

    • 23 janvier 2020 à 11:17 | Zanabahoaka (#8890) répond à Hery Rak

      Io indray fa miteniteny foana itony noho io fanohanana be fahatany ny fitondrana io.

      Fa heverin’ingahy ito fa mpitondra firy teto amin’ny firenena no nivoaka avy any amin’ireny ambanivohitra tany lavitra andriana ireny, tsy ny présidents ihany fa kotio daholo ny « hauts responsables de l’état » hatramin’izay. Ary firy ny nahavita fianarana hatraiza ampitahaina amin’ny tsy nahavita ?

      Ary raha ny resaka fananganana Tranompokonolona ho fialofan’ny traboina dia aleo hazava amin’ingahy fa tsy noho ny sekoly atao fialofana akory no mahatonga ny fampianarana ho tapaka rehefa fahavaratra fa vokatry ny andro ratsy mihitsy : tondraka ny rano, tapaka ny lalana, maro amin’ireny ankizy any ambanivohitra ireny no mandeha manodidina ny 4 na 5km na mihoatra vao tonga any an-tsekoly ary tsy afaka mihetsika akory rehefa andro toy izao, maika moa fa rehefa cyclone tena cyclone, vao dépression kely mapme io aza dia efa izao sahady.

      Ankoatra ny fananganana sekoly hanakaiky kokoa ny ankizy dia ity PSE an’i Paul Rabary ity no anisan’ny vahaolana « à court et à moyen terme » amin’izany. Fa mba fantatr’itony moa hoe inona no mba antony naroson’ingahy Praiminisitra hialana amin’ity PSE ity ? Satria hono raha arahina io dia lasa hiandry enim-bolana ny zanaky ny sasany vao afaka hanohy ny fianarany any ivelany rehefa afaka Bacc. Fa zaza malagasy firy moa no tonga hatrany amin’ny Bacc aloha, avy eo firy amin’ireo no afaka hanohy fianarana any am-pita ? Izany no antsoina hoe fitsinjovana ny tombotsoan’ny vitsy an’isa.

      Manaraka dia milaza koa ity Hery Rak tsy mahita afa-tsy ny vatan’orony ity fa tsy afaka hiala sasatra hamonjy moron-dranomasina hono raha fahavaratra ny « grandes vacances ». Fa heverinao fa tokantrano firy aloha no afaka manao fialan-tsasatra mamonjy moron-dranomasina ? 86% ny malagasy anie dia miaina amin’ny latsaky 360.000 Ar isam-bolana. Ary 75% miaina amin’ny latsaky ny 7000 Ar isan’andro na 210 000 Ar isam-bolana. Ary izay mba afaka manao an’izany aza angaha afaka mijanona roa volana na telo volana any Foulpointe ? Herinandro izay betsaka indrindra. Ary adinon’ingahy ito fa misy fialan-tsasatra mihoatra ny herinandro anie manelanelana ny trimestre hianarana. Tsy manakana izay te handeha fialan-tsasatra amin’ny main-tany mihitsy ny PSE.

      Mbola vao ny resaka toetr’andro io. Jereo akaiky koa hoe amin’ny fotoana inona no misy fidiram-bola ny ray aman-dreny hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra. Tsy volana Septambra aloha mazava ho azy raha tsy hoe mivadika amin’izany volana izany koa ny fararano. Ankoatra izay dia tsy voaresak’ingahy ito koa ny fanampian’ny ankizy ny ray amandreniny any an-tsaha amin’ny fotoam-pambolena mahatonga azy ireo tsy afaka mankany an-tsekoly amin’izany fotoana izany. Fa izany rehetra izany tsy misy iraharahianareo azy satria ianareo tsy mahafantatra sy tsy mahita ny zava-misy marina any amin’ireny ambanivohitra ireny. Mpitondra tia tena tsy mitsinjo an’iza na iza afatsy ny ny fianakaviany sy ny manodidina azy akaiky.

      Tsy hoe hatramin’izay io calendrier scolaire io no nampiharina dia hoe mety sy tsy mila fanovana akory. Tsy novaina io hatramin’izay satria miaro ny tombontsoan’ny zanaky ny vitsy an’isa teo amin’ny fitondrana. Rehefa voakitikitika anefa izany dia avy ny mpandrava efa. Io mandrava efa io moa efa mahazatra ny fitondran’i DJ hatrany amin’ny tetezamita. Ny tenako manokana na tsy mpomba an’i Ravalo aza dia anisan’ny nanohana ny réforme narosony tamin’ny 2008 momba ny fanabeazana fototra ovaina ho 7 taona sy ny fampidirana tsikelikely ny fampiasana ny teny anglisy. Fomba fijery tsy miangatra no nanohanako an’izany miampy ny zava-misy ary namarin’ny zavatra hitako sy ny niainako izay lehibe sy nianatra tany ambanivohitra fa tsy fijery « partisan ». Vao tonga teo anefa ingahy Razafimanazato Julien, minisitry ny arabe dia nandrava efa ihany koa ny nataony. Tsy mahagaga.

    • 23 janvier 2020 à 11:43 | Zanabahoaka (#8890) répond à Hery Rak

      Apetrako eto ireto antontan’isa ireto ho ampitainareo any amin’ny Prezida raha mba hainy koa mamaky azy. Asaivo mandefa enqueteurs koa izy hanadihady ny antony eny ifotony rehefa tsy fantany hoe inona ny antony mahatonga an’ireo antontan’isa ireo ho tahaka io. Tsy asiako fampitahana akory amin’ny firenena hafa satria anisan’ny efa gisitra isika amin’ny lafiny fanabeazana.

      - Education index 0.493
      - Government expenditure on education (% of GDP) 2.8
      - Expected years of schooling (years) 10.4
      - Mean years of schooling (years) 6.1
      - Mean years of schooling, female (years) 6.4
      - Mean years of schooling, male (years) 5.8

      - Gross enrolment ratio, primary (% of primary school-age population) 144
      - Gross enrolment ratio, secondary (% of secondary school-age population) 37
      - Gross enrolment ratio, tertiary (% of tertiary school-age population) 5

      - Primary school dropout rate (% of primary school cohort) 64.9
      - Primary school teachers trained to teach (%) 15
      - Literacy rate, adult (% ages 15 and older) 71.6

      - Pupil-teacher ratio, primary school (number of pupils per teacher) 41
      - Survival rate to the last grade of lower secondary general education (%) 65

      26 tapitrisa ankehitriny ny isan’ny Malagasy ary ny antsasak’ireo dia latsaky ny 20 taona avokoa. 2,8% ny harin-karena faobe ihany anefa no atokan’ny fanjakana ho an’ny fanabeazana.

      Azo lazaina ho maro ihany ny ankizy no tafiditra amin’ny Fanabezana fototra (resy lahatra ihany ny ray aman-dreny fa mila ampidirina an-tsekoly ny zaza) fa ny 65% tsy mahavita an’izany akory. 37% amin’ireo tokony hianatra any amin’ny Kolejy ihany no any an-dakilasy, ary 5% izany sisa rehefa any amin’ny Lisea. Mbola misy 30% amin’ireo mihoatra ny 15 taona tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory. 6ème raha farany lavitra « en moyenne » no tongan’ny ankizy ary mpampianatra 1 ho an’ny ankizy 41 no misy any amin’ny fanabeazana fototra ka ny 15% n’ireo mpampianatra ireo ihany no voaofana manokana hampianatra.

    • 23 janvier 2020 à 11:58 | Vohitra (#7654) répond à Hery Rak

      Miarahaba Zanabahoaka,

      Olona adala sy mamoantsampona mihintsy ve sa ahoana e ?

      Ny fahavoazana manjo ny ankizy no resaka vokatr’ilay tandrametaka tamin’ny fitazonana ny diarim-pampianarana sy tetiandro taloha ka ny azy ny fialantsasatra indray no ataony vaindohan-draharaha…

      Mba diniho anie ity lazainy e : « Diniho sy saintsaino ihiany aloha fa ny minisitra sy ny fianakaviana ka handeha « avion » hoany andafy avokoa hilalao rano mandry »

      Tena olona tsy valahara mihintsy marina…

    • 23 janvier 2020 à 12:38 | Zanabahoaka (#8890) répond à Hery Rak

      Miarahaba Vohitra,

      Izao no alehany rehefa maivan-doha loatra. Rariny araka ny teninao raha mangozohozo ilay fitondrana raha olona toy itony no mba miara-miasa aminy sy mpanohana azy.

      Mba te hampiseho hoe « ny minisitra sy ny fianakaviany afaka mandeha any an-dafy milalao ranomandry raha décembre na janvier hatramin’ny mars izany ny grandes vacances fa ny Malagasy tsy afaka manao fialntsasatra any amoron-dranomasina fa fahavaratra ny andro »

      Vao maika anefa mandeti-tena marina mafy. Aminy izany ajanona mai-tany ny fialan-tsasatra lehibe mba samy afaka mandeha ny rehetra, ny minisitra moa hamonjy été any an-dafy ihany dia ireo tsy velon-komana mety mba ho tonga any Foulpointe na Mahajanga ve ?

      Tsy hidirako lalina akory ny fampitahana ny fari-piainan’iretsy Minisitra afaka misonanina amin’ny karazam-piainana rehetra afaka hatao sy ireo mitrongy vao homana.

      Ny tenako manokana efa 21 taona vao nahita an’izany Toamasina sy Foulpointe izany. Antsirabe no mba naleha lavitra indrindra satria any no misy fianakaviana mba afaka mampiantrano, tsy voatery mipetraka amin’ny tranom-bahiny izay mazava ho azy fa tsy takatray. Ny ray aman-dreniko anefa raha nampitahaina tamin’ny tantsaha niara-nonina taminay dia tsy azoko lazaina ho anisan’ireo sahirana indrindra satria mpiasam-panjakana mandray karama isam-bolana na dia kely aza izany. Ny ankamaroan’ireo mpiara-mianatra tamiko tany amin’ny EPP sy CEG ary Lisea dia mbola tsy nandia an’izany Antananarivo izany akory ny tongony kanefa dia tsy aiza fa etsy amin’ny 45km manodidina.

      Asa hoe firy isanjaton’ireny zanaka tantsaha ireny no mba efa nahita an’i Mahajanga na Toamasina na Foulpointe. Fa ry Hery Rak sy ry Isandra afaka mandeha any isan-taona mahita fa tototra vahoaka foana ireo tanana ireo rehefa fialan-tsasatra dia hoe afaka manao vakansy ny Malagasy.

    • 23 janvier 2020 à 15:15 | I MATORIANDRO (#6033) répond à Hery Rak

      @ her rak

      AAALLLEEEZZZ

      LOHAM-BALALA TSY VANONA. dondrona tsisy apoaka.

      ndehana aloha mianatra DAM lisany de tafavoaka io LLLOOOZZZAAA io.

      Telo mipetraka iray mandeha.

  • 23 janvier 2020 à 10:43 | Vohitra (#7654)

    Miarahaba Tompoko,

    Indrisy tokoa mantsy !

    Raha mba tsy nanao mafy loha tsy azo natoro mantsy ianao io, raha mba tsy niziriziry tamin’ny hevitra diso mantsy ianao io, dia mba nitovy ny zaza Malagasy manoloana ny rafin-pampianarana misy eto !

    Ny ety antanan-dehibe mianatra ny ankizy, tsy misy ny voina, miasa ny fiara fitanterana, saingy mba ahoana kosa ireo ankizy any ambany ravina any antsaha ?

    Ny tetiandro naroso tao amin’ny PSE dia efa nametraka fa tokony ny volana desambra ka hatramin’ny volana febroary no fialantsasatra, mainso ahitra tokoa eo, misy ny voina voajanahary, miakatra ny rano, mba mifanontrona ny mianakavy ary tsy mitebiteby ny raiamandreny amin’ny menaky ny ainy…

    Fa ianao io miziriziry loatra mafy hatoka satria hoe manam-pahefana, tsy natao hitsinjo ny mahantra sy fadiranovana satria manankatao, nobeazina teny antanan-dehibe ka tsy natao hitsimbina afatsy izay mitovy aminao !

    Tomponandraikitra feno ianao amin’izao zavamisy manjo ny zanaky ny ambanivolo izao, ahoana moa no hahafeno ny 800 ora fampianarana ny ankizy any ambanivohitra amin’izao fiatoana sy fijanonana lava izao ?

    Sa natao hizaka ny fianarana mora koa ny ankizy zanaky ny tantsaha ? dia hahazo fahalalana mora, dia avy eo mahazo karama mora, dia mivimbina fitaizana mora ?

    Indrisy mantsy ! ireto ilay ankizy tsy mba nahazo fanomezana tamin’ny fety krisimasy, ny teny Antaninarenina moa nahazo, ny teny amin’I Mompera Pedro nahazo, ireto izany ilay zaza natao hiaritra ny mafy tsy manana anjara fifaliana amin’ny fiainana !

    Mankasitraka tompoko

    • 23 janvier 2020 à 16:43 | Vohitra (#7654) répond à Vohitra

      Efa tsy henatra sy baraka intsony no resahana eto !

      Hoy izy : “nohevriko ho nisaina be mihoatra ahy ianareo”, manomboka eo dia tsapa tanteraka tsy misy fangarony intsony fa dia efa ny hagegena sy havendranana, ary fahosana ara-tsaina no tsy azo ihodivirana…

      Ny ady hevitra niompanan’ny resaka etsy ambony dia ny amin’ny hoe mba hisian’ny fitoviana, ny tsy hisian’ny fiangarana eo amin’ny samy zaza Malagasy, mba samy tokony hanana anjara mitovy manoloana ny rafim-pampianarana ny taranaka rehetra hanohy ny ampitso ho an’ny Firenena.

      Tsy azony, tsy takany akory, tsy voarain’ny fandinihiny akory ilay resaka sy adi-hevitra, dia ny azy ny hamaly resaka sy ny hanoratra fotsiny izao izay rehetra mandalo amin’ny atidohany no ambarany…

      Fa heverinao ve fa tokony ho vendrana sy poak’aty toa anao daholo ny taranaka Malagasy rahampitso e ?

      Ny fialantsasatra sy ny rendrarendra ary ny fisehosehoana io no mahamaika, nefa ny tena vendrana, tsy misy fahalalana mba entina miady hevitra, osa fisaina sy osa fandinika, ory hevitra, olona miady amin’ny penina…

      Dia tsy mahagaga tokoa mihintsy raha mifanohana…

      efa mangHer ny atidohanao fa mandiniha tena...

  • 23 janvier 2020 à 13:03 | Hery Rak (#10294)

    Vohitra (#7654), Zanabahoaka (#8890)
    Alefao lavitra ny fomba fijery ry akoholahimbohitra sy ry taimbahoaka aaaa,
    Nohon’ny inona no nahatonga ireo zanaka malagasy tsy tafita ? nohon’ny orana ve ? iza no tsy nanome azy ireo ny foto-drafitrasa mendry azy ireo, ny calendrier scolaire ve sa ny fahavaratra ? nohevriko ho nisaina be mihoatra ahy ianareo. Iza no milaza aminao fa mihozongozona izao fitondrana izao. Raha mba nisy olona tsara sy tokony hitondra ity firenena ity mihoatra io filoha io ankehitriny io, ataoko angamba fa tsy tonga teo amin’io fitondrana io ny filoha ankehitriny. Fa tsy izao vava be rehetra izao no inona.
    Raha nitsinjo ireo zanabahoka ireo ny filoha rehetra hatrizay ataoko angamba tsy ho tahaka izao ny « situation » misy azy ireo ankehitriny. Manao taondasa tsy tsaroana avoko ianareo milaza azy ho mahay ato.
    Fa izao no tadidio, miandrasa aloha ny 2023 fa aza manonofy atondrao lisany, raha mahita adversaire matanjaka koa aloha. Si non, ampio 5 taona indray ny 2023.

    • 23 janvier 2020 à 15:07 | Zanabahoaka (#8890) répond à Hery Rak

      Asa hoe iza no tsy mandefa lavitra fomba fijery sy tsy mahita afa-tsy ny vatan’orony eto.

      Ary afaka avadikao taimbahoaka no iantsoana ahy fa tsy manova ny maha Zanabahoaka ahy akory izany izay tsy anisan’ireo mpangoron-karena sy olom-bitsy tsy mihevitra afa-tsy ny tombotsoan’ny tenany sy ny fianakaviany.

      Raha ho hadihadiana lalina eto ny tsy nahatafita ny zanaka Malagasy hatramin’izay dia tsy ho ampy ity forum ity satria dia hiverina hatrany amin’ny Repoblika faharoa sy ny tohiny rehetra ny resaka.

      Ny mety indrindra dia ny manadihady ny ezaka efa vita sy ny ezaka mbola tokony hatao. Hatreto aloha dia tsy hita taratra amin’ity fitondrana ankehitriny ity mihitsy izany ezaka izany na ny kely aza, indrindra moa hoe hevi-baovao hanova zavatra goavana (ankoatra ny mandrava efa tahaka ity PSE ity). Ny fizarana « kit scolaires » ataon’i Prezida Rajoelina fisehosehoana ankehitriny io dia ny fitondrana Ravalomanana no nanomboka azy. Raha ny momba ny boky sy ny « manuels scolaires » indray dia efa hatramin’ny fitondran’i Zafy Albert nizara ny « A toi de Parler », nitohy tamin’i Ratsiraka II nizara ny Garabola, ny Kingavola sy ny Rosovola fa tsy vao i DJ koa akory no tompon-kevitra tamin’izany. Notohizan’i Ravalomanana io fanontana « Manuels scolaires » io ary nohavaozina koa izany tamin’ny fotoan’androny.

      Raha hiverina anatin’ny adihevitra eto momba ny diarim-pampianarana isika dia tsy nilaza velively izahay fa ny « calendrier scolaire » irery ihany akory no anisan’ny tsy nahatafita ny zanaka malagasy fa saingy anisan’ny antony lehibe sy manan-danja izany. Izany olana izany anefa dia efa nitadiavana vahaolana ihany koa tamin’ny andron’i Paul Rabary voafaritra tao anatin’ny PSE fa nony tonga ireto mpandrava efa dia miverina any am-piandohana indray fa tsy mety amin’izy ireo hono izany PSE izany. Asa manan-kavaly ianao hatreo sa tsia ? Ny tetezamita moa teo anelanelany teo tsy nanao na inona na inona momba ny fampianarana ankoatra ny fanafoanana ny teny anglisy tsy ho tenim-pirenena nataon’ilay minisitry ny arabe Razafimanazato Julien sy fanafoanana ilay « réforme » fampianarana ambaratonga fototra mba ho lasa 7 taona fa tsy 5 taona tahaka ny ankehitriny.

      Ary hoy ianao farany hoe « misy milaza azy ho mahay ». Asa hoe iza no nilaza azy ho mahay teto ankoatra ny fitantarana ny zava-misy marina sy iainan’ny ankizy. Fa ny hitako aloha ary itompoako teny dia ianao aloha tsy anisan’ny « mahay ».

      Ahoana moa no fomba ahatakaranao ny adihevitra hatao raha manavaka ny « mangozohozo » sy ny « mihozongozona » aza tsy hainao akory ? Ary na manao diso matetika aza ny tenako dia tsy mbola àry nanoratra « nohon’ny ». Raha ny fomba fanoratrao fotsiny aloha dia ahitana taratra fa tsy nahomby tokoa angamba ny fanabeazana hatramin’izay, na ny anao manokana no mety nisy olana ka enga anie izany mba hamporisika an’ingahy Filoha hanompana bebe kokoa ny volam-bahoaka ho fitsinjovana ny fampianarana sy ny fanabeazana indrindra ny ambaratonga fototra.

      Raha ny momba ny nahatongavan’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana dia adihevitra hafa mihitsy raha tianao hotohizana dia haka fotoana hafa ho amin’izany isika fa tsotra ny ahy ary hofeheziko amin’ireto manaraka ireto, mba tsy hilazako fa nisy ny hala-bato :

      « Mettez 11 imbéciles d’un côté, 10 philosophes de l’autre... les imbéciles l’emporteront. C’est ça, la démocratie ! » hoy ny mpihira frantsay malaza iray izay. Asa rehefa tsy ho toy izao intsony ny fanabeazana azon’ny Malagasy raha mbola hametraka filoham-pirenena tahaka an’i DJ eo amin’ny fitondrana ny vahoaka.

      Ary farany dia hoy i Vaclav Havel :
      « La scène politique attirera toujours des aventuriers irresponsables, des ambitieux et des escrocs. On ne cessera pas si facilement que cela de détruire notre planète »

    • 23 janvier 2020 à 16:47 | Vohitra (#7654) répond à Hery Rak

      Efa tsy henatra sy baraka intsony no resahana eto !

      Hoy izy : “nohevriko ho nisaina be mihoatra ahy ianareo”, manomboka eo dia tsapa tanteraka tsy misy fangarony intsony fa dia efa ny hagegena sy havendranana, ary fahosana ara-tsaina no tsy azo ihodivirana…

      Ny ady hevitra niompanan’ny resaka etsy ambony dia ny amin’ny hoe mba hisian’ny fitoviana, ny tsy hisian’ny fiangarana eo amin’ny samy zaza Malagasy, mba samy tokony hanana anjara mitovy manoloana ny rafim-pampianarana ny taranaka rehetra hanohy ny ampitso ho an’ny Firenena.

      Tsy azony, tsy takany akory, tsy voarain’ny fandinihiny akory ilay resaka sy adi-hevitra, dia ny azy ny hamaly resaka sy ny hanoratra fotsiny izao izay rehetra mandalo amin’ny atidohany no ambarany…

      Fa heverinao ve fa tokony ho vendrana sy poak’aty toa anao daholo ny taranaka Malagasy rahampitso e ?

      Ny fialantsasatra sy ny rendrarendra ary ny fisehosehoana io no mahamaika, nefa ny tena vendrana, tsy misy fahalalana mba entina miady hevitra, osa fisaina sy osa fandinika, ory hevitra, olona miady amin’ny penina…

      Dia tsy mahagaga tokoa mihintsy raha mifanohana…

  • 23 janvier 2020 à 15:30 | plus qu’hier et moins que demain (#6149)

    Assalaamo alaikoum

    Contrairement aux critiques acerbes de ceux à court d’idées, j’espère que notre PRM lors de son second mandat va avoir une idée lumineuse pour transformer la ville sur la photo en nouvelle Venise (après Miami et Ibiza) : Cela va faire encore des jaloux sur ce faux-rhum d’Akam. Les vénitiens n’ont qu’à bien investir pour protéger les leur en proie à la montée historique des eaux ces derniers temps.

    • 23 janvier 2020 à 15:53 | Zanabahoaka (#8890) répond à plus qu'hier et moins que demain

      En effet,

      Demain, le Président va nous annoncer quelques modifications du plan des EPP manara-penitra pour y mettre des pilotis de 30m et ainsi prévenir l’inondation des salles de classe. Le Ministère de l’Education Nationale étant peu enclin à modifier le calendrier scolaire prévu dans le PSE, cette idée lumineuse permettra aux enfants de continuer les cours dans des salles sèches. Plus aucune école ne sera fermée pour cause d’intempéries. Par contre, il faudra prévoir des bateaux gonflables dans les kits scolaires et un compresseur solaire pour chaque établissement.

    • 23 janvier 2020 à 16:38 | plus qu’hier et moins que demain (#6149) répond à plus qu'hier et moins que demain

      Zanabahoaka,

      Nous autres élites sont là pour maîtriser/dominer la nature/les intempéries par nos connaissances mais non pas à se plier aux bons vouloir de la Dame nature : C’est ça un homme et un homme averti en vaut deux n’est-ce pas ? Si vos suggestions sont la solution, allons dans ce sens car cela va créer des emplois (qui manquent évidemment chez nous).

    • 23 janvier 2020 à 16:50 | Zanabahoaka (#8890) répond à plus qu'hier et moins que demain

      J’en ai un autre qui va te plaire le mosqueeman pour résoudre le délestage de la JIRAMA

      Dominer la nature selon PQMD (celui-ci je vais le mettre dans mon plan d’action avec les EPP manara-penitra sur pilotis que je vais envoyer tout à l’heure)

      - Installer 100 parafoudres pour attirer les éclairs au sommet d’Angavokely et relier directement ces trucs à un transfo qui, lui sera connecté au RIA d’Antananarivo. C’est largement moins cher que le barrage hydroélectrique de Sahofika.

      D’autres paratonnerres et divers transfos peuvent être installés à souhait au sommet des 12 collines de Tanà, à commencer par Ambohidrapeto pour électrifier le Tanamasoandro.

    • 23 janvier 2020 à 16:54 | plus qu’hier et moins que demain (#6149) répond à plus qu'hier et moins que demain

      Sans oublier qu’avec le changement climatique, les saisons cycloniques peuvent s’étendre du mois de Décembre de l’année en cours au mois de mai de l’année suivante (soit une période de six mois avec des débuts précoces ou tardifs : un cyclone au mois de décembre comme à fin avril nous a déjà affecté dans le passé) donc fixer les grandes vacances à combien de mois et en commençant par quel mois reste une casse-tête chinois de plus. En sus la période annuelle endémique de l’épidémie de peste. Le temps aussi c’est de l’argent (Time is money) : Nos experts du PSE avaient-ils estimé ce coût et l’ont-ils comparé avec le maintien du calendrier actuel ? Est-ce qu’on a les moyens ?
      On n’a pas besoin d’un calendrier scolaire dynamique mais de la continuité dans les études de nos enfants.

    • 23 janvier 2020 à 17:12 | plus qu’hier et moins que demain (#6149) répond à plus qu'hier et moins que demain

      Evidemment la peste fait plus de mort que le cyclone et se propage plus vite si les enfants sont en milieu scolaire.

  • 23 janvier 2020 à 16:01 | Ibalitakely (#9342)

    Firy isan-jaton’ny tanora Malagasy no MBA mianatra & firy isan-jaton’ireo mianatra ireo no MBA hafaka manohy ny fianarany any ivelany ka mahatonga ny calendrier scolaire tsy azo kitihina ?? [valio aneritreritra fotsiny ihany].

    • 23 janvier 2020 à 16:32 | plus qu’hier et moins que demain (#6149) répond à Ibalitakely

      Ibalitakely ah : « Ny fianarana anie no lova tsara indrindra » hoy ny tarika Landy Volafotsi n’ i Odeama Rakoto.
      Ka na firy na firy ny isany dia omena izay voninahitra sahaza azy ary tsy vitan’izay ihany fa ny mpampianatra avy amintsika manofana any ivelany sy ny avy ivelany manofona eto amintsika dia mila fifandrindrana calendrier scolaire. Ambon’izany ny enseignement à distance izay mila io finfandrindra io ihany koa amin’ny fanaovana fanadinana sy fanomezana diplaoma.

    • 23 janvier 2020 à 17:31 | Vohitra (#7654) répond à Ibalitakely

      Fa ianareo ve efa mitapy sa ahoana marina e, sao dia heverinao fa misy mpampianatra FRAM aty aminao mandeha manao mission mampianatra any andafy a ? sa heverinao misy coopérant frantsay mandeha mampianatra any amin’ny EPP any Ivohibe ?

      Aza hohanina izay biby fady anao fa mandrary lasa mirediredy tsy misy farany eto e...

    • 23 janvier 2020 à 18:17 | plus qu’hier et moins que demain (#6149) répond à Ibalitakely

      Aiza ary nareo izany r’i Vohitra,
      Fa taiza ianao tamin’ny ora nidona no tsy mahalala fa misy Peace Corps/Corps de la paix amerikanina anie mampianatra eto.
      Ireo professeur amin’ny anjery manontolo ireo dia manofana any ivelany, manginy fotsiny ireo Professeurs Associés be dia be.

    • 23 janvier 2020 à 18:34 | Vohitra (#7654) répond à Ibalitakely

      Tena tsy miainga mihintsy izany zanak’atidohanareo izany e, inona no fantatry ny peace corps amin’izay rafim-pampianarana aty aminao e, manao asa fanasoavana izy sy maka traikefa no tena ataony aty e !

      Ary ity resaka ity anie rafim-pampianarana any amin’ny ambaratonga faharoa sy fanabeazana fototra fa tsy eny amin’ny anjerimanontolo e !

      Tena mifangaro voraka ilay vavahadintsainao e, aza hanina oa izay fady fa mampivaha fotsiny !

    • 23 janvier 2020 à 19:11 | plus qu’hier et moins que demain (#6149) répond à Ibalitakely

      Vohitra,
      Mampianatra teny anglisy anie ny sasany amin’izy ireny.
      Aza boriborina amin’ny sekolimpanjakana ihany ny fijerinao fa misy ihany koa ny sekoly tsy miankina na ambaratonga faharoa na ambony.
      Farany ary ny tena fositra dia tadiavina tsy ampianarina amin’ny fotoan’ny rivo-doza ireny ankizy ireny : Mba fantatrareo ve firy isan-jaton’izy ireny no manana trano mafy afaka miaro azy amin’ny voka-dratsy ny rivo-doza ? Rehefa any ampianarana ihany no azo antoka kokoa tsy aleho ve izy mianatra satria ny rivo-doza anie ka mandalo ihany ary vinavinaina ho latsaka ny folo isaky ny fotoanany (iray isambolana eo ho eo).

    • 23 janvier 2020 à 19:20 | plus qu’hier et moins que demain (#6149) répond à Ibalitakely

      Tsy vitan’izany fa misy fanentanana isankarazany ho fiarovana amin’ny rivodoza ka anisan’izany ny saina mena izay midika fa tsy azo atao intsony ny mivezivezy ary tokony hialoka any amin’ny toerana azo antoka ny vahoaka : Ny ambany tokony hiakatra amin’ny toerana avo, ny manana trano tsy azo antoka tokony hamonjy toerana azo antoka, sns...

    • 23 janvier 2020 à 21:01 | Vohitra (#7654) répond à Ibalitakely

      Fa tsy hitanareo ve io vaovao ratsy olona roapolo tsy hita nentin ny rano io e ?

      Sa avela ho faty indray koa ny hevitrao ny ankizy e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS