Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 21h00
 

Tsakotsako

Biby sa olona

lundi 29 septembre 2008 | RAW

Hisy orinasa lehibe hamokatra sakafom-biby am-polo-taonina isan’andro hatsangana eo Andohatapenaka. Eo amin’ireo tanimbary sy tany nisy tranon’olona an-dalan’ny ho tototra no hanaovana izany. Nanazava ny anton’ny ilana izany ny filoha Ravalomanana tamin’ny alin’ny zoma lasa teo raha vao tonga avy nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana.

Araka ny fahazoana azy dia mifaninana mafy loatra ny sakafom-biby sy ny sakafon’ny olona hany ka saozanina foana ny biby fiompy. Raha tsy ampy ny sakafon’ny olona dia tsy maintsy miafy na tsy mihinana mihitsy ny biby. Mampahatsiahy ny ohatra miendrika fanontaniana nataon’izy filoha ihany izy ity raha niresaka momba ny fiompina sy ny fampianaran-janaka izy, indray andro. Hoy izy nanontany hoe : tsy fantatra intsony na ilay zaza no ambesan’ny omby, na ilay omby iray na roa no andrasan’ilay zaza. Kanefa io zaza io dia tokony hianatra, saingy indrisy.

Ho an’ny tokantrano malagasy any ambanivohitra dia tena marina izany. Mifampiankina na mifampiditra mihitsy ny fiainan’ny biby sy ny olona. Izay ambin-tsakafo eo no omena ny biby fiompy. Tsy misy loatra ny sakafo atokana ho an’ny biby fiompy, hafa tsy ny vilina isan-karazany sy ny mololo ary ny kolikoly na solofo dimbin’ny vary. Ireo no tena voatokana ho an’ny biby. Ny sisan’izay, tahaka ny mangahazo, ny katsaka, ny karaoty, ny saozaha, ny vomanga sy saonjo, dia hifampizaran’ny olona amin’ny biby. Ankoatry ny tamin’ny andron’ny « barieran’ny SINPA », tany amin’ny taona 1981-1982 tany afovoany andrefana, ka nanatavizana kisoa ny vary, satria tsy nahaleo ny sarany ny vidiny raha namidy tamin’ny fanjakana sy ireo orinasa miankina taminy.

Ity orinasa ho eo Andohatapenaka ity, izay efa nahitana vola avy any ivelany ny hanorenana sy hampandehanana azy dia hamokatra sakafo ho an’ny biby fotsiny na « praovandy » izany. Ny filoha moa tsy nilaza na angamba nihevitra fa tsy ilaina ho fantatry ny be sy ny maro hoe biby inona avy no voakasik’izany fa ny tena mandany vola koa ange, indrindra vola vahiny, dia ny sakafon’ny « crevette » na makamba na patsa be, izay fantatra fa ny ampahany betsaka dia hafarana avy ao Maorisy.

Ny fantatra aloha dia efa misy orinasa lehibe mamokatra sakafo ho an’ny kisoa, akoho, bitro sy ny hafa koa. Misy koa ny orinasa madinidinika any antsefantsefany any. Fa hatreto dia tsy mbola misy tena mpamokatra sakafo ho an’ny trondro atao hoe « saumon » sy « truite ». Ireo dia vokatra be mpitady ary azo inoana fa hanondrana an’io isika rehefa tototra ny tanimbarin’i Betsimitatatra.

Raha tsorina ny tian’ny filoha lazaina dia hamelona ny toekarena malagasy no antony hanotofana io faritra io. Raha ny ahiahy mikasika ny tondra-drano aty amin’ny manodidina ny tatatra GR sy C3 (Ampefiloha, Manarintsoa, Isotry, Ankasina, Antohomadinika, Ankazomanga) dia tsy anjarany fa anjaran’ny teknisiana ny misoroka izany. Ny voamarika aloha tamin’ny resaky ny filoha teny Ivato ny zoma alina teo, dia tsy niteny momba ilay tany voalaza fa hananganana trano fonenana eo Andohatapenaka izy. Asa, fanadinoana sa hoe efa mazava iny fa ny biby fanondrana no tena maika etsy an-daniny fa ankilany ny olona koa... sao adino.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS