Fambolena eto Madagasikara
Tsy mety manan-karena ny tantsaha
samedi 19 avril 2008 |
| 1477 visites
Ny 80% ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Midadasika ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, ary azo volena eo avokoa ny karazam-boly maro samihafa. Na tsy ampy aza ny masom-boly eto, dia miezaka manafatra izay tratra ny fanjakana.
Fanentanana natao ho an’ny tantsaha rehetra ny teny hoe « mamokara », satria io no antoky ny fampandrosoana. Nijoro teny ambanivohitra rehetra teny ny karazana fikambanana samihafa hanampy ireo tantsaha na eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompiana. (...)