Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 10 mai 2024
Antananarivo | 16h47
 

Malagasy

Fitorian’ny mpiasa BFV-BTM

Nihemotra amin’ny 16 May ny didy

samedi 19 avril 2008 |  327 visites  | Naivo kely

Tomefy mpiasa tao amin’ny BTM sy BFV teo aloha tetsy amin’ny fitsarana omaly. Niandry ny vokatry ny fitsarana tamin’ny fitorian’izy ireo ireo olona nanodikodina ny vola tokony ho an’ny mpiasa niala an-tsitra-po tao amin’ireo banky ireo.

Nahemotra amin’ny 16 Mey indray ny didy momba ity raharaha ity. Ny mpiasa « déflatés » teo anivon’ny BFV sy BTM ireo, dia miantso ny mpiasa rehetra mba hiara-hitaky ny rariny amin’ny fanomezana ny anjara-volan’izy ireo. Ar 20 tapitrisa isan’olona no fampanantenana nomena azy ireo amin’ny fialàny an-tsitra-po tao amin’ny toeram-piasany, saingy nivadika izany tato afara, ka nambara fa Ar 10 tapitrisa isan’olona indray no omena. Io vola io anefa hatramin’izao mbola tsy azo fa vao ampahany kely fotsiny no nomena ny mpiasa. Ny TAFA no voalaza fa fototry ny olana ary io no notorian’ny mpiasa ho nanodina ny volany.

Voaheloka herintaona an-tranomaizina ny TAFA, ary io nampiakatra fitsarana ambony omaly io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS