Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h10
 

Répondre à un commentaire

17 septembre 2022 à 18:55 | lé dezertera (#11352)

17 septembre à 17:05 | arsonist (#10169) répond à tsimahafotsy ^
...
Je rappelle souvent ces paroles de « Nampoina » et qu’il avait réellement appliquées dans les faits :
« Ny fanjakako tsy hananako havana ».


Valiko amin’ny teny malagasy ny soratr’i arsonist mamaly an’i tsimahafotsy :

- « Nampoina » dia zanaky ny Mpanjakan’Ikaloy izay « Hova » teny Avaradrano sy Bodonandriambelomasina teo Ambohimanga. Izay no nilazany an’i Laidama fony izy hiamboho ka nitsodrano ity handimby azy hoe : « Aza adino ry Laidama fa Tsimahafotsy ialahy ... » (Tantaran’ny Andriana - Père Callet)

- « Ny fanjakako tsy hananako havana » :
Io ilay antsoiko hoe « jurisprudence Rabodolahy ».
Rabodolahy dia zanak’i Nampoina tamin’ny vadibeny Rabodonimerina, noho izany dia nihevi-tena fa tokony handimby azy.
Tsy ilay io anefa no nasain’i Nampoina notezain-dRalesoka anabaviny (io no razambenay ary ao amin’ny fasana misy azy no hisitrihana rahatrizay) ho fikarakarana ny handimby azy fa Laidama.
Dia nokasain-dRabodolahy ho vonoina Laidama, kanjo tsy nahomby fa tratra ilay teti-dratsy.
Nanontany ny hevitr’Andriamazonoro i Nampoina ny amin’ny tokony ho atao an-dRabodolahy noho izao heloka mihaopefy vitany izao (Heloka teo amin’ny fanjakana Merina ny fanonganam-panjakana - averiko fa « paradoxe » io voalaza io - resaka Nampoina sy Andrianjafy nanjaka tapany).
Hoy Andriamahazonoro : Inona no ambony indrindra ho an’ny Andriamanjaka ?
Namaly Nampoina hoe : « Ny fanjakako sy ny Ambanilanitra » dia notohizany tamin’ilay teny malaza nampatsiahivin’i arsonist ery ambony hoe « Ny fanjakako tsy hananako havana ».

Tohin’ny tantara : nasain’i Nampoina novonoina Rabodolahy na dia lahimatoany aza.

Fehiny :
Izay (m)nanongam-panjakana dia mendrika ny ho vonoina ho faty - 2009 isika io.
Kanefa raha ampiarina ilay tenin’i Nampoina hoe : « Ny fanjakako tsy hananako havana », heloka raha tsy ahongana izay manao ny tsy mety amin’ny tany ary mampahory ny Ambanilanitra.
Ny hendry sy manan-tsaina no aoka handinika.

PS : Mahita isika filazana fa tsy niteraka Ralesoka, marina izany satria tsy niteraka tamin-dRabasivalo vadiny voalohany izy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS