Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 15h21
 

Répondre à un commentaire

13 mai 2022 à 14:51 | Besorongola (#10635)

IZA NO ILANA ?

Tsy hitondra mankaiza ny firenena ny fampihàrana geja amin’ny endriny samihafa ny vahoaka. Tsy hahasoa ny vahoaka velively ny fomba fanampenam-bava amin’ny endriny samihafa tsy haneho hevitra amin’ny fiainam-pirenena. Vao mainka manimba firenena ny hametrahana ny vahoaka ho tompon-trano mihono amin’ny zava-mitranga rehetra, fa izay resaka fanazavana amboamboarina avy amin’ny fitondrana no atolotra sy hazavaina aminy. Fahadisoana tanteraka amin’ny fomba fitantanam-pirenena izany ary matetika ny tompony ihany no ifoterany sy itodiany.

Mihazakazaka miroso amin’izany ny fitondrana raha ny zava-misy hita taratra eto amin’ny firenena. Tsikaritra izany na mody atao an-kinafinafina aza, fa tsy sahy ambara ampahibemaso. Ny manaporofo izany, ny famakiana bantsilana ataon’ireo olona ihàran’izany amin’ny firesahana amin’ny haino aman-jery samihafa ny amin’ny tsy fanajana ny rariny sy hitsiny. Manamafy ireny ihany koa ny fikambanana maro samihafa, na manao politika na tsia, izay misy eto amin’ny firenena. Raha tsy nisy an’ireny dia tsy nahafantatra n’inona n’inona ny vahoaka fa zary nandeha resaka an-kifonofono sy honohono sisa ny zava-nisy eto. Hiteraka voka-dratsy eo amin’ny fifandraisan’ny fitondrana sy ny vahoaka hatrany izany. Ny ankehitriny aza efa tsy hay lazaina intsony ny elanelana manasaraka sy ny tsy fifampitokisana eo amin’ny roa tonta. Ny vahaolana ataon’ny fitondrana amin’izany anefa tsy hita soritra mazava. Manampy trotraka izany rahateo ny tsy fisian’ny finiavan’izao fitondrana Rajoelina izao, efa ho efa-taona latsaka izao, amin’ny ezaka famerenana ny fampihavanana eto amin’ny firenena. Manaporofo izany, ohatra, ny fandrirarirana efa aman-taonany izao ny momba ny fitakian’ireo gadra politika mivondrona eo anivon’ny Fedep. Efa nambara teto hatrany am-piandohan’ny nandraisan-dRajoelina ny fitondrana, fa anisan’ny sakana lehibe iray amin’ny fampandrosoana ny firenena dia ny tsy famerenan-kasina ny fihavanana eo amin’ny mpiray tanindrazana. Io tsy vitan’ny vava fotsiny ataon’ny mpitondra eny am-pikabariana amin’ny sehatra samihafa, fa tena mila asa mivaingana. Dia miharihary ankehitrny, ny fanaovana an-tsirambina izany izay iaraha-mahita sy miaina izao ny zava-misy eto amin’ny firenena, mandrorona ny asa fampandrosoana.

Ny mahavariana, dia ny fitondrana hatrany no mitaky sy mangataka fitoniana eto amin’ity firenena ity. Samy miaiky anefa ny maro, ary efa milaza izany hatrany ny mpanohitra, fa ny eo anivon’ny fitondrana ihany no rangory fototry ny afo, avy aminy ihany no hisian’ny tsy fitoniana, satria efa eo ampelatanany amin’ny ankapobeny ny fifehezana ny andrim-panjakana rehetra. Na ny toeran’ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimierampirenena aza nataony tamin’izay tian’ny fitondrana anaovana azy. Ny Lalampanorenana hosihoseny amin’izay tiany atao, ohatra, ny momba ny governora, sns… Koa tsy atao hahagaga raha mitranga ny olana maro samihafa ankehitriny eto amin’ny firenena, ny fitondrana sy Rajoelina mihitsy izany no olana ho an’ny firenentsika ankehitriny.

Valosoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS