Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
56 %
Derniers commentaires
- Isandra : MIAMI à inaugurer, il rajoute dans la liste des réalisations de ce régime : (...)
- lé kopé : Et le Pipe Line , alors que le Dead line est largement dépassé ? Et dire que (...)
- Isandra : YAR, Il me dérange, le fait que ce n’est ni la réalité, ni la vérité. Juste, (...)
- Isandra : Voici mon post à cette époque : # 25 avril 2016 à 10:40 | Isandra (#7070) (...)
- Isandra : Molotov, En effet, j’ai écrit(je me suis fié à un article d’un blog) ici que (...)
Archives
Fa tsy ity olona ity ihany ve no :
o Niteny ny volana marsa 2020 fa tsy atahorana noho ny aretina pesta sy tazo ity Coronavirus ity e !
o Nilaza fa Bala tifidanitra no nidina nitsororika namonjy ny fen’ilay mpianatra maty e !
o Namory artista ny 06 marsa 2021 ka nanao lanonana goavana tsy misy fanajana ny elanelana sy tsy misy arovava orona kinanjo niteraka aretina tamin’ireo mpanatrika e !
o Nilaza ny andro zoma ka nanambara tao amin’ny TVM fa tapaka nandritry ny fivoariana filankevitry ny minisitra fa ny vakisiny Janssen vokarin’ny Johnson et Johnson no neken’ny fanjakana Malagasy… kinanjo ny alahady manaraka an’io ny Filohampirenena dia nilaza fa mbola hivory amin’ny herinandro miditra manaraka ny Fanjakana sy ireo mpikambana amin’ny Akademia, ary hanapaka izay vakisiny hafarana sy ekena omena maimaimpoana ny Malagasy e !
o Nanambara ampahibemaso fa Zo sy fahafahana tokony hositrahana ny maneho hevitra ankalamanjana ary tokony hosokafana ho an’ny mpanohitra ny kianja eo Ambohijatovo fahizany e !
o Niakampeo sy niakampofona nilaza sy nanome tsiny ny minisitry ny fahasalamana Ahmad Ahmad raha nandray fanapahankevitra ny hangataka tamin’ireo malalatànana sy fianakaviambe iraisampirenena mba hanome fitaovana sy fanafody entina miatrika ny aretina Covid, ary isany nitondra tany amin’ny fanesorana ity minisitry ny fahasalamana ity e ! kinanjo ato afara, io indray fa mandany volabe ny fanjakana manafatra fitaovana mividy any ampita izay fitaovana mba hahafahana manome oxygène ireo marary e !
Dia ny zoma ianao manao taratasy ho fandrarana sy fisakanana ny fanehoana hevitra politika dia io ianao indray no milaza sy miresaka ny alatsinainy fa tsy manana fikasana ny hamotika ny fahafahana maneho hevitra eto !
Sa ity fandrarana ity natao handrarana vetivety foana andro vitsy mba tsy hilazana izay mety hitranga ny andro asabotsy sy alahady mandritry ny fihibohana ? dia io fa tonga ho azy ilay fiaramanidina nitondra vazaha avy any ampita, dia avy eo foanana amin’izay ilay fanapahankevitra !
Fa iza marina ireto vazaha tonga ireto, ary hanao inona aty izy ireo e ?
Mahagaga an !