Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
58 %
Derniers commentaires
- Yet another Rabe : Miharahaba Air Mad, Efa fantatry izao Tontolo Izao fa mahantra (...)
- Shalom : Izany hoe mpanely tsaho fotsiny itony zinandra itony momba ilay resaka ESCA (...)
- Shalom : 👍👍👍👍👍👍👍👍👍👍👍👍👍👍
- Jipo : « Des dizaines de milliers » ?
- Shalom : FOMBA MALAGASY : Misy teo amin’ireo RAZANTSIKA ny fomba amam-panao izay (...)
Archives
Miverina ihany ny lasa efa natao...
Mbola nisy nandrasana vao nakatona ny fitanterana anabakabaka ny 19 marsa 2020...
Ao Nossy Be ihany sisa no seranana mandray fiaramanidina avy any ampita, saingy mijanona ao Nossy Be ihany ireo vahiny mpizahatany...saingy tonga teto Antananarivo sy Toamasina namory vahoaka ilay mpihira an i Jerosalema...
Efa noraisina tamin ny Alarobia ny fanapahankevitra mazava sy hentitra fa tsy mandray fiaramanidina mitondra mpandeha avy any ampita intsony i Madagasikara...kinanjo io fa tonga ihany ny mpandeha avy any Frantsa nentin ny Air France.
Fa iza ireo mpandeha ireo ?
Hanao inona aty ireo ?
Mitondra inona ireo ?
Tomponandraikitra feno sy tanteraka amin izao zavamisy sy ny fiantraikan izao nitranga izao ny fanjakana Malagasy.
Tokony aseho ampahafantarina ny vahoaka tsy vaky volo hoe iza daholo ireo olona tonga tamin io sidina iray io...ary aiza izy ireo no mitoby, moa ve nahiboka tanteraka ireo mpandeha rehetra ireo, ary aiza izy ireo no nahiboka ary mandritry ny hafiriana...
Dia sanatria ve dia hitovy indray amin ny raharahan ilay « botry » niditra antsokosoko tao Mahajanga indray ity sidina Air France ity ?
Iza marina ireto mpandeha ireto ?