Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
54 %
Derniers commentaires
- Isandra : Molotov, Longue queue, c’est normal, parce que, plusieurs foyers n’ont pas (...)
- Isandra : YAR, Quand on se sent protégé dans un autre pays, on se permet de raconter (...)
- Ombiasy : Saint jo vu par lui meme ;Quel homme !
- Ombiasy : c’est à plus de 60 ans d’abandon ,d’impéritie ,de pillages,de malversations,d’incompé
- Saint-Jo : Pour un peu , ces bac-3 be-sy-leo foza femelles couillues anti ambaniandro (...)
Archives
(i) Aleo aloha omena asa handikàny teny ny vozongo nirahan’ireo manam-pahefana any amin-dry zareo any ,
dia tonga hitsindroka vaovao sy fahalalàna eto amin’ito serasera ito ,
mba hizahan-dry zareo mpiremby harena any antanin’olon-kafa
izay fomba hiarovan-dry zareo an’ity Bokassa gasy ity ,
izay tsy inona akory fa sary bakolin-dry zareo natosiny , dia io lasa filoha gasy io .
(ii) olivier2 no saron’anarana entin’ity voairaka hitady sy hitsindroka vaovao sy hevitra eto ity.
Mba amiliana izay rehetra tsikera atao eto , mba handeha any ankafa fa tsy iantefa any amin’i Bokassa gasy , sary bakolin-dry zareo ,
dia adroadro sy fiantsiana ankitsirano mazava be izao no ampiasain’ity olivier2 ity ,
mba ampasahiranany izay rehetra mpanohitra ny « vils colonialistes attardés du XXIème siècle » .
(iii) Ka dia fanahy iniana ary no anoratako ity lahatsoratra ity amin’ny teny gasy laroina tenin-dry zareo ,
mba ahavinavinàny fotsiny fa fanarabiana azy anie izy ity ,
kanefa koa sady tsy ahazoany tanteraka sy mazava izay soratako .
Efa maromaro ihany izay fa tsy vao izao aho akory no sendra
itony mpitsindroka sy mpamory vaovao mitsikilo
izay rehetra ataon’ny olona ahiahian’ny sampam-pitsilovana ,
sahala amin’ity olivier2 ity itony .
(iv) Ny tena mafotaka indrindra tamin’itony asa fitsikilovana natao anay toy itony ,
dia tamin’ny fotoana andro fahiny
nanazarako tena miteny English indray mandeha isan-kerinandro
tao amin’ny American Parish Church tery amin’ny Quai d’Orsay teto Paris .
Arakin’ny tombatombako manokana , dia miaramila be kintana taloha fa efa misotro ronono ilay tompon’andraikitra mpandamina ny fandraisam-pitenenana tao .
Tamin’ireo namana tonga nanazatra tena miteny English tao , dia nisy Gaulois iray izay .
Nandritr’izay rehetra fotoana fandraisana fitenenana
dia tsy mba nanaraka izay fepetra nisy tao mihitsy izy izay ,
fa dia noteteziny tsirairy avy ny mpandray anjara rehetra ,
dia resahany manokana zavatra tsy misy antony sady tsy misy lanjany akory ,
no sady koa amin’ny teny frantsay no nanaovany azy .
Dia hita be izao fa ny hanakorontana sy hanakivy
ireo mpandray anjara amin’ilay fanazaran-tena
ka tsy hiverina ho ao intsony amin’ny manaraka
no tena zavatra nokendren’ilay Gaulois io .
Dia tena tsy misy hafa mihitsy amin’ity ataon’i olivier2 eto amin’ity serasera ity !
PS : Fa ny tena nahagaga ahy dia tsy mba nomen’ilay tompon’andraikitra fampitandremana mihitsy ilay Gaulois io , fa dia navelany nanao izay tiany natao tao faona .