Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
68 %
Derniers commentaires
- MALIBUC : Télécharge ADBLOCK (bloqueur de PUB).
- #tsimahafotsy : Bonjour à tous, Je voudrais savoir si mon ordi est vérolé et si je suis la (...)
- Yet another Rabe : Re-, Si le pouvoir mafieux fozaesque peut se permettre de traiter par (...)
- Yet another Rabe : Bonjour à tous, À lire : https://lgdi-madagascar.com/2024/04/25/la-une/jirama-l
- Ombiasy : la chute a commencé lorsque tous les fonctionnaires de l’époque coloniale sont (...)
Be ny manome tsiny ny mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny Anjerimanontolo. Mba azon’ny kely saina tsy mandinika ve fa vokatr’asan’ny teny amin’ny IOGA Ankatso no nahitana ireny toerana misy volamena sy safira ary harena an-kibon’ny tany ireny saingy ny mpitondra nifandimby teo no nanararaotra NANGALATRA izany voka-pikarohana izany hanangonan-harena ho azy ireo ? Jereo ny resaka volamena any Ambilobe izay mody saronana amin’ny tetik’asa « ethanol », tsy rapport d’étude teny amin’ny IOGA ve no nilaza fa toerana feno volamena iny faritra iny ? Omena tsiny ny mpikaroka sy mpampianatra, mba tao anatin’ny filamatry ny fitondrana eto Madagasikara ve ny fampiakarana ny ivom-pianarana, tsy ahena isan-taona ve ny teti-bola omena azy ireny dia avy teo ny kely saina rehetra dia manebaka fa tsy misy vokany akory ? Rahoviana ny Anjerimanontolo malagasy no haka laharana amin’ny fanisana iraisam-pirenena ? Ho tonga izany raha toa ka filamatry ny fitondrana ny hampiakatra ny ivon’asa n’ireo sekoly ireo. Saingy nofinofy izany satria mpitondra tsy nahita fianarana no sady tsy mahatakatra izany atao hoe fianarana no mitantana ilay firenena.