Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Miala tsiny, miala fondro amim-panajana indrindra, fa somary mitondra fanafintohinana ihany ity lahatsoratra tena sadasada manantsoratra naroso ity.
Ny Nosindrazanay Malagasy no resahana nefa toa tena fiheverana mivoy firehana avy any ankoatry ny riaka no tiana voizina sy nanaovana tolo-kevitra minia mandronjina sy mampikoro foto-panahy mampiaina ny fihetsehampo natao hikolo ny Tanin’ny Razana !
Angamba diso fiantefa ve ny noheverina ho mpandray ny lahatsoratra sa ahoana, maninona no tsy nalefa ho an’ny Firenena manome vahana ny fifangaroana ara-panajariana ny tany sy ny fanakapohana faobe ny kolontsaina sy ny tsy manaja ny fampijoroana ny tandrohasina iombonana anaty fiarahamonina ity lahatsoratra toa miaro fitaka sy mandrobo ho any amin’ny fanosena ny fanahindrazana ity ?
Teny toa mibasasaka manao be ambosaka fanaon’ny kapotsaka tsy valahara, mihevitra ny hanozongozona ny fiheverana, ny kolontsaina, ny fitaizana, ny hasimpanahy mampiavaka sy mampiaina ny fitiavana ny Tanin’ny mpandala sy mpikolo ny lova navelan’ny Razana ho an’ny taranaka sy ny fiarahamonina Malagasy tsy vaky volo.
« Madagascar doit inventer... », ahoana moa no hananao fahasahiana hanoratra izany ?
Fa heverinao fa tokony hanosy sy hanadino ny fombandrazanay sy ny fombantaninay ve izahay ?
Heverinao fa tokony hioty ny fijery sy fanao amin’ny fiheverana sadasada safiotra ve izahay ?
Miala tsiny aminao azafady, na ho vy na ho vato, na mora na ho sarotra, na anio na rahampitso, maninona moa raha samy mifanaja sy mifanome voninahitra amin’izay samy kolontsainy sy fombany ny isampirenena, fa tsy minia kosa hanao fanakapohana iraisampirenena amin’izay efa natao ho mampiavaka hanandratra ho harena ny faha samihafana ?
Sa ianao efa tsy manana harentsaina sy kolontsaina arovana intsony ka minia manozongozona ny hafa izay mbola mijoro na dia hoe efa marefo aza ?
Azafady kosa e ! Ento any amin’ny izay sahaza izany ny sosokevitra miaro poizina arosonao...