Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 9 juillet 2025
Antananarivo | 17h36
 

Répondre à un commentaire

9 juillet à 12:00 | Vohitra (#7654)

Ry Malagasy havana, na ny eto antoerana na ianareo any dilambato anivo sy ankoatry ny riaka,

Tonga eo amin’ny kihon-dalana sy kizo ny fiainampirenena sy ny fiarahamonina Malagasy ankehitriny.

Ny fitiavantena miaro fitiavana harena maloto no tena fototry ny fahavoazana mankadiry. Tsy ny vahoaka Malagasy no tompon’antoka amin’izay nefa.

Miaro ny « aina » sy ny fahavelomana sisa no fara hery ho an’ny vahoaka, ilay fanjakana mba nianteherana efa niofo ho voay sy bibidia tsy niaro intsony ny maha olombelona manan’aina sy kitro ifaharan’ny Firenena.

Lavo ny Malagasy, tritra ny fiarahamonina, voahosy ny soatoavina, voaota ny rariny sy ny hitsiny, aroso atao antoka ny Tanindrazana sy ny harenampirenena.

Ny fiandrianampirenena sisa no tandrovana mba fitsinjovana ny aina. Io no lova sy hafatra nomen’i Zanahary ny olony.

Nomen’i Zanahary anao ny Air Madagascar, aiza izy izao ? Ny SOLIMA, BFV, BTM, BNI, ROSO, COROI, SICE, SOMACODIS, FIFABE, SOMALAC, SAMANGOKY... torak’izany !

Raiso ny andraikitra ry Malagasy, tsy ny mpiara-belona na ny mpiray tanindrazana no androsoana ady, fa ireo tsy maty manota.

Ireo tsy maty manota mangalatra, mampidi-trosa mamoafady, mivarotra ny Tanindrazana, mamitaka sy mamotika ny harenampirenena Malagasy.

Zanahary o, tahionao ny Tanindrazanay.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.