Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Emirates s’allie à Madagascar pour renforcer la visibilité de la destination - Tu veut dire que tes commentaires sont constructifs alors tonga soa ? (…)
RN13 - Conférence nationale : priorités pour éviter un nouvel échec - RATEAU VEAU vous ne comprenez rien à rien. Je vous ai dit et répété que (…)
tonga soa - Conférence nationale : priorités pour éviter un nouvel échec - Bonjour Vohitra,
En théorie pourtant , dans une République :
Le pouvoir (…)
rakotobe - Emirates s’allie à Madagascar pour renforcer la visibilité de la destination - Certains ont perdu le pouvoir d interdire Certains individus de poster sur (…)
canal baobab 13 - Conférence nationale : priorités pour éviter un nouvel échec - En 66 années d’indépendance, Madagasikara avait connu quatre rebellions des (…)
Vohitra
{#URL_PAGE{archives}}





MANAMAFY NY FATOKISANY NY FITONDRANA NY MPAMATSY VOLA FMI, ARY VONONA NY HANOHANA ARA-BOLA NY PEM.
"Tafahaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny FMI, Kristalina Georgieva, indray ny tenako amin’izao fivoriamben’ny firenena mikambana eto New York izao.
« Matoky an’i Madagasikara izahay, matoky anao ary hanamafy ny fanohanana ny firenena Malagasy hanatratra ireo fanamby napetrakareo. Hotohizana ihany koa ireo tohana ara-teknika amin’ny fanatanterahana ny Plan Emergence de Madagascar » hoy ny teniny tamiko raha niaraka nanao jery todika ny fiaraha-miasa eo amin’ny FMI sy Madagasikara izahay nandritra ny fihaonana.
Mahavelombolo izany fahatokisana izany ary mankahery antsika amin’ny fanohizana ny ezaka efa natao eo amin’ny sehatry fandrindram-piterahana, ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fananganana fotodrafitrasa mifanindran-dalana amin’izany. Notsipihan’ny Tale Jeneraly Kristalina Georgieva ihany koa fa misy fiantraikany goavana eo amin’ny toekarena maneran-tany ny krizy iraisam-pirenena misy amin’izao fotoana izay manampy trotraka ny krizy ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. Nankasitrahany manokana kosa ny fahaiza-mitantana nasehontsika indrindra tamin’ny adisisika nataoko nandritra ny COP26 farany teo." Page facebook Andry Rajoelina.