Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h49
 

Tribune libre

Radio SAINA FOTSY, satellite SF

vendredi 30 septembre 2011

30 septambra 2011

Allô ? Allô ? Allô ? Mahare anay ve ianareo any ê ? Efa vonona ny teknisianina hampita izay vaovao mivantana avy any aminareo koa mitenena am’izay ianareo any an-toerana. Tandremo Radio SAINA FOTSY : anareo ny fitenenana !

« Misaotra anareo SF-fb nanome ny fitenenana anay mpitantara mivantana avy aty amin’ny Salon-n’ny mpifikafika pôliFika, andiany faha-2011. Vaovaon’ny Tetezamita : ifandrombahan’ireo deba tena bokony amin’ny fikafika pôliFika izay entana amidin’ny pokona efa boka trosa sady tsy mahaloa hofan-trano.

Varo boba, varo-boba, varo-boba dâolo ny entana ato. Saingy feno râsil sy prâ ary bôdega manodidina ny tanàna koa izay pokona mihodinkodina aty voalàko raha vao lava maso na mangaringarika. Karazana entana iray ihany no ataon’ny vadintany lavanty androany : SEZA isan-karazany be dia be, navoaka eto avokoa izay stock azo foronina !

Sôlda be dâolo dâolo eto :
- fauteuil luxe be toa ny an’ny ONU tsy fahita raha tsy any New-york ,
- seza vita sinoa fanaovan-tsonia ravin-taratasy fampiasa any an-tranokely fisainana,
- strapontin’ny betax efa nariana tany andralanitra satria sady bokaboka soudure no solitika menaka vidange,
- sezabory rofia miboraka, iavonavonan’ny mpitsingoloka eny amin’ny fripy.

Efa dakan’ny k’vindro ny sôsy koa mibànaka ny Grande Braderie ho an’izay tsy te-hamerina ny 4x4 nendahana tamin’ny mpianatra. 4x4 malalaka tsara hanolanana jôba kely terena hanao mak’rel sady ampianarina misotro whisky. Adalan’izay tsy mirotsaka amin’io taranja fahazoana mariboninahitra ambony io satria sady mampalaza be io no tsy mampigadra.

Hatreo aloha no azo ambara, ry mpihaino hajaina. Oadray, saika adino,azafady tompoko. Vaovao m’lay be ho an’ny teratany MFG-Miandry Fa Gâsy. Asaina izy ireo hanome haja sy voninahitra ny biz’n dance miezinezina, ampireven’ny deejay vao avy nahavita stage tany Zamérika. Ankalazaina amin’izany ny sosokevitrin’ny tampim-pahaizana amin’ny mpifikafika pôliFika. Congressistes : 650. Minisitra : 60

Vanitika party tsssâââ misy otssââân’ ty :-D

Radio SAINA FOTSY, averina any aminareo ny satellite. »

Roland Dieu Donné Vahömbey RABEARISON
http://www.facebook.com/groups/SainaFotsy/
http://fanambinanamadagasikara.blogspot.com/

12 commentaires

Vos commentaires

  • 30 septembre 2011 à 08:12 | Ikelimalaza (#5896)

    tsy azon’ny saina leferina izao fanalana baraka ny hambompom-pirenena izao.

    izay nanoratra io lahatsoratra eo ambony io dia mbola mihevitra foana fa kilalao ny politika sy ny fiainam-pirenena hany ka sahy maneso tsotra izao ireo olona tia tanindrazana sady tapi-pahaizana sahy nandray andraikitra tamin’ny janoary 2009 ka nanala ilay tsy valahara tamin’ny toerany.

    Aminao izany dia mpangalatra sy mpananaraotra daholo ireo olon-dehibe manan-kaja toan’ny Hasina Andriamanjato, Yvette Sylla, Alain Ramaroson, Norbert, Mr LeDolin, Pety, Sareraka, Mamy Gotso, Voninahitsy...sy ireo maro tsy voatanisa.

    Fa tsy mampaninona izany fa ny fandresena efa azon’ny vahoaka malagasy, ka na inona fanarabiana, na inona eso dia ireny hitan’ny vongamasontsika omaly ireny ny fandresena miezinezina.

    AZONAY E ! TSY HAMELANAY

    PREMIER TOUR DIA VITA

    • 30 septembre 2011 à 09:35 | gasy_kely (#439) répond à Ikelimalaza

      Ikelimalaza,

      Azonareo marina de aza amelana !!

      Ianao aloha mahay mampimehy e. Mahalatsaka noho ilay ampitapitao..

      Tsikera ny an’i Vahombey ary tsikera natao hanatsara zavatra fa tsy voatery ho ratsy foana. Inoako fa ho raisin’ireo manampahaizana notanisanao teo ireo ilay tsikera ka hiezaka hanatsara ny efa vita ny manankaja.

    • 30 septembre 2011 à 15:20 | gldlrp (#6034) répond à Ikelimalaza

      ianao mihitsy no efa tsy misaina tsony, tsy fantatrao akory hoe ireo olona ireo (sy ny maro hafa tsy voatanisa) dia mpangalatra sy mpanararoatra daholo.Sady jamba ianao no marenina

    • 30 septembre 2011 à 15:28 | Rabearison Vahömbey (#6035) répond à Ikelimalaza

      SALANITRA Ê… !

      Saintsaino tsara, ry Olompirenena, sao eo antokonam-baravaran’ny tsy manantsiny no hirefotra ny « printemps malagasy » ! Lohataona tokoa anie isika io ê. E ity ingahibemasoandro mamaky loha sola !

      Mandromodromotra ny voaàry manontolo !! Maitso ahitra ny tambanivohitra. Refona tsy manan-katokona. Hiridana ny doro-tanety. Very fialofana ny an-tanàndehibe. Boka trosa mampi-te hamono tena. Hiridana indray ny doro-magazay ? LOHATAONA mahamay.

      Ho an’ireo tafintohina noho ny lahatsoratra « Radio SAINA FOTSY, satellite SF-fb ». Matoa io nohiniana nosoratana amin’ny tenin-jatovo an-dàlambe dia hanairana fa efa mihaodihaody mandrani-njava maranitra ireo Bandy akama leo sy tofoka ny viraviraina ireo !

      Tsy hisy ho afa-bela ny mpiara-monina raha mbola indraindraina ny tsangan’olona na mpitondra io, na mpanohitra ofisialy. Na mpihambo mahay pôlitika io ! Na mpifikafika pôliFika matihanina !!

      Tsy mandraharàha n’iza n’iza amin’ireo ny SAINA FOTSY ! Ny fiarahamonina manontolo eto no tsinjovina. Ny anongotsongoina ny maty ê ! Sao mandevina ny velona.

      Koa avela hirefotra ankabibiana ve ny « printemps malagasy » sa tantanana ampilaminana mba ho fanavotana ampahamendrehana, tsy ankifamono ho faty ?

      Izaho manokana malaina tanteraka amin’ny ady sy korontana ! Saingy ho voavalan’i SAINA FOTSY ve ity haromotam-bahoaka efa miraondraona ity ? Ahy sy anao no mamaly izany !

      AGNÂBO SAINA FOTSY Ê !

      Aleo misoroka toa izay mitsabo !

      AGNÂBO SAINA FOTSY Ê !!

      Anjomara fanaraina mialoha lakolosin’antambo !

      AGNÂBO SAINA FOTSY Ê !!!

    • 30 septembre 2011 à 16:09 | Ikelimalaza (#5896) répond à Rabearison Vahömbey

      Vahoaka romotra manakory aloha Andriamatoa Rabearison ?
      Ny zavatra hitako sy tsapako hatraiza hatraiza dia vahoaka faly sy afa-po no mifanerasera amiko isan’andro.
      Na havana akaiky, na namana, na olona mifanena eny rehetra eny dia na izy miteny hoe leo politika na izy afa-po.

      Misy namako iray izay efa nanentana ny olona tamin’ny janoary 2009 hanangana saina fotsy makadiry 400 m X 400 m, eny antampon’anaty rova na i Manjakamiadana.

      Lohataona mahamay ahoana moa rangahy, fa angaha tsy hitan’ny vongamasonao ireo fandrosona makadiry etsy ankorondrano ? ny entana MORA, trano mora, tsena mora, bois mora ? ny foto-drafitr’asa makadiry : kianja, hopitaly manara-penitra ?
      Ny lapan’ny tananan’Antananarivo dia tsangam-bato lehibe mitohoka amin’ny tenda. Jereo tsara ny hafalian’ireo « mal gache » maka sary eo anoloana isan’andro.

      Misy namanao efa anisan’ireo olom-boafidy CT na CST (Mamy Gotso, Sareraka) mino aho fa mifankahazo aminy tsara ianao. Ento eny amin’izy ireo ny hetahetanao fa aza mandrahona sy maniratsira ny REVOLUTION ORANGE.

      Antsirabe, afa-doza ny vahoaka fa tsy eo intsony ilay mpangalatra tany sy mpampahory vahoaka. Mino aho fa namanao koa Ilay sociologue malaza sady mpihira malaza, mahalala bebe kokoa izy amin’ireo rehetra ireo.

      Tsy mbola tafiakatra avo dia avo ohatran’izao ny hambompom-pirenena ka ny saina fotsy mena manga no tokony hatsangana fa tsy izany saina fotsy izany

      Mahereza tompoko.

      2013 : Andry Nirina RAjolena 80%, Pierrot 3%, Roland 10%, Georget 0.03%, Lahiniriako 0.05%, Rabearison ???? Ra8 (still in the RSA)

    • 30 septembre 2011 à 17:59 | gldlrp (#6034) répond à Ikelimalaza

      Fa amin’ireo mody hoe zava-bita reo moa, mba afaka lazainao hoe fa maninona nefa ny fiainan’ny olona no vao maika mitotongana.
      Tsy nisy vola tokony hanatsarana ny fiainam-bahoaka lasan’ireo olona fantatrao be dia be ireo hoe miadana tsara ny fiainany.
      Ary miseho mibaribary ihany koa ny tsy fitsinjovanao ny malagasy mitovy aminao satria aminao izy « mal gache » satria manao izy ivelomany maka sary fa ianao kosa mitsetsitra ny volan’ny olona tsotra izao. Ny hotel de ville, fefena daholo satria tsy azo alehan’ny malagasy, tsy natao ho an’ny malagasy fa hanaova fietsiketsehan’ny HAT fotsiny. Raha manana asa ireo olona ireo tsy haka sary eo mihitsy akory. Ary raha toa koa ka 80% i Andry Rajoelina dia mazava ho azy fa efa nahazo vola daholo ny olona any amin bureau de vote sns e.

  • 30 septembre 2011 à 13:15 | ratiarivelo (#131)

    Ry-Ikelimalaza o !!! efa sampy lany andro ny anao fa mievera : fa aza variana MIVARALILA !!!Hianao no "MASAKY ny dorany , ka mangatsiaka ny hambony !!Ary SASA-POANA manao sàha maina , fa TSY HO TOMPON-TANANA akory !!

  • 30 septembre 2011 à 13:21 | ratiarivelo (#131)

    BRAVO RY LERY A MIMISY NY LAHATSORATRA TOY IZAO !!! KE LE MEHERA GAININA !!! ki vivra vera ??

  • 30 septembre 2011 à 15:02 | Ravao (#5319)

    Akory koahy e
    misaotra aloha vahombey:bloc2. bloc1 ihany ity. raha toa moa ka seza tena ara’dalana no sady haharitra ka maninona.Zavatra hita fa tsy hamokatra izao ka hoe new york aho e ; vahoaka be voavidy io aho e.

  • 30 septembre 2011 à 16:25 | Ikelimalaza (#5896)

    Andriamatoa Rabearison,
    Fanontaniana 4 monja :

    - aminao fanonganam-panjakana no nitranga tamin’ny volana janoary, febroary, martsa 2009 sa kosa fihetseham-bahoaka ?
    - Raha asaina mifidy ianao, demokrasia sa fihavanana ?
    - inona no programa atolotrao hoan’ireo tantsaha 80% (any Midongy Atsimo, Faratsiho, Mananara Avaratra, Manja, Vangaindrano...) ?
    - raha tsy maintsy mifidy ianao dia miara-miasa amin’ny firenena miteny anglisy sa firenena miteny frantsay ?

    Efa niteny teo koa mantsy na i Maihol, na i Georget, na i Roland, na i Ratsirahonana...omena anao ny micro

  • 30 septembre 2011 à 16:57 | ratiarivelo (#131)

    ra-Ikelimalaza O !! aza i MANJAKAMIADANA no hataonao resaka na tsy haizamena , sao dia ifoteran’ny rambony eo ?? malama maina ny tanin’ny mpanjaka , ka sarotra anaovana tongo-dovia !! fA NY ATY INGAHIRAINY : Toy ny vato any Ambohimanga : milevina ila tsy lo , mitanin’andro tsy haraka !! fa izay ratsikirity sy ny FORONGONY : Ireny sy hianareo no "IKALA adala omen-dasiray ,ka herinandro mitsinjaka IHANY !!

    • 1er octobre 2011 à 08:42 | Eleonore (#5039) répond à ratiarivelo

      Allo, allo saina fo ? Mba omeo OMO tena mazana hanasana ny sainanay, fa mitady ho maramara izy ity ! Ny vola hividianana lasa navidy ilay vary mora ; ary dia mbola miandry ny hena mora koa hihinana azy. Tsy hita moa izy ity fa tsy an’asa ny tena e ka aza omena tsiny. Soa ihany aza fa mba afaka nandeha nitsangatsangana nijery ny aeroplanina tonga sy miaina, satria noetohan’ny akama ny frais-ko. Dia miandry - tsy miandry an’i Paoly akory sanatria - fa miandry ny volabe ho entin-drizalahay be vola fotsy hoditra hozaraina maimaim-poana atsy ho atsy. Saingy asa i Saina Fotsy raha mba afaka hilaza hoe aiza ny fisoratana anarana ahazaona an’izany Euro izany. Dolara no tena mba tiako saingy toa mbola mihanahana hono i lerony dia aleo aloha haka an’ilay euro aloha. Ary ilay braderie n’i seza koa ve mila misoratra anarana ? Mba hiditra mantsy izahay mianankavy satria ny seza tao antrano efa namidy nividianana an’ilay vary mora.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS