Tandindomindoza ny vakok’i Madagasikara ary tsy tafita amin’ny mpiara-belona sy taranaka fara-mandimby ny Tantara.
MOA VE NY FANARENANA NY ROVA MANJAKAMIADANA NO LAHARAM-PAHAMEHANA ?
TSIA, satria :
- Maika kokoa ny mikajy sy manamafy ireo tsangambakoka anjatony izay manana ny lanjany miavaka nefa rava, misy mandoro na mametaveta (consolidation de l’existant)
- Maika kokoa ny mampianatra sy manazava ny saim-bahoaka ny amin’ny atao hoe vakoka sy ny lanjany ary ny antony hitandrovana azy
(sensibilisation) ) - Maika kokoa ny manohy sy manaparitaka ny asa « fanisàna sy fandraiketana antsoratra » ny vakoka isam-paritra
(inventaire) - Maika kokoa ny manamboatra sy manatsara ny tranombakoka efa mipetraka nefa tsy voakarakaraka ary tsy mahefa intsony ny andraikiny amin’ny maha mozea azy. Ohatra : mozean’Andafiavatra izay toerana fitehirizana ireo fitaovana « tena izy » ny toerana manan-tantara may tamin’ny 6 novambra 1995.
Sady toerana fampitàna ny tantara ho an’ny taranaka fara-mandimby ka mendrika ny hanara-penitra.
TSIA, satria :
Ny Rovan’i Manjakamiadana tsy tsangambakoka mijoalajoala ihany fa Ivohasina manana lanjany tsy roa amantany ka mendriky ny arindra ampilaminana sy ampahendrena ny fanarenana azy na amin’ny lafin’ny vakoka « tsy azo tsapai-tanana » na amin’ny lafiny teknika.
Ireo sokajy roa voatanisa ireo dia samy tokony hanaraka ny fenitra nentin-drazana avokoa.
« Ny hazo hono no mijoro, asesiky ny fakany »
Fikambanana Mamelomaso
(Febroary 2019)
Vos commentaires
Tsy takatr’i bôka zany ry mamelomaso a !
Ny azy dé : jé suis ihany !
Mahagaga fa izahay eto Antani’narivo zao dia tsy mahazo ary tsy mahita vaoavao intsony amin’ity délétazy ity
Oatran’i misy manao fanahy iniana .. amin’ilay hoe : avelao koa ireo hihinany a....y ao !
Kà efa tonga moa izao bôka , anao fahagagana , satri moa izy zany mpanao mazi gaigy be
Ho asiny tapolaka mahatsiravina , akapony mafy amin’i rindrina ny lohany dia isy vôla bédabé mahintsiny iaparitaka , hamonjena ireo traboina ao andrenivohitra ireo
Koa mifalia , mihobia , mandihiza fa tonga ny mpamonjy anareo ... vetivety faona dia ho avy ny tramway .. fafao ny ranomaso
Ny fanarenana ny rovan’i Majakamiadana ve no laharam-pahamehana !?
Raha ny zavatra hita anefa dia tamin’ny 6 Novambre 1995 no may ny rova ,izany hoe 23 taona taty aorina mbola tsy vita foana nefa efa filoha 5 no efa nifandimby teo ; Zafy (fotoana nahamay ny rova teo @ fitondrana ) ; Ratsiraka ; Ravalomanana ; Andry Rajoelina (tetezamita ) ; Rajaonarimampianina .
Raha ny fahitana azy anefa no toa efa tsy laharam-pahamehana hatramin’izay mihitsy ny fanamboarana ny rova izay mitahiry ny rakitry ny ela (patrimoine national ) .Zavatra izay ataon’ny firenena maro hafa tsy ho amabanin-javatra velively .
Raha dinihina anefa ,toa mety mampidi-bola koa hoa an’ny kominina ,ny fanjakana ny fahavitan’ny rova ,indrindra ho an’ireo vahiny mpitsidika .
Ny olana vaventy izany dia mipetraaka eo @ fahalomoran’ilay toe-tsaina nanomboka tamin’ny mpitondra nandoro ny rova ,anefa fantatra fa ry zalahy mpanao ratsy ,olona jiolamboto moramora manomboka amin’ny fahantrana ara-tsaina ny manangana ,nefa mora ny manapotika .
Mahagaga ve ilay firenena raha tsy tafavoaka hatramin’izao ????
Salanitra isika rehetra,
Lahara-pahamehana ny fanamboarana ny Rova saingy mitaky toe-javatra maro izany vao azo atao.
Marina avokoa ireo voalazan’ny fikambanana Mamelomaso ireo kanefa ny mampalahelo dia mbola lavitra ny làlana vao ho takatry ny sarababem-bahoaka ny maha-zava-dehibe ireo loha-hevitra ireo.
Tsy misy hifanomezan-tsiny anefa izany satria vahoaka noana no miaina ao Madagasikara, ary hoy ny fitenenana manao hoe : "raha ny kibo no noana, mivezivezy ny fanahy", raha ny kibo no noana, hanan-tsaina handinika an’izy Manjakamiadana ve ny Ambanilanitra ?
Manarak’izany dia tsikaritra ny tsy fandraisan’andraikitra eo anivon’ireo fianakavian’Andriana fa dia toa mizalavolavona miray petsapetsa amin’ny mpanao politika fotsiny ka manary hasina ny andraikitra tokony ho sahaniny. Hoy ny Fahagola : "Ny Andriana tsy andriana raha tsy ny vahoaka" izay midika hoe : y maha-Andriana dia tsy fiantsoana fotsiny fa mitaky adidy eo anivon’ny vahoaka. Tsy ny Andriana ve no tokony ho loha-laharana amin’ny fanarenana an’i Manjakamiadana ? Vitsy loatra ireo Andriana tonga saina manao izany, maro kosa ireo manary ny sata maha-izy azy. Koa raha ny andry ho jerena sy iankinana ve no tsy eo, iza no ho toky hialofana sy hitarika ny vahoaka ?
Fararanon-jozoro any Itasy, fararanon-tapia eny Imamo fa fararano-mpomban-drazana ny Zanak’Andriana.
Ny fitondrana tsy toky ary tsy antoka velively, ny fijejojejoana no maha-maika azy fa tsy izay tena fototry ny rakitra hevitry ny hoe Rovan’i Manjakamiadana velively.
Ambava homana am-po mierotra.