Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h20
 

Société

FJKM

Hivoaka ny litorzia nohavaozina

lundi 10 novembre 2008 | Herimanda R. |  638 visites 
Litorzia nasiana fanavaozana no hampiasaina atsy ho atsy (Sary : Herimanda)

Zava-baovao no hatrehin’ny FJKM amin’ny taona ho avy. « Aorian’ny Paska 2009 no hivoahan’ny litorzia nohavaozina ». Fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny FJKM izany nandritry ny fotoam-pivavahana lehibe notanterahina omaly tetsy Mahamasina. Litorzia ef nisy teo aloha ihany moa izy ity fa nasiana fanavaozana. Tsy voalaza moa ireo andininy nasiam-panovàna. Hatramnin’ny Paska 2009 dia ny litorzia efa nampiasaina hatramin’izay no mbola hampiasaina.

Fantatra ihany koa fa ny 18 janoary 2009 no fotoana hatokan’ny FJKM hiarahana ho fangataham-pitahiana ho an’ny filohan’ny FJKM mivady.