Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 07h34
 

Malagasy

Maître Avoko : « Mifohaza ry Gasy ! »

Hampidinina Andriamanitra

mardi 12 août 2008 | Manou
Maître Avoko mitarika mivavaka

« Tsy mety intsony ny fiainan’ny mpiray firenena eto Madagasikara, hoy Maître Avoko Rakotoarijaona, na inona na inona fiovana natao ! »
Manaitra ny rehetra izy ankehitriny, hiova ary hitodika amin’Andriamanitra, hitady vahaolana hanavotana ny firenena amin’izao fahavoazana tsy eran’ny aina izao. Firenena nahalala an’Andriamanitra hatramin’izay i Madagasikara, araky ny fanazavan’i Maître Avoko, ary niaina tamin’ny fahatahorana azy foana mandra-pidiran’ny kolontsaina vahiny noraisintsika nanapotehana io nampiavaka ny malagasy io, ka nahavery ny maha-izy azy sy ny fanavotana tokony ho anjarany.

Fiombonam-bavaka

Tsirin-kevitra itarihany ny firenena iray manontolo ary manomboka ny zoma 15 aogositra izao ny fiaraha-manandra-bavaka hangataham-panafahana amin’Andriamanitra satria tsapa fa tsy hisy hahavaha izao olana itambarambe eto amintsika izao raha tsy izy ihany. Andro masina sady androm-pitiavana ny zoma, hoy izy, ka tsara hiaraha-mivavaka. Mbola soso-kevitra avy aminy ihany koa ny hifamotoanana isaky ny amin’ny 8 ora alina hanaovana io vavaka iraisana io mandritry ny 2 minitra ka tsy hifidianana toerana ny fanaovana azy.
Hiova isan-kerinandro kosa ny lohahevitra hiarahana ary hampahafantarina ny malagasy rehetra amin’ny alàlan’ny fampitam-baovao izay lohahevitry ny vavaka hatao isaky ny zoma.
Tsy ho ela dia hahitam-bokatra ity fomba ity raha manam-piniavana ny rehetra, hoy ny mpitarika ka tsy ilana fifanonganana intsony na tsy mandeha aza ny fitantanan-draharaha satria tsy ny mpitondra no hamaha ny olana fa Andriamanitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS