Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Famotsoran-keloka hafa

    mercredi 27 juin 2007 | Naivo kely |  100 visites
    Vita ny alatsinainy alina teo, nandritra ny kabary nataon'ny filoha Ravalomanana ho an'ny vahoaka Malagasy, ny famotsoran-keloka faobe, ka ireo izay niafina tany rehetra tany afaka miseho an-kalalahana amin'izay, saingy tsy ilay famotsoran-keloka noheverin'ny rehetra io, dia ilay famotsoran-keloka Politika izay nandrandrain'ny maro, fa famotsoran-keloka ho an'ireo tsy nahefa ny hetrany hatramin'izay, ka zary niafina tsy fidiny. Fanapahan-kevitra heverina fa hitaomana ny mpandraharaha (...)
  • Voatapim-bava ny Ben’ny tanàna

    samedi 23 juin 2007 | Naivo kely |  123 visites
    Fanambarana lehibe no entin'ny filoham-pirenena hanamarika ny fetin'ny Fahaleovantena ny 26 jona ho avy izao, ka samy miandry io avokoa ny maro, satria mety hiainga amin'io indray ny kajikajy isan-karazany hanomezana baiko ny ambanilanitra hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Ny mahalasa saina dia ny maheno ny fitarainana ataon'ny Ben'ny tanàna maro izay nanomana izany fetim-pirenena izany, ka hanao kabary ankalamanjana ho mariky ny fety ao amin'ny faritra iadidiany. Mandeha anefa ny (...)
  • Iray sy an’aliny

    vendredi 22 juin 2007 | Naivo kely |  118 visites
    Tantara mitohy ny ao Fianarantsoa amin’ity teny zato ity, satria resaka azo roritina ho tsapan’ny ambany lanitra ny resaka. Tsy ho entina hialonana ny hafa ny fandrenesana ireo fitaovana maro azon’ny kaominina tao Fianarantsoa, saingy amboary ny resaka mba tsy haharatsy saina ny mpitazana. Aiza kosa ve ka kaominina misahana olona aman’alina no omena 100 tapitrisa ariary. Misambotra olona heverina ho ratsy toan’i Pety Rakotoniaina anefa dia omena vola mitovy amin’io izay mahasambotra azy ? Tsy (...)
  • Ialy Rakotoniaina

    Voarohirohy amin’ny fandorana trano

    jeudi 21 juin 2007 | Naivo kely |  3151 visites
    Mbola voatazona ao amin’ny kaomisarian’i fianarantsoa hatramin’izao ny vadin’ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha dia Ramatoa Ialy Rakotoniaina. Tafiditra amin’ny resaka fandorana ny Oniversiten’i Andrianjato no antony isamborana azy ny talata teo . Mahatratra 12 ireo voasambotra momba iny hain-trano iny, kanefa raha ny vaovao marim-pototra voaray tany an-toerana dia 9 sisa ireo mbola tazonina ao amin’ny tobin’ny Zandary sy ny Polisy any an-toerana. Ankazondrano, Tsaramandroso ary Ampasambazaha (...)
  • Afo tsy maty

    mercredi 20 juin 2007 | Naivo kely |  189 visites
    Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao maro ny nahita ny fihetsiky ny fanjakana nanolotra fiara lehibe miisa 5 sy vola mitentina 100 tapitrisa ariary ho an’ny kaominina an-drenivohitra tao Fianarantsoa, ka raha atambatra izany dia mahatratra 7 ireo fiara mpanala fako any an-toerana amin’izao. Fitaovana izay tsy hita mihitsy fony mbola ingahy Pety Rakotoniaina no nitondra tao, saingy rehefa nahazo laka ny PDS vaovao dia ireo fa mirarak’ompana ireo ny fitaovana. Gaga ny maro satria hay azo natao (...)
  • Atsimo sy avaratra

    lundi 18 juin 2007 | Naivo kely |  194 visites
    Taitra ny rehetra nandre ny fanazavana nentin'ny Praiministra Lehiben'ny Governemanta ny zoma teo nilaza fa fampisavorovoroana saim-bahoaka ny resaka hala-jaza sy ny fangalarana taovan'olona izay niely be tao ho ao. Ny gasy tokoa mora handairan'ny tsaho, saingy ny tsy azo hodian-tsy hita dia ny fahatratrarana ilay olona saika hiditra tao Toamasina andro vitsy lasa izay ka nahitana taovan'olana tany aminy, ary nivoaka an-gazety mihitsy fa efa nampidirina am-ponja ireo olona valo mpiray (...)
  • Fifanatonan’ny hery rehetra

    Hiandrasana vahiny indray ve ny fampihavanana ?

    lundi 18 juin 2007 | Naivo kely |  170 visites
    Zary lasa am-bava fotsiny sisa ny fiantsoana ny fifanatonana eo amin'ny hery rehetra eto amintsika mba ahitana ny marimaritra iraisana eo amin'ny samy mpiray tanindrazana mba ialana amin'izao fifandrafesana mamotika ny tanindranazana izao. Miantso ny hery tsara sitra-po ny fanjakana izay hilazany fa misokatra ny varavarana ary ventesina isaky ny mikabary ny filoha, saingy tsy mbola hita aloha hatramin'izao izay antoko, indrindra fa ny avy aty amin'ny fanoherana, nanohina io antso io. (...)
  • Fitaratra manjavona

    vendredi 15 juin 2007 | Naivo kely |  245 visites
    Tsy ny sakana eo anoloana no tsy ahafahana miroso amin’ny fampandrosoana, nefa matoa ao ny fingana dia aoka samy handinika sy hieritreritra ny nahatonga iny ny olona lasibatra. Mipoitra avokoa ny olana maro isan-karazany, toy ny naha-may ny Oniversite teny Andrianjato Fianarantsoa. Nolavin’ny loholona ny lalàm-panitsiana ny tetibolam-panjaka 2004, izay tsy mifanaraka amin’ny tokony fandaniana ny vola navoaka tao anaty kitapom-bolam-panjakana, izay mety hiteraka olana eo anivon’ny mpamatsy vola (...)
  • Fandraharahana eto an-toerana

    Tezitra i Ravalomanana

    mercredi 13 juin 2007 | Naivo kely |  152 visites
    Tamin-katezerana tanteraka no nilazan-dRavalomanana filoham-pirenena ny tsy tokony hisian’ny fanararaotana eo amin’ny samy mpandraharaha, ka hampijaly ny vahoaka Malagasy. Tsy niakatra fa nijanona teo amin’ny 69 dolara ny barila ny solika, ary niha-nahazo vahana ny ariary, koa nahoana no hararaotina asondrotra ny vidin-tsolika ? « Mampitandfrina anareo mpandraharaha vahiny aho, fa samy mpandraharaha isika ka aoka tsy hifanararaotra. Mandraisa andraikitra ny Governemanta, fa raha tsy izany ho (...)
  • Ariary be

    mardi 12 juin 2007 | Naivo kely |  230 visites
    « Ariary be », teny fanesoana miaro fanambaniana nandritra ny taona 80. Aza sendra izany fa ny fo manontolo no mangotika. Tato ho ato, dia velom-panantenana ny maro nahita ny tanjakin’ny Ariary malagasy manoloana ireo vola vahiny isan-karazany. Nanantena ihany koa fa tsy hisy fiantraikany firy eto Madagasikara ny fiakatry ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Indrisy ! Rava izany nofinofy izany. Miakatra ny vidin’ny solika ny faran’ny herinandro teo. Eto amintsika, tsy maintsy (...)
  • Vizana alohan’ny fotoana

    lundi 11 juin 2007 | Naivo kely |  160 visites
    Mihisatra tanteraka ankehitriny ny fandrenesana ny daty hanaovana ny fifidianana isan-karazany eto amin'ny firenena. Fifidianana izay isan'ny voafaritra ao anatin'ny lalàm-panorenana vao nasiam-panitsiana farany teo. Ireo rafitra isan-jokajiny ireo no hafahany manatanteraka haingana ny MAP izay tarigetra napetraky ny fitondrana ankehitriny. Inona no mbola tsy hivoahan'io daty io ? Nahoana no tsy nihazakazahana tahaky ny natao tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka teo izy ity, sa vizana (...)
  • Depiote Reboza

    Iza ireo kaominina nandaniana 27 miliara ?

    lundi 11 juin 2007 | Naivo kely |  154 visites
    « Tsy misy mihitsy ny mangarahara amin'ny fandaniam-bolam-panjakana, ka na dia mangataka fanazavana ny nampiasana ireny aza izahay olom-boafidy, dia zara raha mahazo fanazavana ». Io no nambaran'ny depiote Reboza raha nangata-panazavana tamin'ny ministry ny fitsinjaram-pahefana ry zareo amin'ny filazana fa nisy vola mitentina 27 miliara ariary naparitaka manerana ny kaominina rehetra teto Madagasikara. Iza avy no nahazo ireo vola ireo, ary ohatrinino isaky ny kaominina ? Iza no tsy mahalala (...)
  • Mahamenatra

    samedi 9 juin 2007 | Naivo kely |  265 visites
    Fa dia farahidiny toa inona loatra re ny tenin-drazantsika no atao valalan’amboa ? Mahamenatra ny fikilasiana ny teny Malagasy ho tenin’olona ambany ka raha vao io no ifampiresahana dia mihevitra ny hafa te-ho ambony fahalalàna fa nandra ity olona iresahany ity. Taiza tany amin’ny firenena vahiny isika no nahita fety tao amin’ny tanànany ka teny gasy no iarahabana ny reny raha tonga ny fetiny ? Firenena iza no mampiasa io fiteny io amin’ny raharaham-panjakana ao aminy na dia iray segaondra (...)
  • Tsy mahagaga raha...

    vendredi 8 juin 2007 | Naivo kely |  134 visites
    Ny aina efa kely manoloana ny fitondrana, ary efa tondroin’ny olona molotra amin’ny asa rehetra izay atao, dia mbola ny fisarahana ho fasika ihany no maha-maika ny sasany. Misy fotony amin’ny vahoaka mpifidy anao intsony ve ny fananganana fikambanana mpanohitra na mpomba ny fitondrana ? Io no mahalasa ny sain’ny rehetra raha mahita ny fihetsiky ny depiote be voninahitra natao hitondra ny tenim-bahoaka fa manomboka mizara roa ny vondrona Parlemantera tsy miankina ao an-toerana, ka ny GPDM izay (...)
  • Fonjan’i Tsiafahy

    Lava-piringa no hitoeran’ny vadiko

    vendredi 8 juin 2007 | Naivo kely |  245 visites
    « Tsy voahaja ny zon’olombelona raha ny mahazo ireo voafonja eto Madagasikara no asian-teny, satria na ny sakafo hohanin’ireo ambara fa meloka aza, dia zara raha misy mangahazo eran’ny sotrobe isan’andro. Lava-piringa no hitoeran’ny vadiko, ary soa aza fa mba nanaiky notampenana io faritra fanaovana maloto ao Tsiafahy io ». Fanazavan’ny vadin’ny depiote Voninahitsy izany, ary voalazany fa « maizina tsy hifankahitana ny toerana misy azy, raha tsy mandrehitra labozia ianao. Saiky gadra Politika avokoa (...)
  • Nilaozan-tsakaiza

    jeudi 7 juin 2007 | Naivo kely |  164 visites
    Ny aina no matezaha fa samy ho tsarain’ny tantara eto isika rehetra. Andro sisa no hisaina dia ho maro ireo hanao fanambarana fa hivadika amin’ny antoko nisy azy teo aloha ny rehetra. Tsy asiana resabe io, fa ao ny olana matoa mandao ny akany ny vorona. Ny eo amin’ny fitondrana hivadika ho any amin’ny mpanohitra, ary ny teo ambany elatry ny fitondrana hanamafy orina ny mpanohitra. Izao tokoa no hilazana hoe mpifankatia tsy mifamarafara, ady no hiafarany, ka hiseho daholo indray ny lamba maloto (...)
  • Filaharana tao Fianarantsoa

    Tsy nanaiky lembenana ny katolika

    jeudi 7 juin 2007 | Naivo kely |  182 visites
    Nitroatra tamin’ny hatezerany ny katolika, ka raikitra ny filaharana an-dàlambe omaly tao Fianarantsoa, izay nandraisan’ny mpianatra anjara ho fanehoana ny tsy fahafaliany. Sora-baventy isan-karazany no nirenty nandritra ny filaharana, izay mitaky ny tsy tokony handroahana mompera hiala eto, teo ihany koa ny fitakiana ny tokony hanajan’ny fanjakana ny soa toavina malagasy. Voahosihosy ny fomba amam-panao Katolika ka mora resy lahatra ny mpianatra teo anivon’ity finoana ity, ary dia nirohotra (...)
  • Mitsiry tsy namoha

    mercredi 6 juin 2007 | Naivo kely |  129 visites
    Raha vao manomboka manao ny tatitra ny asa vita nandritra ny fitondrana teo aloha sy ny ankehitriny ny Praiministra lehiben’ny Governemanta, dia efa mandeha sahady ny resaka fitakiana fiovana eny amin’io andrim-panjakana etsy Tsimbazaza io. Mila fiovana haingana ny Governemanta hoy ny depiote sasany fa tsy mahomby ity Governemanta vaovao ity, ny antony dia mbola ny nataon’ny teo aloha ihany no ataony amin’ny fomba fiasa. Dia talanjona ihany ny maro nandre ireo karazan-teny ireo teny (...)
  • Fisamborana an’i Pety

    Voahosihosy ny fomban-drazana

    mercredi 6 juin 2007 | Naivo kely |  507 visites
    Fa dia heloka toy inona loatra no nataon’ingahy ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha, Pety Rakotoniaina, no dia ny fomban-drazana nololoavina antampon’ny loha hatramin’izay no zary noviraviraina ankehitriny? Io no fanontaniana mipetraka ao antsain’ny rehetra raha nandre fa nosamborina ny asabotsy lasa teo ny Katibo tao Amboasary, Iabarazafy, na fantatry ny maro hoe Paul, izay hambara fa mpisikidin’ingahy Pety Rakotoniaina. Ombiasy mpitahiry ny sorabe tao amin’i Distrikan’i Vohipeno (...)
  • Raharaha ao Fianarantsoa

    Feno « zana-dambo » ny tanàna

    mardi 5 juin 2007 | Naivo kely |  177 visites
    Anio no hanohizan’ny fitondrana ny filan-kevitry ny Governemanta mitety faritra, ka ity tanànan’i Fianarantsoa ity no hanohizana azy anio. Mifamahofaho be ihany ny raharaha any an-toerana hatramin’ny omaly satria ankoatry ny mpitandro ny filaminana mameno ny tanàna, dia eo ihany koa ny fahitana, zana-dambo etsy sy eroa. Hanao inona no fanontaniana mipetraka ? Hatreto aloha dia mbola misitery ireo, fa heno ihany koa fa hosoloina anio ny sefo distrika any an-toerana. Ny olana momba ny (...)

0 | ... | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | 580 | 600 | 620 | 640 | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS