Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 07h50
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Tsy hananan-kavana

    samedi 15 septembre 2007 | Naivo kely |  176 visites
    Efa hisasaka ny herinandro voalohany hanaovana ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandida tsirairay, ary arakaraky ny handrosoan’ny fotoana ihany koa ny hikopahana fantsy ny mpifaninana amin’ny tena. Tsy ny fandresen-dahatra amin’ny Programan’asa izay ho atao intsony no hita, fa ny fanenjehan’olona, izay midika fa tahotra ho an’ny mpifaninana. Izay tsy nahazo ranondranony tamin’antoko iray, dia miharihary ny Palitao mivadika hanaovany, ka ny foto-kevitra nijoroany omaly nivadihany androany. Ny toerana (...)
  • Akon’ny fampielezan-kevitra

    Mbola TIM ihany i Zo Andriantsilavo

    jeudi 13 septembre 2007 | Naivo kely |  354 visites
    Tsy midongy toerana fa ny fitsipiky ny antoko no tsy maintsy arahina, ka diso, ny fihevitry ny hafa fa nitsipa-doha laka-nitana ny tenako hoy i Zo Andriatsilavo, depiote tao amin’ny firaisana teo aloha.Tetsy Madera Namontana no nilazany io omaly tolakandro, ary nanomezany tso-drano ireo rahalahiny mpiray antoko aminy ao amin’n’i TIM, mba ho tafita amin’ity fifidianana ity. Vory lanona ny vahoaka teny amin’io faritry ny boriborin-tany faha-efatra io omaly nanatrika ny fampielezan-kevitra (...)
  • Kely sy bitika

    jeudi 13 septembre 2007 | Naivo kely |  184 visites
    Tsy miady ny baolina, satria kely sy lehibe. Io no hitan’ny maro amin’ny fampielezan-kevitra eto amintsika. Ny be fahefana dia manampatra ny herin’ny vola, ary ny tsy mana-katoraka kosa hilaozan’ny vahoaka. Io no hita raha mandinika ny fampielezan-kevitra misy eto. Tsy ny hevitra no tsy misy fa ilay hatoraka hanangonana ny vahoaka. Ekena fa tsy vidiam-bola ny safidin’ny tsirairay, saingy mbola mandaitra ve izany ankehitriny ? Koa aoka tsy ho gaga isika raha ny efa hita omaly ihany no mameno ny (...)
  • Niofana dia niofo

    mercredi 12 septembre 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Miditra amin’ny andiany farany amin’ny fiofanana ireo sefom-pokontany avy amin’ny faritra maro, ka ity atao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ity no mamarana io fiofanana nataon’ny sefom-pokontany mahatratra 17500 manerana ny nosy. Maro hoy ny fihoha Ravalomanana no nihevitra fa tsy ho tanteraka io, ary tsy vitsy no nanakivy fa fandaniam-bolam-bahoaka fotsiny, saingy fanamby no napetraka fa tsy maintsy vita io ka izao an-dalam-pamaranana izao ny fiofanana. Tarigetra tsara ny fametrahana (...)
  • Zatra mandoa vola

    lundi 10 septembre 2007 | Naivo kely |  200 visites
    Talanjona kely ny rehetra raha nahita ny fanombohan’ny fampilezan-kevitra ny sabotsy lasa teo, satria dia tsy araky ny nampoizina ny habetsahan’ny vahoaka tonga nanatrika izany fampielezan-kevitra izany. Ny momba ny kandida na tian’ny olona na tsia no asian-teny eto, fa ny momba ireo mpanakanto nantsoina izay hita fa goavana eto amin’ny firenena, ka rehefa manao eny Antsonjombe na eny Antsahamanitra na ihany koa etsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina dia saika feno (...)
  • Kely finoana

    samedi 8 septembre 2007 | Naivo kely |  188 visites
    Tsy hisy olona sahy hanambany sefom-pokontany intsony eto taorian’ny dera sy laza natolotry ny mpitondra fanjakana ambony azy ireo, ka zary natao litania mihitsy ny fandrangarangana ny fahefana izay hanan’ireto olom-boafidy tao amin’ny fokontany ireto. Fahaiza-mitantanana sy mandray andraikitra no nampiofanina azy ireo teny amin’ny lampam-panjakana Iavoloha, ka na dia fohy aza ny fotoanana niofanana dia afa ny misy noho ny tsy misy. Ny mahalasa saina ny rehetra, dia ity fanantenana (...)
  • Miala izay kely vola

    vendredi 7 septembre 2007 | Naivo kely |  176 visites
    Mazava izao fa tsy natao ho an’ny kely vola intsony ny fanaovana politika eto Madagasikara. Sady efa latsa-paka ao an-tsain’ny gasy fa maloto ny politika ka tsy tsara atao. Aiza koa eto Madagasikara ihany, eran’izao tontolo izao, no misy izany olom-pirenena leo politika sy tsy manao politika izany. Nopotehina tanteraka ny hevitry ny tena politika. Politika izay tsy inona fa fomba iray ho entina handrindrana fiaraha-monina. Tsy natao ho an’ny kely vola noho izany ihany koa ny fifidianana (...)
  • Lasa alohan’ny fotoana

    jeudi 6 septembre 2007 | Naivo kely |  170 visites
    Aiza ireo mpanara-maso ny fifidianana, ary inona no asan’ny CNE no tsy re- tsaika firy manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ny kandida sy ny mpifaninana aminy raha mahita fa efa manao fampielezan-kevitra avokoa ny mpilatsaka ho fidiana rehetra eto amintsika ? Moa tsy fampielezan-kevitra ve ny fanolorana kandida amin’ny lanonam-panjakana iray izay ataon’ny mpitondra fanjakana ? Tsy fampielezan-kevitra ihany koa ve ny ataon’ireo antoko mifanipa-kevitra amin’ny fanjakana efa mitety kaominina ary (...)
  • « Ohatry ny tany mpisambotra olona aty »

    mercredi 5 septembre 2007 | Naivo kely |  386 visites
    Tonga tsy amin’ny ahiahy eto antanindrazana omaly i Rossy izay nandao an’i Madagasikara taorian’ireny savorovoro nisy ny taona 2002 ireny. Tsy i Rossy irery ny mpanakanto nisitaka fa nisy hafa, saingy nody ny lehilahy rehefa nahatsiaro ho irery tany antanin’olona. Raha zohina tokoa ny tantara dia tsy mba isan’irony olona noheverina ho fahavalom-pirenena ireny ny tenany satria tsy heno nanao barazy na nandripaka olona sy fananam-panjakana, saingy noho ny maha-mpanolotsaina ny filoha tamin’izany (...)
  • Vao tsy manitra

    mardi 4 septembre 2007 | Naivo kely |  312 visites
    Andro sisa isaina dia hanaka-danitra ny vavabe ataon’ny kandida isan’isany, izay azo tarafina fa tsy hifampitsitsy ny rehetra hifamely fantsy ho an’izay namana manakana ny làlana ho eny Tsimbazaza. Izay be fandeferana imasom-bahoaka, dia aleo mody any an-trano mivavaka, hoy ny sasany, ka eto no tena ahitana ny fotom-pisainan’ny kandida isan’isany. Ny teny mamy sy malefaka anefa dia tsy vao tsy manitra amin’ny olona intsony, koa dia mahereza ny amin’ny kibay fa tandremo fotsiny ny manao alahelo (...)
  • Hipoaka ny sarom-bilany

    lundi 3 septembre 2007 | Naivo kely |  215 visites
    Nalaza tampoka tsy fidiny teo i Bahamas. Maro no efa nijery sarintany hoe aiza marina eto amin’ity planeta tany ity tokoa i Bahamas. Tsy vitsy ihany koa ireo manaiki-tanana fa very fihinanana sy vola. Izay foana no ilazana etoana fa tsara ny misoroka toy izay mitsabo. Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety voalohany ity orinasa milaza ho mahita asa aman’arivony hatolotra ny gasy kely ity. Tao sy niara-nipetraka tamin’ireo milaza azy ho tompon’andraikitr’izao fampandisoam-panantenana (...)
  • Tohizo fa tsara

    samedi 1er septembre 2007 | Naivo kely |  431 visites
    Tsy misy tsy mahatsapa fa ny fifidianana malalaka miainga any amin’ny safidim-bahoaka no làlana iray ahafahana sy hitarafana miaina ao anatin’ny demokrasian’ ny firenena iray, ka ny fifandim-biasan-toerana ao anatin’ny latsa-bato no no tena làlana iray hirosoana any amin’ny tany tan-dalàna. 1600 latsaka kely ny isan’ny olona nilatsaka hiady ny toerana 127 etsy Tsimbazaza, izay azo adika fa miaiky ny vahoaka 18 tapitra fa ireo no hisolo vava azy amin’ny fanaovan-dalàna raha tody soa aman-tsara eny (...)
  • Sefo, sao hamoritra ?

    vendredi 31 août 2007 | Naivo kely |  146 visites
    Vita omaly ny dingan’ny fampiofanana ireo sefom-pokontany andiany faha-efatra natao teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha, ka toy ny mahazatra ny hafatrafatra goavana ataon’ny filoham-pirenena. « Tsy tokony hataotra ianareo, ary mila mandray andraikitra », ampian’ireo teny mamy fanomezana vahana amin’ny fahefana ireto sefom-pokontany ireto. Tsara io satria iza tokoa no tsy maniry ny fampandrosoana hiainga ifotony, dia ny fokonolona no masi-mandidy eo amin’ny faritra misy azy ? Ny mampanahy ny (...)
  • Fadiranovana

    jeudi 30 août 2007 | Naivo kely |  180 visites
    Karavasy mirivorivo miampy ozona no azon’ny zaza notezaina tao amin’ny antoko AREMA rehefa nandositra nandao ny akany ny ray mpiahy ny fianakaviana, ka moa va tsy ireny zaza kamboty velon-dray aman-dreny ireny ity antoko ity. Niezaka hanarina ny fiainan-tokan-tranony anefa ireto zaza tavela, saingy tsy tso-drano no azo fa fanozonona. Raha mahita ny tenin’ny amiraly tamin’ny gazety teto an-toerana ireny tokoa ve moa, dia iza no mbola sahy hilatsaka amin’ny anarany izay milaza fa mpamadika sy (...)
  • Nipoitra ny nafenina

    mercredi 29 août 2007 | Naivo kely |  230 visites
    Hentitra ny CRTIM niantso ny vahoaka ho mailo amin’ireo karazana hala-bato mateti-pitranga amin’ny fifidinanana eto Madagasikara, toy ny fanomezana ordonansy ny mpifidy, ny fanovana ihany koa ny isam-bato, toy ny vato maty sy fotsy lasan’ny kandida mahazo vato betsaka, ka mampifamadika ny tokony ho azon’ny resy sy ny mpandresy . Ny fahitana fa maty ihany koa ny jiro ao anaty fifidianana, ka mampitsingatotra ny fanisam-bato ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray, ary ny tena zava-doza ny toerana (...)
  • Mahaiza manaja tena

    mardi 28 août 2007 | Naivo kely |  207 visites
    Vita sy nivoaka tamim-pomba ofisialy omaly ny anaran’ireo mpanao gazety atao hoe maty hanina amin’ity sehatra ity ka mahatratra 1001 no isan’ireo nahazo izany karatra izany, mba ahafantarana fa tena miaina ao anatin’io sehatra io izy ireo. Ireo nahafeno ny telo taona mihoatra teo amperin’asa no mahazo izany karatra izany. Tsy midika akory io fa hanilika ireo mbola tsy nahafeno ny fe-potoana, fa ny toeram-piasana ho amin’ity sehatra asa fanaovan-gazety ity koa no manome karatra ahafantarana hoe (...)
  • Akory zay !

    lundi 27 août 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Nandray fanapahan-kevitra ny CUA ny amin’ny hanakatonana ny toeram-pivorian’ny tanoran’Antananarivo, ARENA, etsy Antanimena tao aorian’ireny tsy fanarahana ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana tao ireny tamin’iny faram-paran’ny herinandro lasa iny. Akory zay ! Efa nanambara teto ny tenanay ny amin’ny fikorontanana sy ny loza haterak’io ARENA io eo amin’ny fiaraha-monina, indrindra moa eo amin’ny tanora malagasy. Zaza tsy ampy taona firy no efa hita antoandro be nanahary zao eo (...)
  • Loko matroka

    samedi 25 août 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Nivoaka ny listra neken'ny HCC hifaninana hiaka-dapa ho an'ireo tsara vitana ny 23 septambra izao, ka sahiran-tsaina ny rehetra mahita ireo mpiray donak'afo zary mifandefona ivoho. Nalazo tokoa ny ravina nihinana, ka samy naka ho azy ny mpiray antoko, rehefa avy nifanipaka toy ny valala an-karona tao ry zalahy sy ry zavavy. Vala-ketraka ny mpifidy mpanara-dia ny antoko TIM raha mahita fa ilay loko marevaka nahafatifaty ny be sy ny maro teo no indro matroka tsy fidiny. Ny 80% amin'ireo (...)
  • Filoha Ravalomanana

    Niaiky fa ilaina ny tsikera

    vendredi 24 août 2007 | Naivo kely |  160 visites
    Nandritra ny lanonam-panokafana ny tsenabe tolo-tanana laika omaly teny amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina no nilazan’ny filoha Ravalomanana fa aza manantena ny hanao zavatra raha tsy misy ny tsikera. Midika avy hatrany io tenin’ny filoham-pirenena io fa ny tsikera izay hafafin’ny maro amin’izao no làlana iray hanitsina ny diha ka hirosoana amin’ny asa tokony hifanaraka amin’ny mety. Misy ny olona tsy sahy mitsikera na mifanohitra amin’io, ka aza gaga raha tsy misy asa (...)
  • Hiova tsy ho ela ny Governemanta

    jeudi 23 août 2007 | Naivo kely |  112 visites
    Volana iray sisa andrasana dia hiova ireo mpikambana ao anatin’ny governemantan’i Praiminisitra Charles Rabemananjara, izay nitondra nandritra ny volana vitsy monja. Governemanta izay samy manana ny fomba fitsarany aza ny rehetra na nahavita ny asa mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka malagasy azy na tsia. Minisitera maro no tsy maintsy hilaozan’ny minisitra amin’izao fotoana, satria maro amin’izy ireo no nisafidy ho kandida hiaka-dapa etsy Tsimbazaza. Fitsapana ny tena fitiavan’ny olona azy (...)

0 | ... | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | 580 | 600 | 620 | 640 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS