Articles écrits par « Naivo kely »
-
Atrk’asa ny MAP
Nifarana omaly ny fikaonan-doha momba ny MAP. Vonona ireo firenena vahiny ny hanohana ny tetik'asa izay voarakitra ao anatin'ny MAP. Vola mitentina 5 miliara dolara no ilaina, ahafahana miasa mandritra ny dimy taona.
Raha izay atrik'asa nandritra ny roa andro izay no jerena, dia hita fa mbola fanekena ambava hatrany no ataon'ny mpamatsy vola mahazatra sy ireo firenena vahiny. Tsy mbola voafaritra mazava ny vola hanampian'izy ireo antsika, indrindra fa ny hanomezany ny vola. Toy ny fahita (...)
-
Atrik’asa momba ny MAP
Tsy mitsahatra ny miketrika ny sain'ny mpitondra fanjakana mba ampahombiazana ny MAP. Vola 5 miliara dolara no ilaina ahafahana manatontosa ny MAP. Io no nambaran'ny filoha Ravalomanana omaly teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, raha nanao ny fikaonan-doha niarahana tamin'ireo mpamatsy vola ivelany. Tsy maintsynatao izay aharesy lahatra ny mpamatsy vola vahiny mba hanomezany io vola io. Lalana iray tsy azo hialana ny fanampian'ny mpamatsy vola, ka raha sanatria tsy hisy ny fanampiana, dia (...)
-
Moxe Ramandimbilahitra
Ny teny no maha-firenena ny firenena. Isan'ny notakian'ny Teza hatramin'izay ny fampiasana ny teny Malagasy ho isan'ny teny enti-mampianatra. Tsy midika io, fa tsy hampiasa ny fomba fiteny vahiny isika, fa omena lanja lehibe ny tenindrazana.
Isan'ny fitakiana ataon'ny loholona Moxe Ramandimbilahitra ny hamerenana ny kilasy mandry. Lalana iray lehibe manampy ny tanora eo amin'ny fianarany ny toy izany. Manana soson-kevitra ny teza, izay efa nalefa eny anivon'ny ministeran'ny (...)
-
Fianarantsoa • fanohanana an’i Pety Rakotoniaina
Ela ny ela, tapa-kevitra ny hanohana an'i Pety ireo tanora ao Fianarantsoa. Tsy handeha irery izy ireo fa hisy mpanao politika hiara-dalana aminy.
Fitakiana ny hamoahana an'i Pety no anton'io, araky ny vaovao fantatra, ary tsy hisy resaka fanonganam-panjakana. Efatra no antony, dia ny filazana fa antony Politika no nanagadrana an'i Pety Rakotoniaina. Voalaza fa raha resaka firaisana tsikombakomba no nanomezana azy sazy 10 taona, nefa ny olona nahafaty olona toa latsak'io ny saziny. Eo ihany (...)
-
Tsy nitsangatsangana fa nitady vola. Io no tian'ny filoha Ravalomanana hampitaina amin'ny vahoaka malagasy omaly raha vao nigadona indray teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny tenany. Vola mitentina 27 tapitrisa dolara no nambara fa azo, entina hiadiana amin'ny tsy fahampian-tsakafo.
Tsy misy andraso andraso intsony izao, fa tonga dia vavany amin'ny lahasa izay atao. Novoriny maika ny ministra rehetra omaly, nanomezany ny toro-marika tokony ho atao. Hiditra amin'ny fanaovana voly (...)
-
Fivoriana antampony aty Afrika
Tsy hiemotra amin'ny fanapahan-kevitra noraisiko aho. Io no setrin'ny fitakiana nataon'ny mpanohitra maromaro, izay nilaza fa tokony ahemotra ny fivoriana ataon'ireo filoham-panjakana aty amintsika ny volana jolay taona 2009 izao. Ny fahatongavan'ny vahiny tahaka izao no hahafahana manangana fotodrafitr'asa maro ho an'ny firenena. Noraisiny ohatra tamin'izany ny fihazakazaky ny firenena ny hanaovana ny mondialy eo amin'ny baolina kitra ao aminy. Ny mpandraharaha manao ny trano efa vonona (...)
-
Rafitra tetezamita
Alefa mitety faritra ny iraka avy aty amin'ny CRN hijery farany ny tohin'ny trakita izay naparitaka tao ho ao. Io indray ny fanehoan-kevitra nataon'ny Profesora Zafy Albert omaly teny Ivandry. Ny fampihavanam-pirenena sy ny rafitra tetezamita, dia fepetra tsy tokony hiodivirana. Io no hany làlana hirosoana miala amin'ny krizy eto amin'ny firenena. Notsindriany manokana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny, izay toa tsy voavahan'ny mpitondra ankehitriny. Toa ny haitraitra no maha-maika azy (...)
-
Ramakavelo sy ny fanehoan-keviny
Vonjeo ny vahoaka, ary aoka izay ny fandaniana be loatra. Io indray ny fanehoan-kevitra nataon'ny Jeneraly Ramakavelo.
Raha misy ny vola atobaka any amin'ny fanitarana ny seranantsambo ao Toamasina sy ny etsy Ivato, nahoana raha ny resaka sosialy no hampiasana fandaniana ara-bola satria io no miantoka ny fiainan'ny mponina andavan'andro ? Miray feo amin'ingahy Herizo Razafimahaleo ihany koa ingahy Ramakavelo ny tokony hanafoanana ny fanaovana ilay fivoriana ho atao eto ny taona 2009 iny. (...)
-
Tetikasan-dRavalomanana
Raha ny fahantrana no tsy hanaovana asa dia tavela eto isika. Ny fametrahana asa mivaingana eto amin'ny firenena no taratry ny fandrosoana, ary isan'ny ankasitrahako ny tetiky ny filoha Ravalomanana amin'ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Toamasina sy ny seranam-piaramanidina etsy Ivato.
Fanehoan-kevitra nentin'ny depiote tao Moramanga teo aloha, Henri Charles Randriamahefa io. Omeo hery ity filoha ity hahafahany mitady lalam-bola entina hampandrosoana ny firenena. Tsy ny tsikera lava izao (...)
-
Fanamboarana ny seranam-piaramanidina Ivato
Tsara ny tetika fa ny fanitarana seranam-piaramanidina ve no maika ? Toa niverimberina tao ambavan'ny maro io tao ho ao. Tsy azo omentsiny ny olona, satria vola be no ho laniana amin'izany.
Raha 1 200 tapitrisa dolara no hanitarana ity seranam-piaramanidina ity, dia ahavitana trano 35 000 isa ho an'ny Malagasy io. Tsy Villa kosa aloha fa trano manara-penitra azo hiainana tsara. Ny mompera Pedro aza tsy nanana vola be nahavita ireo trano mameno tendrombohitra etsy Ambohimahitsy.
Tsy (...)
-
Ao anatin'ny tatitra tanteraka ny Governemanta. Misosa tsara koa etsy ankilany ireo hambara ho asa vita, raha raisina amin'io ny taona 2007. Mahatratra 1 382Km ny làlam-pirenena vita raha iny taona lasa iny, ary tao anatin'io ny narenina, raha 1.229Km no nokasaina ho atao.
Ezaka lehibe io raha atao indray mijery.
Faly ny marobe mandre izany, fa ny tsara ho fantatra, dia ny hoe : aiza ireo làlana vita ireo ? Mba hitan'ny vahoaka ve izany ezaka lehibe vitan'ny Governemanta sy ny (...)
-
Mila finoana ny zava-drehetra. Isan'ny teny famerimberin'ny filoha Ravalomanana io. Mbola nohamafisiny raha nijoro ho vavolombelona ny tenany nandritra ny fotoam-bavaka teny Faravohitra ny alahady lasa teo. Mikasika ny fiaramanidina Force one niainga tany Japon izay nahitana olana ara-teknika, sy ny fidinana tetsy Ivato nefa nisy zavona be ka saika nahodina tany Ambalamanasy Toamasina ny fiaramanidina. Nanome baiko ny mpanamory aho ny hidinany etsy Ivato, ary tody soaman-tsara. Izay no (...)
-
Baolina kitra Malagasy
Omaly no nigadona teto an-tanindrazana ny ekipam-pirenena Malagasy. Ny taranja baolina kitra io, rehefa avy nanao ady sahala tamin'ny Botswana ny sabotsy teo. Tsy nahataitra ny maro ny fandrenesana io ady sahala io, satria heno fa nanjakan'ny mpampian-trano tanteraka ny kianja nandritra ny lalao mandroso. Misy tombony ho antsika ny lalao miverina, saingy mila hamafisina haingana ny teknika sy ny fahaiza-miaraka eny ambony kianja. Omena fanampiana Ar 400.000 isan'olona ireto mpilalao ireto (...)
-
Tsena eto andrenivohitra
Raikitra indray ny fifanjevoan’ny saka sy totozy. Nahamenatra tanteraka ny nahita ny fifanjevoana teo amin’ny mpivarotra sy ny mpiasan’ny kaominina ny zoma hariva teo. Tsy nifidy olona noraofina intsony ny teo anivon’ny kaominina eto andrenivohitra fa izay tandrify azy dia voadaroka no noraofina avokoa. Efatra no naratra, ary ireo nanatri-maso nanambara fa nisy ny maty? Ramatoa lehibe iray nanambara fa mpangataka izy io. Iny zoma iny dia nisy ny fanadihadiana natao, fa tsy mbola nandrenesana ny (...)
-
Fanalàna ben’ny tanàna
Manomboka mandray ny asany ireo ben’ny tanana vao voatendrin’ny lalàna farany teo. Miisa enina izy ireo, ary nampita ny faneva kosa iretsy ben’ny tanàna ndao ny toerany. Ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana no namoaka ny didy tamin’ny herinandro lasa teo.
Tsy azo atao ambany maso tsy hita fa efa nosalorana ny samboady maha-ben’ny tanàna azy ireto vao nandao ny toerany ireto. Nandeha nifidy ny loholona ihany koa izy ireo, ary mbola nahazo fiofanana nandritra ny roa andro tetsy Iavoloha (...)
-
Moxe Ramandimbilahitra
Hampanjakao eto amin'ny tanintsika ny teny Malagasy. Isan'ny fehin-kevitry ny antoko Teza hatramin'izay io, ary hitakiany ny hanaovana ny taratasim-panjakana rehetra ho amin'ny fiteny Malagasy. Miainga any amin'ny fokontany, ka mipaka hatrany amin'ny ambaratonga ambony.
Omaly raha nanao ny fihaonana mivantana tetsy amin'ny lapan'ny antenimieran-doholona etsy Anosikely ny mpikambana ao anaty Governemata sy ny loholona, dia mbola nanamafisany izany. Niainga amin'ny fanaovana ny tarasan'omby (...)
-
Governemanta sy loholona
Soa fa teo ireo tsy miankina. Saika ireo loholona notendren'ny filoham-pirenena no nanjaka tetsy Anosikely nandritra ny fametrahana fanontaniana omaly. Ry Moxe Ramandimbilahitra sy Rabetsintonta ary Rabotoarison sy ny namany no nibahana tamin'ny fanotaniana ho an'ireo ministra sy ny Praiministra. Ekena fa nandeha isaky ny vaomiera ny fanontaniana, saingy voafehin'ny mpitondra teny avokoa ve ny olana isaky ny faritra misy ireto loholona ireto? Na dia fanamarihana sy soson-kevitra aza toa tsy (...)
-
Governemanta sy ny depiote
Niova tokoa ny fomba fiasa. Isan'ny ezaka lehibe nampetraky ny filohan'ny antenimieram-pirenena Sylla io, ary tsy itsahatra namerimberina izany izy tao an-dampa.
Tsy dia maro loatra toy ny fahita hatramin'izay ny fanotanian'ireo depiote, na dia niezaka ho fanotaniana iray tonga dia valiny aza ireo mpitarika ny fivoariana. Ny atoandro dia efa vita ny ady hevitra. Asa resy lahatra tamin'ny asa nataon'ny Governemanta tokoa angaha ny depiote ka tsy nanana hafitsoka firy tamin'ny fanontaniana. (...)
-
24 ora no fitokonana ataon’ny mpiasan’ny Jirama. Na ora roa monja aza io, dia efa hiteraka faty antoka amin’ity orinasam-panjakana ity. Voalaza fa ao anatin’ny fanarenana isika izao, ka tamin’io, dia ny saran’ny jiro sy ny rano no nampiakarina. Nahatratra hatrany amin’ny 30% ny sandan’io fiakarana io, ka na dia hita aza fa tsy zakan’ny isan-tokantrano, dia nambara fa ny antsika eto Madagasikara no mora indrindra ny vidiny aty amin’ny faritry ny ranomasim-be Indianina.
Dia nangina ny vahoaka, satria (...)
-
« Gare routière » etsy Ampasampito
Omaly no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy indray ny «Gare routière » etsy Ampasampito. Tsapa nandritra io omaly io fa misy ny tsy manaiky ny fandaminana ireo koperativa hafa. Isan’io ny KOFIMANGA. «Aleo samy mameno ny azy », hoy izy ireo, « fa tsy atao izany faritra iray no handoavam-bola ary io no hameno ny fiara ». Ny ben’ny tanàna lefitra no tonga teny an-toerana. Tsara ny milaza fa tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna Patrick Ramiaramanana no nanombohan’ny asa. Notokanana kosa tamin’ny andron’ny PDS (...)