Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 3 juin 2024
Antananarivo | 01h22
 

Malagasy

Fanamboarana ny seranam-piaramanidina Ivato

Ahavitana 35 000 Logements ho an’ny Malagasy

jeudi 5 juin 2008 |  832 visites  | Naivo kely

Tsara ny tetika fa ny fanitarana seranam-piaramanidina ve no maika ? Toa niverimberina tao ambavan’ny maro io tao ho ao. Tsy azo omentsiny ny olona, satria vola be no ho laniana amin’izany.

Raha 1 200 tapitrisa dolara no hanitarana ity seranam-piaramanidina ity, dia ahavitana trano 35 000 isa ho an’ny Malagasy io. Tsy Villa kosa aloha fa trano manara-penitra azo hiainana tsara. Ny mompera Pedro aza tsy nanana vola be nahavita ireo trano mameno tendrombohitra etsy Ambohimahitsy.

Tsy sanatria manina ny tetikasan’ny amiraly, nefa kosa raha raisina amin’ny sainy tsy miangatra, dia ny fanomezana trano fonenana ho an’ny vahoaka ao amin’ny firenena iray no tena hitarafana ny fandrosoana. Azo hampanofaina ny trano fa atao amin’ny hofany mora, ary hiverina ny volam-panjakana, ary ahafahana manangana hafa indray.

Ny fanampiana eo amin’ny lafiny ara-bary kosa, dia tsara raha vatsiana fitaovana toy ny trakitera sy masom-boly ny tantsaha, ary manao « opération » fambolem-bary isan-taona hiadiana amin’ny mosary.

Tsy ho vonjin-tavan’andro io fa aharitra. Famahana olana mipetraka mandritra ny taona io, ary azo antoka fa hampihena ny mety ho fidangan’ny vidim-bary. Omena sehatra ihany koa ny mpandraharaha hanafatra entana toy ny menaka, ary azo antoka fa hihena ao anatin’ny fotoana fohy ity menaka ity. Samy ahazo ny anjarany ny rehetra, ary hangina ny vavan’ny mpanaratsy rehefa mahazo sakafo sy trano fonenana mifanahaka amin’ny vanim-potoana ankehitriny ny vahoaka ao aminy. Sa ny fampitahana amin’ny seranam-piaramanidina any ivelany no tsy maintsy himasoana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives