Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h15
 

Répondre à un commentaire

23 novembre 2021 à 13:34 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Raharahan-jiolahy sy fomban-jiolahy ary fiainan-jiolahy sisa no manjo sy hitantanana ilay Firenena ankehitriny…

Fa inona no antony ? Satria navela hiriaria sy navela hisitraka ny halatra sy kolikoly ary fanodinana volampanjakana ireo rehetra tsy maty manota nandritry ny fitondrana rehetra nifandimby nanomboka tamin’ny andron’ny Amiraly ka mandrak’androany, koa noho izany dia mihevitra koa ny foza ankehitriny fa manana zo sy fahefana handroba sy handrava ary hitondra tena ho toy ny tsy maty manota koa ireto foza ankehitriny !

Inona moa no mahatonga ahy hilaza fa asan-jiolahy fanaon’ny tsy maty manota izao mitranga izao ?

Tsy nisy ary tsy misy mangarahara mihitsy hatrany ampiandohana ity resaka kianja Barea ity…na ny anarana aza moa nosolokiana ho Barea nefa dia toerana manana tantara tokoa teto ankibon’Imerina izany Imahamasina izany, ary misy fifandrohizana akaiky amin’ny tantara niseho sy nolovaina avy eny Manjakamiadana…

Voalohany : nolazaina tamin’ny taona 2019 fa vola avy any amin’ny FIFA no nanamboarana ity kianja ity…ny FIFA moa tsy nilaza izany…ny fitondrana koa etsy andaniny tsy nanambara…kinanjo ato afara, hita fa volampanjakana no nitobaka ao amin’ny fanamboarana azy…tsy fantatra hoe tetibola tamin’ny andrimpanjakana iza sy oviana, ary tsy voalaza na misy findramana vola na tsia ao anatin’izany…matroka tanteraka !

Faharoa : efa nihanaka manerantany ny aretina Covid ny taona 2020, ny volana marsa io, ary efa voasoritra fa avy ay Chine no tena nipoiran’ilay valanaretina, kinanjo mbola tsy nakatona ihany ilay habakabaka fa mbola niandry ny fahatongavan’ireo sinoa hanao ny asa…tsy nisy antso tolotr’asa, tsy nisy fanadihadiana ara-piarahamonina sy ara-tontolo iainana, tsy nisy fampahafantarana izay vontoatin’ny fifanarahana arak’asa, na ny tena sandan’ny asa aza moa tsy fantatra raha tsy siosio tato afara…ny aretina nihanaka sy ny haizina mikasika ilay asa sisa no tazana…

Fahatelo : « travaux livrés clés en main » hoy ny lahatsoratra…izany hoe vita tanteraka ny asa dia atolotra ny tompony mpanefa ny vola nanamboarana azy ! Ny tsara homarihina nefa dia izao : efa enina (6) nisesy ny lanonana ara-panjakana notanterahana teo, lalao baolina kitra iraisampirenena efatra (4), ary ny fankalazana ny 26 jona 2021 (nisy afomanga), ary ilay fitokanana amin’ny fomba ofisialy (nisy afomanga)…sao dia tsy tsaroana fa ny 04 septambra 2021 dia ampahibemaso no nanomezan’ilay sinoa an’ilay fanalahidy goavana ny « filou », midika izany fa voaray ny asa notanterahana !

(hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS