Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h47
 

Répondre à un commentaire

24 mai 2021 à 18:30 | Shalom (#2831)

Ny mampalahelo dia ny sasany mampiasa solon’anarana iray ho an’olona maro.
Dia heverin’izy ireo fa olona tsy mahay madinika sy mamakafaka ny mpamaky eto amin’ity serasera ity.
Tsy manambany olona hono izy manao izany.
Asa na inona ilay heveriny hoe fanambaniana olona.

Tsetsatsetsa fanaporofoana ny atao hoe fanambaniana na fanaovana ts’inon-ts"inona ny Ambanilanitra ataon’nity mpitondra ity :
Tafaresaka tamina namana iray aho vao omaly, dia nifanojo amin’ny fampanantenana nataon’ny fitondrana ny resaka ka anisan’izany ny RN42 sy ny RN13 : fa mba aiza tokoa ny momba ireo làlana ireo ?
Efa fantatra fa tsy ho vita izany ilay làlana iray, koa araka ny voalazany dia tsy hanao politika intsony izany i D(idy) J(adona) poerapoera werawera poak’aty tsy ampy solaitra.
Dia ho hitantsika eo ny tohiny hanaporofo amintsika fa ataon’ity mpitondra ity ho tsy misy dikany sy azo lalaovina amin’ny fampandrina adrisa ny Ambanilanitra. Izay anefa ilay fanambaniana sy fanaovana ts’inon-ts’inona ny olombelona.

Tohizo foana fa mbola hifanena amin’ny mpaka kitay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS