Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Isandra : Il est toujours à rappeler que cette lutte est une lutte de longue haleine, (...)
- elena : Pour les malgaches, c’est la prison avec régime manioc.
- vorona : Bjr Sahondra Rabenarivo est malgache, autrement on lui aurait montré la (...)
- vorona : à bekily #9403 réponse faite plus haut à jipo « Votre propos, comme en son (...)
- Isandra : Le Président seul ne peut avancer les choses, il ne peut pas être partout en (...)
Sakama daholo tompoko,
Raha ny momban’ny niandohan’ny politika maloto nifanaovan’ny samy malagasy ho fomba fanao mahazatra sy tsy mahagaga intsony, dia hita fa efa nahazo vahana izany tamin’ny fotoana nanomboan’ny Amiraly nitondra ny fanjakana tamin’ny 1975. Raha ny tenako manokana aloha dia tsy mahatadidy vanim-potoana izay nitsaharan’izany hatramin’izay ka hatramin’izao.
Ka hita mibaribary fa rehefa ny olona manam-pahefana no lasa ohatra ratsy hoan’ny mpiara-belona, dia manaraka ho azy amin’ny ratsy ny fiaraha-monina, ary ankehitriny, raha zahana ny fiparitahan’ilay toe-javatra, dia azo lazaina fa lasa kolotsaina ilay fomba fanao ratsy.
Na eo anivon’ny mpitondra na eo anivon’ny hoentina, dia efa miha vitsy ny olona mahatakatra amin’ny antsipiriany ny fiatraikan’ny fihovana lalim-paka - amin’ny ankapobeny - ny « maha olona » antsika. « Réification ».
Efa lasa karazan’olona « samihafa » isika, amin’ny hoe, ny fikatsahana ny rendrarendra (ary tsy misy ankoatran’izay) no mibaiko ny fitondratenantsika. Ny fandaminan’ny fiaraha-monina ho lasa tsena goavana be iray no naha-mora io fihovana tsikelikey io. Azo vidiana sy amidy daholo izao rehetra rehetra izao, ka miafara amin’ny fahatogavan’ny koly koly ho fototra matanjaka « mandamina » ny fiaraha-monina.
Ny fitondrana am-perinasa ankehitriny dia porofo velona sy mibaribary ny izany toe-javatra izany. Ny olana be indrindra, dia ny tsy fahatankaran’dry zareo ny tsy fahatankarany... tsy zavatra foronona izany. Fa matoa tenenina, dia fantatra tokoa...