Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h59
 

Répondre à un commentaire

24 mai 2021 à 12:13 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Ialana tsiny raha toa ka amin’ny fitenindrazana no entina hitondrana ny lahatsoratra nefa ny vontoatinkevitra iaingana dia amin’ny teny vahiny, ny antony dia zavamisy sy toetra mahakasika ny Malagasy no resahana, ary tena ilaina fandinihina sy famoaboasana mivelatra tokoa satria tena manandanja sy saropady…

« Les Malagasy actuels se rassemblent par « curiosité » et non par conviction. » hoy i Shalom omaly 23 may 2021 tamin’ny 12h05…

« Malheureusement, je remplacerais le terme « curiosité » qui est somme toute assez bénin et naturel au moins dans un 1-er temps, par « la logique vénale et très individualiste de qu’est ce que j’ai à gagner en y allant »…hoy i YaR omaly 23 may 2021 tamin’ny 14h29…

Tamin’ny 13h49 i YaR omaly dia namoaka lahatsoratra mikasika ny fihetsiky ny olona manoloana ny « VOLA » izay tena sady mahamenatra no mahasadaikatra ary mahazendana, saingy nilaina tokoa ny namoahany izany satria zavamisy tsy azo afenina mihintsy intsony izany ankehitriny, ary lasa poizina mamoafady mihintsy !

Zavamisy sy iainana ankehitriny tokoa ieo toetra mamoafady sy manapoizina fiarahamonina ireo, ary tena toetsaina mamotika sy manimba tanteraka ny tanora sy ny ankizy ankehitriny…

Aoka dia hotsorina avy hatrany eto ampiandohana, tsy misy fisalasalana, fa toetra ratsy sy fihetsika manjaka sy hita eto Antananarivo renivohitra ireo voalaza ireo amin’ny ankapobeny, ary tena mitory tokoa fa simba sy levona ary nanjavona ny fitaizana nentindrazana sy ny fomba fikoloana fiarahamonina sy fanabeazana ny taranaka izay nomenkasina fahiny…

Ahoana tokoa moa no fitrangan’ilay toetra ratsy eo amin’ny fiarahamonina ?

« Mirehareha sy mieboebo fa manankatao, finaritra mampiseho fa manana harena sy vola mitobaka, mijejo mampiranty fa nahavita dingana lehibe teo amin’ny fiainana ka sahy mampiseho fa efa manana fomba fiainana sy fihetsika vaovao tsy menatra ny mitaha amin’ny any ampita, ravo sy misonenika tokoa mampiharihary fa Malagasy vaovao manana fijery hafa sy manana fomba hafa ary manana filana hafa, ary miantso doka sy fitsiriritana eo amin’ny mpitazana, ary minia mametraka fa efa saranga avo sy miavaka ao anaty fiarahamonina no misy azy ireo »…

Ny maivandoha sy ny iva fisainana dia avy hatrany indray dia alaimpanahy hilaza fa fialonana sy fitsiriritana no mahatonga ny sasany sorena sy koriko ary tezitra manoloana ireo fihetsika sy toetra mamoafady notanisaina etsy ambony ireo…hadisoana tanteraka sy hevitra mitotongana any amin’ny fahaverezana nefa izany fihetsiky ny maivandoha izany…

Fa nahoana tokoa moa ary inona no antony ?

Ireo olona manana sy mampiseho mampiranty ireo fihetsika ireo matetika dia olona lasa mpanankarena tampoka, olona mivoaka avy ao anaty fianakaviana misalotra fahefana sy andraikitra politika, olona mikasa hampiseho fahamendrehana avy amin’ny harena eo aminy, olona mpihaza voninahitra etsy sy eroa, olona sakaizan’ny fanararaotana fahefana, olona mpitsiriritra sy voan’ny tazonkarena, olona tsy manana porofo manambara ny ezaka natao sy ny fototry ny harena be miavosa tampoka eo ampelantanany…ary olona tsy manana fanetrentena mihintsy !

Ary manao ahoana moa no fisehoana imasombahoaka ataon’ireo olona ireo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS