Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h17
 

Répondre à un commentaire

4 mai 2021 à 10:36 | arsonist (#10169)

Miarahaba !
Matoa ny vahoaka gasy mahantra faran’izay fadiranovana tsy akiato toy io, dia satria misy tsy mety ka tokony ahitsy ao amin’ny toetrantsika ankapobe sy ao amin’ny fomba sy toe-tsaintsika ankapobe koa ao !

(i) Efa kianina isak’izay mihetsika izao ity fomba fitondram-panjakana sy fitantanam-bahoaka mivangongo antoeran-tokana sy antanan’olo-tokana ity. Dia izay rehetra fitondràna nifanesy teo izay ary dia samy mitory sy mankalaza izay antsoiny hoe fitsinjaram-pahefana e ! sy hoe décentralisation e !
Tsy hita akory anefa avy eo izay mba hoe fandroson’ny toe-piainan’ny vahoaka gasy eo ! Vao maika koa aza miletika lalindalina kokoa anatin’ny fijaliana sy anatin’ny fahantràna mangitsokitsoka ilay vahoaka gasy.

(ii) Rehefa tsy azo afenina intsony ary, fa hita mason’ny eran-tany be izao, fa tsy mahavoa koa anie ity hoe fitsinjaram-pahefana ity sy ity hoe décentralisation ity, dia mba aroso anaty ady hevitra ny fomba fitondràna sy fomba fitantànana hafa, tsy mitovy amin’io efa tsy mahavoa mihitsy io. Dia mba aranty ny fomba fitondràna sy fomba fitantanam-bahoaka federal.
Dia romotra be ery ry lehirony manambany sy manakiana ny federalisma. Kanefa mbola vao fampirantiana sy fampandrosoana ilay foto-kevitra anaty ady hevitra fotsiny anie ilay izy e ! Fa tsy mbola fampiharana sy tsy mbola fanandramana io federalisma io akory anefa !
Dia hoy, ohatra, ny vavan’ilay besileo foza femelle couillue isandra hoe :
« Te hanjàka ianareo Merina, hany ka te hampiseho fa mahay tsy kinga kokoa noho ny hafa ianareo ! Kanefa ny fampitangongoana tao Imerina ny fitaovana sy ny ambaidain’ny fitondràna sy ny fitantànana no nahatonga anareo Merina nahazo tombon-dàlana toy io, fa tsy ny haranitrin’ny sainareo velively akory ! »
Izay no hevitr’ity besileo foza femelle couillue isandra ity. Na mitombina na tsy mitombina io heviny io, dia azy sy an’ireo izay mitovy hevitra aminy any izany.

(iii) Fa ity resak’i « Koto » navoakany screaming ity [etsy ambany etsy ny rohy] no tsara dinihana akaiky sy hanaovana fandinihan-tena ankapobe.
Tsy ny fidokafany ilay Karana toavin’izy « Koto » no tondroiko ho dinihana.
Fa ny tsikera ataon’izy « Koto » ny toetra amam-panaontsika Gasy, ka heveriny fa tsy mampandroso antsika,ary tena mampihemotra antsika mihitsy aza.
Izaho manokana dia tena mahatsapa fa misy tena marina tokoa no sady mitombina tsara mihitsy amin’ireo tsikera ataon’i « Koto » ireo antsika.
Isan’ny anankiray [fa tsy izy io irery akory] tena tsara asongadina dia izay lazain’i « Koto » momba ny voka-dratsin’ity fomba fandraisantsika Gasy sy ny fampiharantsika ny finoana kristiana ity anatin’ny fianantsika andavan’andro sy izay tarigetra [tanjona kendrena hatongavana] tadiavintsika amin’ny asa aman-draharahantsika.
Tena raiki-tapisaka lalina dia lalina ao anatintsika ao, tsy ara-baki-teny fotsiny fa tena ara-piainana andavan’andro sy mandavan-taona mihitsy, ity hoe « tsy quoi mihitsy akory izay eto antany, fa izay toe-piainana hisy any andanitra any no tarigetra » [teny anglisy ity « tariget » ity, ary midika hoe « zava-kinendry »] .
Variana amin’ny tori-tenin-dry maopera sy ry pasitera momba izay fiainana mandrakizay any ankaotra any isika, dia revo amin’izay tokoa.
Mandritr’izany fotoana maharevo antsika amin’izay fiainana any ankaotra izany anefa, dia ahorin’ny mpanani-bohitra sy ny mpiremby harena antanin’olon-kafa ny tanintsika sy ny harena vao-janaharintsika ary ny harena vokatrin’ny hatsembohantsika.
Jereo ireto sary bakolin-dry zareo natosiny dia mivalapatra eran’ny lapam-pitondram-panjakana eto antanin-drazantsika !
Ny vahoaka gasy anefa etsy milentika lalalindalina kokoa anaty fahoriana sy anaty fahantràna isan’andro vaky izao !
Ambava omana, ampo miherotra ! https://www.youtube.com/watch?v=H5Fzl-WbPlA

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS