Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h59
 

Répondre à un commentaire

3 mai 2021 à 11:03 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Niarahana nahita indray omaly ny atambo sy loza nitranga teo amin’ny raharaham-panjakana, satria tsy azo lavina fa raharaham-panjakana ny fihaonana amin’ny mpanao gazety ho fantatry ny vahoaka ataon’ny lehibe’ny Andrimpanjakana mpanatanteraka no sady Filohan’ny Repobilika, no sady Filoha faratampon’ny tafika sy ny mpitandro filaminana.

Eto ampiandohana nefa aloha, dia, na dia eo aza ny adihevitra sy ny resaka maro azo hanankihanana ary hitsikeraina ny valinteny nomena, ny azo hotsindriana dia tsapa fa nampiseho fahatoniana sy fanetrentena ihany ny Filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Fahasalamana ary ny minisitry ny varotra, hita izany amin’ny teny fohy, tsotra, malefaka tsy miako natao…

Hatreo ny amin’iny, fa eto dia horesahana ny loza sy atambo…

Ny minisitry ny serasera sy ny minisitry ny fitaterana no tena tomponantoka tanteraka amin’izany !

1) Minisitry ny serasera

o Fanontaniana miantefa sy mivantana any amin’ny Filoha, avy hatrany izy dia manolotena mitsatsaingoka mamaly mialoha ny Filoha, tsy misy henatra sy tsy misy fahalalampomba manoloana ny vahoaka

o Resaka mikasika ny minisitera hafa, izay marihina fa eo akaikiny eo ireo minisitra tomponandraikitra, izy no misolantsolana mitondra valinteny amin’ny famaliana

o Fanontaniana mikasika ny zo fototra sy lafiny tekinika izay misy tomponandraikitra hafa misahana azy ara-panjakana, izay tsy ao anatin’ny fahefany mihintsy mikasika ny serasera, izy no mirifatra sy mihoampefy mitondra ilay valinteny…

o Nahoana tokoa moa, no ianao no miresaka sy manambara imasombahoaka, ny antony hanenjehana sy fehezandalana fiampangana ny minisitra teo aloha Andrianjato Vonison, nefa ny fanadihadiana mikasika izany ara-dalàna dia mbola tsy misy akory ? Fanalambaraka sy fanitsakitsahana ny zo amankasin’ny fahafahana isambatan’olona izany…

o Ahoana moa no hahafahanao, ianao amin’ny toerana misy anao, na ara-panjakana na ara-piarahamonina, ka hilazanao fa « ianao dia afaka miantoka fa ny Filoha dia olona demokraty ? » Mba fantatrao ve dikan’izany hoe miantoka olona izany ?

o Tsy misy no hifandraisan’ny raharaha tany Rwanda momba ny « radio des milles collines » sy ny fanapahankevitra izay nandrara sy mampihantona ny fanaovana adihevitra politika teo amin’ireo haino amanjery teto amin’ny Firenena izay natao ny 22 avril 2021 teo

o Ahoana no hahafahanao milaza sy mitsara avy hatrany fa ny mpanao gazety mametraka fanontaniana aminao dia tondroinao ho manao « show médiatique et politique » mba hisarihina mpankafy ? anajaranao no mamaly fanontaniana apetraka fa tsy ny mitsara ny mpametraka fanontaniana

o Nolazainy indray fa ny fanapahankevitra norasisiny dia mitovy amin’ny nataon’ny Twitter nampihantona ny kaonty Donald Trump taorian’ny raharaha fananihana ny Capitole…dia tena mivoana tanteraka mihintsy satria ny iray adihevitra politika ary ny iray fananihana sy fanimbana andrimpanjakana

o Mikasika ilay lalàna 91-011, dia notsipihiny fa mbola tsy nofoanana ilay lalàna dia aminy midika fa manankery sy azo ampiharina, nefa ny fanontaniana mipetraka sy tsy azo hiodivirana dia efa lany andro tanteraka io lalàna io satria na ny andrimpanjakana sy ny satampanjakana voalaza ao aza dia tsy misy intsony, no sady mikasila ny raharaha amehana politika ilay lalàna fa tsy mikasika ny amehana ara-pahasalamana velively

(hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS