Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 17h30
 

Répondre à un commentaire

3 mai 2021 à 11:55 | Vohitra (#7654)

Nilaza ny Filohampirenena omaly fa hanome baiko ny tomponandraikitra izy hividy ny fitaovana hahafahana manao ny « séquençage génomique » mba hahafantarana hoe inona sy avy aiza no « variant » Covid-19 misy sy mihanaka mitondra ny aretina eto amin’ny Firenena…

Dia mahagaga, tamin’ny fotoana nilazany fa singa notsongaina nalefa notsirihina tany Fransta no nahafantarana fa efa tafiditra eto ilay « variant » avy atsy Afrika atsimo, efa iray volana mahery lasa izany, ary botry niditra antsokosoko avy atsy kaomoro no nitondra izany valanaretina izany…tao anatin’izay nefa dia, dia nihitatra ny fivoaran’ny fihanahan’ny aretina, ary nitombo hatrany ny isan’ny maty teto antoerana…izany hoe tsy nanao fitiliana famantarana mihintsy izany ny fanjakana Malagasy mikasika ny « variant » misy eto nefa dia efa iray volana mahery ato afara dia efa nandavaka ny Fasana « firaisampo » izy, midika fa mihitatra ilay aretina…nefa dia misy foana ny fiaramanidina avelany mivezivezy avy eto Madagasikara sy i Frantsa !

Ary samy mahafantatra fa ny zavamisy marina mikasika ny « variant » misy sy mandripaka eto no tena antoka amin’ny safidy atao amin’ny vakisiny hafarana sy hampidirina eto Magadasikara…

Eto nefa dia tsy fantatra mazava sy tsy azo antoka hoe « iza no variant mandripaka eto, ilay Covid-19 teo aloha ihany ve, efa ilay tafiditra nentin’ny botry ve, sa kosa variant misy amin’ireo olona vao tonga nentin’ilay sidina Air France ? »

Tena tsy manarapenitra mihintsy intsony ny raharaha eto amin’ity Firenena ity e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS