Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 06h55
 

Répondre à un commentaire

28 avril 2021 à 18:45 | Vohitra (#7654)

Tsy hiverenako intsony fa efa nolazaiko etsy ambony tamin’ny 12.05 ora ny famaritana ireo antsoina hoe « botombazaha »…

Fa ny tiana iverenana atsidika dia ny hoe, misisika mafy ireto botombazaha ireto mampiditra sy manohana ary mikiry mafy ny hampidirana foana ny karana eo amin’ny sehatra politika anatiny eto amin’ny Firenena ankehitriny.

Efa nolazaiko etsy ambony ihany koa tamin’ny 15.30 h hoe efa tany amin’ny Repoblilika faharoa no efa mpikatroka nandray anjara ankolaka foana teo amin’ny tontolo politika ny karana, lainga sy fitaka ny filazana fa tsy nisehatra tamin’izany ny karana hatrizay…

Hoy aho etsy ambony hoe « ny karana tsy mijery sy tsy mandinika ary tsy miaro ideolojia na firehankevitra politika, fa ny azy dia tsotra ihany : izay fiarahana miasa hampiroboroboana ny « afera » sy ny « fijolohana ary fijirihana » ny sehatra ara-toekarena mampidi-bola mivantana sy misitraka milalao ny fandaniambola izay ataon’ny fanjakana ihany ny azy »

Mazava ny amin’io : ny raharahambarotra ataon’ny karana no sehatra haingana indrindra ho an’ny mpanao politika amin’ny fanadiovana ny vola maloto tamin’ny kolikoly sy halatra ataon’ny mpanao politika Malagasy…

Fa izao, inona no antony mahatonga ny botombazaha misisika mafy amin’ny firotsahan’ny karana ho mpitondra politika ?

Satria misy sehatra iombonana ifampihaonana sy hifandinihina iarahana amin’ireo karana ireto botombazaha ireto, ary ireto botombazaha ireto dia maniry mafy ny ho tonga tsy maty manota ihany koa rahampitso…dia ny Lion’s Club, ny Rotary Club, ary ny Loges Maçonniques…

Ireto botombazaha ireto dia efa ela no nitsiriritra mafy ny karana sy nisary zoro teny niaraka tamin’ny karana, saingy mbola tsy tafiditra tsara ao amin’ilay tambajotra fifehezana sy fijinjana ny toekarena satria…tsy nanao politika no sady mbola variana nanambony tena no tsy sahy nanolo-tena hanadio vola maloto…

Fa ankehitriny ireto botombazaha ireto dia maniry mafy ny karana hisehatra amin’izay eo amin’ny ny fitantanana politika mivantana satria…ny taonany efa mandroso, ny taranany toa tsy misy misongadina, ny vatsy hoentina hiantoka ny ampitso toa marefo ihany, izy koa toa ohatrany manana faniriana ny hiverina ihany raha toa ka misy ny sehatra hahazoana manangona harena haingana…ilay rehaka sy ambompo koa ohatrany manomboka lefy !

Dia io mody mivadibadi-dela io ireo botombazaha ireo…mody mipasoka resaka, mody milaza fa ny fiovana azo antenaina dia avy any amin’ny karana ihany sisa, dia mody tsy mijery ny lasa sy ny tantara naneho ny asa ratsy nafitsoky ny karana niarahany tamin’i Ratsiraka Didier…

Aza mifamitaka eto isika ry Bainina a ! Samy kôp daholo eto fa aza mody mitapy eo !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS