Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h59
 

Répondre à un commentaire

28 avril 2021 à 14:42 | ASSISE (#10453)

Asa aloha raha ampy fisainana ireto servô ireto na tsia, tsy fahita manko iny zavatra nataon’i Ylias iny. Amiko tsy ratsy ny heviny fa ny fombam-panjakana no tsy mamely.

Raha misy gasy tia hanao fanampiana na avy eto na avy any ivelany dia BNGRC irery ihany no tompon’antoka voalohany, fanjakana io. Izay ve ilay fenitra arahina sa tsy izay ?

Na Fondation na Association, raharaham-pirenena io fa tsy an’olon-tsotra. Ka tena resak’alika fa ny kely indrindra tamin’iny dia ny PM na ny MinSan no nitarika « Patronnage » iny fihaonana iny. Matetika aloha dia ny PRM no mioerôrera amin’ireny.

Ny zava-nisy, sady tsy nitarika ny fanjakana no mbola koa nampiantsoin’ny fondation. Mbola misy ve ny fiandrianana amin’izany ?

Tsy resaka hilatsaka ho PRM ny nanaovany an’iny valan-dresaka iny, asakasak’izay maika amin’izany. Mazava ny fanazavana nataon’ny Zoky Vohitra mahakasika ny Karana sy ny Fanjakana.

Tsy takona afenina koa anefa fa olona akaiky ny PRM ankehitriny io olona resahany io, saingy firy ry zareo, mitovy fiavina, no manodidina ny PRM eo ? Misy tantara koa ny amin’izay satria efa misy loko manga sahala @ vatobe izay indray eo amin’izao.

Hita eo ny tohiny raha misy izany eritreritra hilatsaka izany, izay mety hamofona fanodikondinana (s)aim-bahoaka. Satria efa Fanjakana ivelan’ny Fanjakana io raha ny fijery azy amin’izao fihetsiny izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS