Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h10
 

Répondre à un commentaire

28 avril 2021 à 12:05 | Vohitra (#7654)

Misy raharaha misy fofona masiso efa miainga sy misovoka mangina indray eto amin’ny Firenena ankehitriny…

Miasa mafy ireo botombazaha ankehitriny mivoy ilay resaka…

Ny antsoiko hoe botombazaha eto dia itony ilay karazan’olona efa vita lasitra ao anaty atidohany ny fanompoana vazaha, efa raiki-tampisaka sy nobeazina tao aminy ny fanandratana izay fomba sy fihevitra ary fisaina entin’ny vahiny, itony olona efa tapaka rohy sy lavitra ny fanandratana ny hasin’ny Tanindrazana, ary efa tsy mametraka intsony zara sy lanja ary toky amin’ny mpiray Tanindrazana aminy fahiny, ary na ny tsiaro sy tamberina mikasika ny fombandrazana aza efa tsy hita soritra ao aminy intsony…

Inona moa ny resaka masiso sy mantsina entin’ny botombazaha ankehitriny ? Io izy io averimberina matetika io, dia ny adihevitra mikasika ny anjara toerana ho an’ny karana eo amin’ny sehatra politika…

Odian’ireto botombazaha ireto hadinoina fa efa hatramin’ny Repobilika faharoa anie no efa mpandray anjara feno tao amin’ny sehatra politika ireto karana ireto e !

Ny Amiraly anie no nanomboka ny fiarahany miasa akaiky tamin’ireto karana ireto hatrizay e, ireo karana ireo anie no nomena vahana eo amin’ny fanafarana entana sy ny raharaham-barotra hatrizay teto, ary natao ho mpiara-miombona antoka mahatoky amin’ny fanadiovana ny vola maloto vokatry ny fandrobana ny volampanjakana teto hatrizay e ! ary ireto karana ireto anie no mandray anjara amin’ny famatsiana vola ny fanaovana fampielezankevitra politika rehefa misy fifidianana teto hatrizay e !

Hatramin’izay teto amin’ity Firenena ity dia misy vondrona anankiroa foana izay manana solontena tsy tapaka natao hiaro ny tombontsoany ao anaty goverinemanta ao e, dia ny fiangonana katolika sy ny karana !

Fa nahoana moa no hatrizay no tsy mety nisy hetsika fanolorana ny Malagasy tsy maty manota nandroba Firenena hiatrika ny fitsarana hatrizay ?

Satria ny famatsiana ara-bola ny politika teto hatrizay dia mifandray foana amin’ny fandraisana anjara ara-bola ataon’ny karana ! ary na iza na iza fitondrana politika nijoro sy tonga teo amin’ny fitondrana, dia ny karana tsy mijery sy tsy mandinika ary tsy miaro ideolojia na firehankevitra politika, fa ny azy dia tsotra ihany : izay fiarahana miasa hampiroboroboana ny « afera » sy ny « fijolohana ary fijirihana » ny sehatra ara-toekarena mampidi-bola mivantana sy misitraka ny fandaniambola izay ataon’ny fanjakana !

Diniho kely ity zavanisy ity : tamin’ny taona 1996, nisy fifidianana filohampirenena teto, tamin’ny fiodinana voalohany, betsaka ireo karana no nanohana an’i ra-noribera sy Zafy Albert…fa nony tonga ny fiodinana faharoa, tsy nisalasala ireto karana nanohana mivantana an’ilay Amiraly…

Ary ity no aza adino : raha banky rompitra sy ripaka ny bankimpanjakana toy ny BTM, BNI, BFV, iza no sahy milaza fa tsy isany nanao findramana volabe ary nomena tombony tao amin’ireo banky ireo ny karana ?

Tsy naseho mangarahara ho hitantsika anie ny anaran’ireo tsy namerina vola tao amin’ireo banky ireo alohan’ny nivarotana ireo banky ireo varoboba e !

Aza mifandrebireby amin’ity resaka karana ity eto e ! nanao politika foana ny karana, ary niray petsapetsa foana tamin’ny mpitondra teto hatrizay ! Aza mihezaka manasa atidoha eto ry botombazaha a ! Mazava ve ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS