Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 09h31
 

Répondre à un commentaire

27 avril 2021 à 10:45 | Vohitra (#7654)

Mahagaga an !

Vao tsy ela, ny fiara Sprinter mitondra ny Malagasy kely tratran’ny tampoka tsy navelanareo nihiditra ireo Faritra mihiboka, nataonareo nihinana ny IEM aninareo mihintsy, ny mpivarotra charbon mba nivarotra kely nitady vola nataonareo nihinana ny IEM aniny mihintsy, izay tratranareo mbola nivezivezy teny andalana ny Asabotsy sy ny Alahady nataonareo nahita ny anganony nosamborinareo tsy nisy indrafo…

Koa nahoana rehefa vahiny tonga mety hampiditra antambo sy loza eto no avelanareo hiditra sy omenareo alalana feno ?

Raha nilaza ianareo fa efa nahazo alalana mialoha tamin’ny 30 marsa ity sidina ity, koa inona no tsy nanafoananareo hainga tamin’iny andron’ny alarobia nandraisana fanapahankevitra iny io fahazoana alalana nomenareo io ? Iza no hanome tsiny anareo amin’izany satria fiarovana aina sy fiarovana ny Firenena (sécurité nationale) no resaka eto ? Sa koasa samy hafa ny aina rehefa vazaha dia hafa rehefa Malagasy ?

Resaka « fiarovampirenena » anie ity e ! efa fantatra fa mety handripaka vahoaka ve dia nahoana no atao antemaka toy izao ?

Efa niarahana nahita teto tamin’ny taona 2020 fa efa nihanaka ny aretina tany ampita nefa mbola tsy nakatona ny seranana satria mbola nisy fianakavian’ny sasany nandrasana, avy eo efa nikatona indray ilay seranana sy ny zotram-piaramanidina avy any ampita, mbola navela niditra teto ihany ireo Sinoa mpanamboatra ny kianja etsy Mahamasina…

Fa iza izany ireto vahiny ireto izay mbola nampidirina ihany nefa efa nikatona efa ho herinandro latsaka ny seranana ? Sa ireo ilay vahiny tonga hanamboatra ilay « téléphérique » ? Azo heverina tokoa izany satria nisy fivoriana vao tsy ela nilaza fa manomboka ankehitriny ny fanadihadiana mikasika ny fanamboarana io « téléphérique » io !

Azo heverina tokoa izany satria ny sary fanangonana vaovao dia nampiseho tokoa omaly fa mivoaka ho azy toy ny mpandeha tonga isanandro amin’ny fotoana mahazatra tsy nisy valanaretina ireto mpandeha vahiny ireto…

Fa angaha tsy ianareo ihany no nilaza tamin’ny kabary tapabolana lasa izay fa ilay « variant » avy atsy Afrika Atsimo dia matetika mihintsy tsy hitan’ny fitiliana mahazatra ny Covid-19 efa nampiasaina hatrizay ?

Ary iza no milaza aminareo fa tsy nivahiny tany Brésil na tany Inde tany aloha tany ireto vahiny tonga omaly ireto ?

Tomponandraikitra feno ianareo izany izao raha toa ka tafiditra eto indray koa ireo « variant » avy any Brésil sy avy any Inde…

Sa tsy olana aminareo izany satria ianareo efa vita vakisiny daholo ?

Sitrany, dieny mbola tsy mivezivezy ireo olona ireo, dia alefaso mitokana mihiboka any amin’ilay hotely mitokana any Ankao daholo mandritry ny fotoana maharitra, na koa dia alefaso miverina any amin’izay toerana niaingany !

Tomponandraikitra ianareo amin’izay vokatr’izao !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS